nandalo teto... 1
04/29,2010Maputo ...latsaka afovoany...Ivato
03/06,2010Latsaka afovoany...
Raha mijery amin'ny maso tsy miangatra dia eo anelanelan'i Ankatso sy Ambohidempona izao no tokony misy an'i Madagasikara...
Ao no miziriziry hoe maputo ihany...ao no mihenjana fa Ivato ihany...
Fa inona moa ilay tsy nety sy nety tamin'ny Maputo sy ny zanany?
efa nampiharina izy io, nampiharin'ny 4 tonta - fa ireto no olana:
- Fa tsy nety nitsangana ny Governemanta - satria fa ahoana?
Samy matahotra daholo hoe hanjakazaka amin'ny ministera 6 izay minisitra tafiditra ao - ny Ministera mikirakira vola, tontolo iainana, raharaham-bahiny, ati-tany, fiarovam-pirenena, fifandraisana...
Mazava ho azy izany fa tsy voafehin'ny Filoha 3 sy ny Praiminisitra 1 ny Ministra...satria tsy misy "TDRs"
- Namendrofendro koa ny sasatsany tao amin'ny 3 tonta, ka dia nahasahy nanoratra tany ivelany fa tsy afaka misolotena an'i Madagasikara ry Ranona sy Ranona - nefa dia tamin'ny anaran'ny fahefana azony tany Maputo sy addis Abeba no nanaovany sonia...
Tao anatin'ny fahefany ve izany?
Tsy nisy niteny ny 3 hafa nanao sonia...
Tsy hay itsony izany hoe inona no andrikitry Ranona - ary inona no andraikitry Ranona?
Tsara Be ilay Maputo sy ny zanany raha tovanana ny andraikitry ny tsirairay : ny tsy azo atao sy ny azo atao? - Izay ilay antsoina hoe TDRs ...
Hatraiza ny fetran'i Didin'ny Filoha? - Ny Co-Filoha? - Ny Praiminisitra? ny Minisitra?
Iza ny hoe : inona no andraikiny? ary iza no mpanapaka farany raha sanatria misy hevitra tsy itovizana? tsy voasoratra mazava tamin'ny Maputo&Co izany...dia avy eo samy miala bala daholo hoe "Ranona no tsy alehany"...
Avohay ny TDRs...dia ho hita eo ny tohiny
Izahay moa dia latsaka afovoany...
eo anelanelan'ny laona sy fanoto...
sady tsy tany Ivato no tsy tany MAPuto&Co
ilay Sabotsy (tsy 07 febroary 2009) sy Ramose
02/28,2010Velona ny lakolosy, Manomboka ny lakilasy - Pejy voalohany ao amin'i "Lala sy Noro"...Rafitra namoaka boky Ireo mpianatra isan-dabilio - Endrey ny fibadabadany Mianatra ny abidy
Fa i Lesabotsy irery kosa - No toa osaosa, Raha namoaka ity boky efa tonta, Nolovainy Tamin'ny zokiny lehibe indrindra
Aoka izany e Raha ny henatra, Nanongo tena - Ka nanitrika tsimoramora Ilay boky : Soa fa tsy nisy nahita
Nanomboka tamin'izay Dia tsy tafatombina mihitsy - Nierikerika tetsy teroa ô
Nanao fampitahana Tsikariny tamin'izay Ireo namany vokolokolo - Tsaratsara sy ampy fitaovana Ka lasa tian-dRamose
Vaka dia vaka teo ny sainy, Fa i Ramose Izay nataony ho sakaiza tsara "Nanadino" : tsy nahalala ny anarany akory ---
Kivikivy Lesabotsy fa toy ny very...Hany hery dia nifindra lasy, Ka namonjy ny faran'ny dabilio
Re siosio tato aoriana: Ilesabotsy kely Dia malaza mpanao tsidi-pahitra ny sekoly
Tsy nahatamana hono mantsy Ka naleony nivangabao Nilalao sy mirenireny ô
Afaka madiodio
Ry ray aman-dreny ô
Na tsy hihinana aza ianareo - Na hiakanjo voron-kitsay sy ny sisa - Aza atao tsirambina re ny kilonga
Sanatria tsy haitraitra na savi-tsaranga - Fa ny zaza dia zaza eny ihany
Mandefera raha te-hanana ny tsara
Ifanihy
21/02/2009 no nadika tato - mitombona foana
Andriamanitra be tain-tsofina...
02/25,2010Fa dia iza loatra aza no mpanala ny tain-tsofin’Andriamanitra,
fa dia tena mikaikaika mihitsy ny mpomba ny atsy sy ny mpomba ny aroa, mikofokofoka mafy mivavaka nefa toa mbola tsy mivaly ihany…vavaka roa samihafa sy mifanipaka no indray ampiakarina…fa dia he he…farany mampionon-tena amin’ny hoe
« Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany e… »
Inona moa no idiran’andriamanitra amin’izay resak’ PaolyTika any…tena andraso eo tokoa I Paoly raha dia vavaka tsy mifanaraka amin’ny sitrapony no atao eo…andraso eo hoa Paoly tsy Paoly apostoly fa i Paoly ilay tsy mety tonga mihitsy aty Madagasikara…Satria tonga dia “TSIA” avy hatrany no valim-bavaka… “TSIA, tsy hamaly aho” hoy andriamanitra… ka noho izany Andriamanitra tsy be tain-tsofina, fa ny olona no be tain-tsofina tsy mihaino valim-bavaka hoe "TSIA"...
Satria fa nahoana?...
Izy ve dia handiso ny teniny hoe
Ary handre ady sy filazana ady ianareo … Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa…. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana ...Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy…amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira… koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
Mety hoy ilay maître be mahay ny teolojia hoe : “eh ...tsy azo atao ny mitsimpontsimpona tenin’ny soratra masina...”
...fa dia hoy aho hoe “izay voasoratra dia voasoratra..., efa andro farany izao...ka tsy maintsy hitranga ireo na dia hivavaka be sahala amin’inona aza aho mba hisian’ny fandriampahalemana”
Fa LOZAN’izay hiavian’ny fahantafintohana...tahaka ny hoe “ny tompo tsy maintsy ho hombohana teo amin’ny hazo fijaliana fa lozan’izay manaiky ho jodasy eo”...
Dia eo koa ilay hevitra hoe : “Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao...”
an’iza tokoa moa izany izao rehetra izao...?
"Aza atsofoka amin'ny tsy tokony hitsofohana hoa andriamanitra fa manjary tafatsoka irery any amin'ny kizo ianao... izy tavela aty ivelany"hoy izaho mananatra ny tenako
19/02/2009