Aoka hatoky azy...

02/13,2009

Aoka hatoky Azy ny fonao
Atolory Azy ny fiainanao
F’Izy no
hitantana ny ho avinao
'Zay mampanahy anao

Maizina ve ny ampitsonao
Ka tsy fantatrao izay tokony hatao
Aza manary toky
Fa mbola ao Jeso
Mbola ao Jeso tia

Izy Ilay fahazavana hatrizay
Mbola hanazava anao indray
Ianao ‘zay anaty haizina
‘Zay mitady hiainana

‘Jeso ‘lay fahazavana hatrizay
Mbola hanazava anao indray
Ianao ‘zay anaty haizina
‘Zay mitady hiainana

(Hira heno dia zaraina...)


Arovy ny biby...ary Arovy koa ny olona...(nampodiana)

02/07,2009

Mba arovy koa ny olona re olona o...tsy manana hotenenina be aho fa dia mamerina ny teny efa voasoratra...mba henoy ihany e...07/02/09

Raha izaho hono no mpitantana na mpitarika vahoaka dia ho dinihako lalina ny tokony na tsy tokony handripahako ireto biby ireto... 

VALALA: 

Io biby io HONO no anisany mandray anjara be amin’ny famolavolana ny ankabeazan’ny tetika fitantanam-pitondrana toy ny hoe:  

Sambom-balala main’andro raha tsy azo anio tsy maintsy azo rahampitso…fisamborana tsy misy dikany io amin’ny samborina fa zava-dehibe amin’ny mpisambotra…(mety ho vola mety olona no samborina…) 

Valala eny an-danitra asiana sira … fanao matetika io ary anisany voasoratra lava ao amin’ny teti-pivoarana… 

Valala an-karona miady … fanao rehefa te-hanakana ny hafa tsy hiakatra… 

Valalan’alika ka na dia ny tompon’ny aza tsy tia…noho nahatonga ny teny hoe “gasy ka manja”…fototry ny fampivoarana ny toe-karena io teny io…

mazava ho azy fa rehefa foana ny valala tsy misy itsony ireo rehetra ireo...  

LAMBO: 

Io biby io HONO no lasa fototry ny fialambolin’ny tia fialam-boly hafahafa, fihazana (chasse) : Haza-lambo, no fiantso azy, mifandimbidimby ho lambo eo … mazava ho azy fa rehefa foana ny lambo, tsy misy hanao haza lambo itsony...

HAO: 

Miarakaraka amin’ny Lambo ihany io…SAVA HAO…mazava ho azy fa rehefa foana ny HAO tsy misy hanao sava hao itsony... 

LALITRA: 

Io biby io HONO no tena manome asa be tsy mampidi-bola indrindra, raha tsy misy azy angamba dia izay vao tena tsy an’asa daholo ny ankabeazan’ny olona…ilay asa moa dia mitango-lalitra…mazava ho azy fa rehefa foana ny lalitra dia tsy hisy hitango lalitra itsony... 

MOKA: 

Vono moka isaky ny tsitaitaika … mampitehatehaka amin’ny andro alina, tena nihoson-drà mihitsy ny tanana rehefa avy mikapoka…mazava ho azy fa rehefa foana ny moka dia tsy hisy vono-moka itsony aty afrika... 

MAMBA: 

Io biby io HONO no mihinana raha vao mandehandeha irery … Mitabe tsy lanin’ny Mamba…ka ho foanana sa tsy ho foanana ny Mamba? ... ny olana mantsy ilay ampihi-mamba...

OMBY: 

Be loatra ny olona nianatra ny fomban’izy io…MIJERY FLORA…ary atao A GOSY TIKY ... dia manaraka...ka ho foanana sa tsy ho foanana ny omby?... ny olana mantsy dia io no sary famantarana ny firenena...

27/11/08

  


Miady amin'ny mpandoa-bary...

02/07,2009

"Tena aza mba miady amin'ny mpandoa-bary izany mihitsy"hoy ilay zoky ray aman-dreny be resaka izay... dia tena nihatra tamin'ny tena ilay izy...

Eo moa ny hoe "ny hevitra no ampiadiana...fa tsy ny olona", dia mba nampiharin'ny tena izy io...indrisy mantsy noheverin'i Sefo fa izy mihitsy no niadiana...

nefa anie dia hevitra no nampiadiana e...Nasehony amin'izay ary re-olona fa izy no mbola mpandoa-bary...

Isak'izay mba manolotra vilia ianao amin'ilay fotoana fandaoaram-bary iny...

dia andraso aloha fa ny anao no farany hoy izy...lany ihany ny vary ka dia iray sotro kely sisa no mba anjaran'ny tena...snif...Cry...snif...raha be be ny vary ambiny amin'ny farany dia mody ataony izay hahavery azy...misanaka indray ny tena...handroaka ilay very amin'ny tany toa tsy mety...

Aza mba miady amin'ny Mpandoa-bary ihany hoa...

Dia tena hita izao fa dia tetika tsotra dia tsotra no fampiasan'i Sefo, rehefa hiady amin'ny tena ankolaka izy : mampanantena...dia mampitahotra...dia mampiady...

nampanantena izy fa tsy maintsy omeny vary rehefa handoa-bary izy...rehefa tonga ny fotoana fandoaram-bary...dia nikofokofoka nazoto niasa ery ... koa nanantena tsinona ka...

nampitahotra indray izy hoe sao dia hiadian'ny mpihinam-bary sasany  eo, raha ny tena no omena vary aloha ... raha tezitra mantsy ireo hafa ireo dia mety hamaky vilany... dia nanaiky tokoa koa natahotra tsinona ka...

nampiady amin'izay izy tamin'ny fiafaran'ny fandoaram-bary fa noho i Anona na i Anona no nahatonga ny vary tsy ampy ka tsy nahazoan'ny tena itsony...dia te-hiady tokoa satria toa tsy nety tokoa ny nataon-dry zalahy...

...ssh...tokony hiasa tena amin'izay angamba, fa tsy ho mpiasan'olona lava izao...amin'izay izaho indray no mpandoa-bary...


Demokrasian’ny infirmera...

02/01,2009

Tena lasa angano be ity tantara ity, ka dia averina eto, fa toa mitombina ilay angano...ilay ngahibe mpitantara moa nihomehy fotsiny...nony niverenako tany nanontaniana hoe fa iza ilay dokotera e? fa iza ilay infirmera?tena nisy ve io tantara io?...tsy mety mamaly izy... Finoanaranoray 01/02/09 ...

Ao amin’ity toeram-pitsaboana iray dia tena manjaka ny Demokrasia sy ny mangarahara

…dokotera 1 sy infirmera 4 ary marary 1, moa no ao anatin’ilay fiasana kely

 nihombo ny aretin’ilay marary 

Amin’ny anaran’ny fanehoan-kevitra malalaka dia hoy ilay dokotera hoe:“tokony ho tsindromina “tromadin298” ilay marary…” 

satria moa malalaka ny fanehoan-kevitra dia naneho ny heviny koa ny 1 tamin’ireo infirmera nanao hoe:“tokony parasipamole fotsiny no omena ilay marary, fa tsy tsindromina izany…”

nitarika ny infirmera ambiny hilahatra izy ka dia nahavory infirmera maro (2 – 3 miaraka aminy)…  

Ary satria moa demokraty hatrany amin-tsinay maintiny ra Doko dia natao ary ny fivoriam-be hanapahana hevitra,

ary satria moa mandala ny mangarahara dia nantsoina mihitsy ny vavolombelona maromaro hanatrika,

samy naneho ny heviny raDoko sy ilay Infirmera, ny ambiny tsy nana-kevitra fa dia nitongilan-tsofina nihaino ny fampielezan-kevitra… 

amin’ny maha demokraty dia tapaka ny hevitra ny farany fa atao ny tsangan-tanana, nivadika ho latsabato miafina izany ka ny fidiana dia na I  tromadin298 na I parasipamole…teo imason’ny mpanara-maso daholo izany, amin’ny anaran’ny mangarahara 

Voka-pifidianana : parasipamole = vato 3 – tromadin298 = vato 2… Tsy nety radoko fa nanao anakam-po hoe “ho tsindromiko amin’ny miafinafina ity marary ity”

…loza nisy nahita izy teo ampikarakarana ny tsindrona, ka dia nisy nitati-bolana tamin’ny mpanara-maso fa mitady tsy hanaja ny demokrasia sy ny hevitry ny maro…ka indrisy mantsy tsy maintsy nilefitra I radoko

 Nomena parasipamole ilay marary 

Ary maty afaka andro vitsivitsy 

Izany no atao hoe Demokrasian’ny Infirmera

Angano angano arira arira...

Finaoanaranoray 12/01/2009


Manomboka ny Fisamborana ... sahirana anefa ireo mpisambotra...

01/30,2009

Mampalahelo ... Maha ontsa...Fa dia manomboka ny FISAMBORANA...maromaro ihany izay efa voasambotra izay...

Misy ireo mahay miala bala ka raha vao miala any sy hitany lavidavitra ny mpisambotra, dia mitsaoka miafina izy...misy moa ny basy vava amin'ireo samborina ka dia tsy azo akisina sy tsy azo kitihana mihitsy...

Indrisy mantsy...fa dia tsy ho tafavoaka eto ny statistikan'ny VOASAMBOTRA, satria dia mianga amin'ny majinika indrindra izany ka hatrany amin'ny tsy misy majinika...

Ka dia miantso ny andrimasom-paosin'olona mba samy handray andraikitra...mba samy hiaro ny azy...mba samy hitsinjo ny vody andro merika...

Atorotoro ihany ny mety ho fomba fitenin'ireo Mpisambotra rehefa hisambotra izy ireo:

"Sao dia mba misy 25 000 any amin'ialahy dia soloiko rehefa tonga ny karama fa tena krizy be ity...ao moa lesy fa tena tsy mihinana ny ankizy a...ny karama ity tsy mety mivaoka (na hoe ny trano niasako ity may) ...ataovy 10 000 ary e..."

Ka dia antsoina isika vahoaka rehetra mba samy hiaro ny boatindrakiny fa mitady hisy hamaky izany...