Vitsy no ho vonoina ho faty alohan'ny 26 jona...
06/20,2009Na hisy Merssa na tsy hisy Merssa...Na ny manam-pahefana na ny Legalista...Na ny misy saina na ny tsisy saina...
Na ny TIMihinana na ny Hazo Amoron-Tevana...
...HEVITRA TAINGINA...antaigina amin'ny hevitra efa misy...:-)
Na hisy Merssa na tsy hisy Merssa...Na ny manam-pahefana na ny Legalista...Na ny misy saina na ny tsisy saina...
Na ny TIMihinana na ny Hazo Amoron-Tevana...
Basy poleta 1, 2, 3
Basy Lava 2
Sabatra 2 miampy 1 efa tapaka
Antsy, grenady
Miaramila 15 samy manambana basy ny sasany tafondro fanao an-tsoroka
Tsipika 2 miampy zana-tsipika
Basy hafahafa (laser angamba)
Fiara haingam-pandeha vitsivitsy...
Biby masiaka maroamaro (liona - dinozoro - dragon - ...)
Aiza moa no tsy hilalao basy rehefa any aoriana any, aiza koa moa no tsy hanao "pointe"...
plastika daholo ireo - ary ilay fiara dia fiara kely kilalao
Tena sahirana mihitsy aho satria dia ireo no kilalaon'ny zanako 3 lahy, ny ankabeazany moa dia azony tamin'ny didim-paotra - ny sasany nitomaniany dia novidiana tsy fidiny...izao ve rangahy...mbola kely ohatr'izao ve dia milalao izany sahady...
Nefa ny dahalo moa ve nilalao basy koa tamin'ny mbola kely?...toa tsy mitombona indray ny eritreritro...aleo rangahy kely ohatran'izao dia manao kilalao miaramila sy ankitifitifitra dia rehefa lehibe mba efa leo ...Mbola mandinika foana aho hoe "mba mitombona koa ve izany"...
Inona no kilalao vidiana ho an'ialahy amin'ny fetin'ialahy? - Raoplanina na Basy...
Miteraha mba hahita hoy Neny izay rehefa mba be moraly izahay fony mbola mpitovo, ka nidradradradra hoa "ny zanako tsy ividianako kilalao mahery setra izany" - hay tsy nahajery voamason-jaza akory rehefa niteraka...
Ary raha hividiana saribakolivavy izy 3 lahy? mety hitondra voka-tsoa sa voka-dratsy?
BROETY MALAGASY... (araho ny rohy) Namapalaza ny gasy io Hatsikana io ...
Ny Gasy hoa hafa ihany, sady misy sinoa endrika no misy vazaha endrika no misy senegaly endrika, no misy karana endrika sns fa dia gasy ... kompoze (composé sy la soupe no tiana tenenina)...antsiben'Andriamanitra (arc en ciel no tiana tenenina)...Tiako i Malagasy... (tsy misy miresaka TIM na TGV eo...sssh....mandreraka izany...)
Samy manana ny fiteniny...nefa toa teny iray ihany...Mbola tsara...Manao ahoana...Mbarakaly...Akory li...Tsara va tompoko...Salama...sns dia bonjour daholo no dikan'ireo...Tsara hoa ilay samihafa miara-mitoetra...gasy izay...Tiako i Malagasy...
...
Dia ilay manindraindra ny Razana hoa TSY Tiako , Taranak'Andriana e ... Andevo e... Borisatroka e... Foko izao e... Ataovy amin'ilay fombandrazana ... ilay tsy hita izay maharatsy azy e...
Miampy an'ilay Manindraindra havana manana seza : HAVANAY anie Rafitomanana ! (eny havana tsy dia akaiky aloha e)...TSY tiako rehefa tsy nisy nanontany an'izany dia izany no abosesika...
Gasy hono ka hoe...
looooooooooooooooollllllllll
iny indray no tsy hitako :-)
in no filaza an'zany?
gasy ka manja :-)
sa gasy ka exotika
hahaha
Ilay manindraindra havana manana seza io no tena mampiavaka antsika :-)
ILay milaza firazanana tsy manindraindra amiko fa anissan'ny mahaolona io ;-)
Ny hoe havan-dRafitomanana : olomanga anie Rafitomanana e, fa izay havana "fozaorana" no tena loza ! Izaho aloha "havany" na dia tsy mifankahafantatra ary izahay satria samy mankafy ny fampandrosoana firenena e ! hi hi hi !
Okiiiiiiii !
Ary tena génie ny Malagasy (we are so proud) d'avoir inventé la fameuse brouette - mouahahaha
Mbola tsy takatry ny saiko mihintsy izany antsoinareo hoe "fozaorana" marina ! :-).
Mitovy isika sy i Mangamaso amin' io resaka io. Izaho koa dia nampitaha resaka tetsy sy teroa teto amin' ny internet ihany, fa tsy mbola azoko tsara ny hevitr'ilay hoe "fozaorana" (Ankoatr'ilay hira).
Tany am-boalohany io teny io dia toa nidika hoe "tovovavy kely jefijefy", dia avy eo angamba mety niova.
Mangamaso sy LeRastah < inty ny momba ny fozaorana ka ataoko fa io no niandohan'ilay teny izay midika hoe ZAVA-DOZA ("fléau" no ieritreretako azy). Fa natao ho lasa argot ilay izy itenenana ny ratsy rehetra, ary lasa fanopàna mihitsy ary.
Mangamaso sy LeRastah < inty ny momba ny fozaorana ka ataoko fa io no niandohan'ilay teny izay midika hoe ZAVA-DOZA ("fléau" no ieritreretako azy). Fa natao ho lasa argot ilay izy itenenana ny ratsy rehetra, ary lasa fanopàna mihitsy ary.
Milay hoy aho ny Gasy...
sady mahay mi tacle sy manova palitao an...
normaly kay lay manova palitao satria ny ry imbe ihany no tsy mety miova hevitra na dia efa hevi-diso aza...
Hay ve ! misaotra akia fa mazava amin'izao e! :-)
Efa azon'i Mangamaso an-tsaina izany hoe iza tokotrany moa ilay fozaorana an...
Horonan-tsary malaza ary nampitolagaga ny ankabeazan'ny olona ny Titanic sy Madagascar...ny hifandraisany moa dia misy dian-tanan’I Steven Spielberg
Fa dia tamin'ity indray mitoraka ity dia Titanic I Madagasikara...eny tokotrany, "film" efa nandeha io...
tamin'ny Titanic anefa niandry hatramin'ny farany ny "Commandant" - ary nihira mandram-paha ireo mpihira (dj angamba no fiantso azy amin'izao fotoana izao)...mihavaky mihavaky ny sambo...tsy hita ny mpamonjy...mbola raikitra ihany anefa ny ady saritaka...sao dia Titanic i Madagasikara?
Angamba hoy aho, tokony hisy "film" vaovao indray hotontosain'i steven Spielberg mba hampivaha ny olana eto Madagasikara...fa tsy Terminator lava izao... (Terminator Renaissance)
Nanombonomboka farany 2008 mantsy no nivaoka i Madagascar 2, ary nanombonomboka tamin'izay koa ny krizy...?... ary mety hivaoka ato ato indray I Terminator Renaissance…
Madagascar...tafiditra tokoa moa I Alex (avy any amerika)… I Jurassic Park mampivandravandra ireo Dinozoro (politika)...i E.T. moa tsy lazaina itsony, fa dia mipoitra ho azy eny...I Indiana Jones nampiseho ireo harena be misy - hifampandroitana - avy eo tsy misy ho raisina...
Lasa finoanoampoana izy ity?... "il faut sauver le soldat Ryan"...sa "il faut sauver madagascar"... sa "the Rivals ?"...
Tintin...
finonaranoiray> izany tokoa angamba no atao hoe nofy ririnina, tsy ho rendrika i Madagasikara, satria ny Commandant Ravalomanana efa tsy eo, Ratsiraka moa tsy lazaina intsony, aleo @ izay ho entin'ny mahay ny firenena, @ izay izy tsy sambo intsony fa TGV.
Tsy ho rendrika i Madagasikara
Mitohy foana ny asa e, tsy maintsy mandroso Madagasikara na inona na inona filazan'ny TIM.
ngô dé mba mission impossible r'ise ?
Tena Mission ImpôtCible marina
Mbola tsy rendrika tanteraka ny sambo ary ho tafita fa minoa fotsiny ihany :)
Fanampim-baovao no omeko: Efa nivoaka t@ ity volana Mey 2009 ity ny film Terminator farany, mitondra ny lohateny hoe : "Terminator Salvation" !! mety hanampy anao @ aingam-panahy hanohizana ny tantara voalaza etsy ambony.
Mba tsara fiafara ve ilay "terminator salvation"...? sa mbola "intrigue" ...
"the rivals" (mbola hivaoka) izay misy ny dian-tanan'i Steven Spielberg mantsy dia adin'olon-droa tsy mifanaraka - Madagasikara koa io...
Bof
Nivory hono ireo gasy efa maty tany amin'ny fiainan-tsi-hita...tsy izy rehetra anefa fa izay maty nisy namono noho ny tolona...
Ny antony ny Fivoriana dia ny fananganana Repoblika fantôme...satria dia efa tsy lasa intsony ny korontana ataon'ny velona an-tanindrazana...
Mazava ho azy fa dia Kolonely Ratsimandrava no lany fa atao présida...lanin'ny mpivory rehetra io...satria dia anisan'ny maty novonoina izy...Ny didimpitondrana navaokany voalohany hono dia ny nanome amnistia an'i Zimbo...
Fa dia tsy hita hoe iza no atao praiministra, satria dia toa olona tsy dia be diploma avokoa ireto maty ho an'ny tanindrazana...ireo mba manana diploma moa dia tsy nety nirotsaka satria "leo" hono izy, ny vitany aza nanenenany...Mazava ho azy fa dia nanahirana be torak'izany koa ny hanendry hoe iza no ho Ministra...
Tonga saina avokoa ary ireto mpivory fa dia tena natao fitaovana tokoa fony fahavelony...ka dia tapaka ny hevitra fa dia HANANGATRA ry zareo...ka eny tsimbazaza no atao ny fitokonana...
Tsy nanaiky anefa ny antoko "10 aogaositra" ka nivaoka ny trano tsy nety hifampidinika itsony, aminy mantsy dia tsy maintsy eny iavoloha no atao ny fanangarana...ny any antoko "13 Mai" moa dia vaky 2 avy hatrany, eny analakely ihany ny no toerana tokony hanangarana hoy ny sasany - eny Ambohijatovo hoy ny sasany - eny Ambohitsirohitra hoy ny sasany... ny reservista sy ny nanohitra azy tamin'izany moa dia eran'ni madagasikara mihitsy no tena tiany...
Nifanaritaka Ambondrombe iray manontolo...tabataba izao...
taitra aho...oadray amin'ny firy izao ... amin'ny 2 maraina...Nofy ririnina
Ilay saribakoly manja ireny dia mba mahay mijery ny canon-canon !!! ha ha ha ! Ny ahy aloha h@ izao dia mba basy 1 ihany no fiadiana novidiako ho azy, fa ny sisa avion (sao lasa pilote), hélicoptère, zava-maneno isan-karazany (mba hizatra izany raha mafy ny manjo fa ny mozika manamora adim-piainana), fiarakodia (iny no hanehoanay ny toetran-dehilahiny fa vahany tsiray² dia esahiny haverina na dia tsy mety intsony ary), baolina (basket sy foot : ary tena tiany tokoa ny milalao azy), fa dia mbola tiany lavitra ilay peluche ireny fa miara-matory aminy daholo ny anakidimy be izao !!!! tsetsatsetsa ts yaritra leiroa .............
"ny kivadivady aza moa nataony" hoy ny hiran'i Levelo...
Afangaro daholo ny kilalao izay tiany, na saribakoly izany na auto, na ho an'ny zaza vavy na lahy, fa rehefa lehibe ny vavy hanana fiara ary ny lahy hitaiza zanaka :-).
dia aza adinoina ny mampianatra Raosijamba sy Jiro kapoaka sy ny Mampiady ravina sy ny mampiady omby tanimanga e
mmmH mamy ny zanaka...
Tsy hohadinoana ireo kilalao soft ireo ry zareo...
Saribakoly gonflable va re?
lol
tsy manakivy ah @ le saribakoly...
ho lasa mpanjaitra lamody izy ary indrindrindra... ho lasa tia lehilahy :)