ilay Sabotsy (tsy 07 febroary 2009) sy Ramose

02/28,2010

Velona ny lakolosy, Manomboka ny lakilasy - Pejy voalohany ao amin'i "Lala sy Noro"...Rafitra namoaka boky Ireo mpianatra isan-dabilio - Endrey ny fibadabadany Mianatra ny abidy

Fa i Lesabotsy irery kosa - No toa osaosa, Raha namoaka ity boky efa tonta, Nolovainy Tamin'ny zokiny lehibe indrindra
Aoka izany e Raha ny henatra, Nanongo tena - Ka nanitrika tsimoramora Ilay boky : Soa fa tsy nisy nahita

Nanomboka tamin'izay Dia
tsy tafatombina mihitsy - Nierikerika tetsy teroa ô
Nanao fampitahana Tsikariny tamin'izay
Ireo namany vokolokolo - Tsaratsara sy ampy fitaovana Ka lasa tian-dRamose

Vaka dia vaka teo ny sainy, Fa i Ramose Izay nataony ho sakaiza tsara "Nanadino" : tsy nahalala ny anarany akory ---
Kivikivy Lesabotsy fa toy ny very...Hany hery dia nifindra lasy, Ka namonjy ny faran'ny dabilio

Re siosio tato aoriana: Ilesabotsy kely Dia malaza mpanao tsidi-pahitra ny sekoly
Tsy nahatamana hono mantsy Ka naleony nivangabao Nilalao sy mirenireny ô
Afaka madiodio

Ry ray aman-dreny ô
Na tsy hihinana aza ianareo - Na hiakanjo voron-kitsay sy ny sisa - Aza atao tsirambina re ny kilonga
Sanatria tsy haitraitra na savi-tsaranga - Fa ny zaza dia zaza eny ihany
Mandefera raha te-hanana ny tsara

Ifanihy

21/02/2009 no nadika tato - mitombona foana


Andriamanitra be tain-tsofina...

02/25,2010

Fa dia iza loatra aza no mpanala ny tain-tsofin’Andriamanitra, 

fa dia tena mikaikaika mihitsy ny mpomba ny atsy sy ny mpomba ny aroa, mikofokofoka mafy mivavaka nefa toa mbola tsy mivaly ihany…vavaka roa samihafa sy mifanipaka no indray ampiakarina…fa dia he he…farany mampionon-tena amin’ny hoe

 « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany e… » 

Inona moa no idiran’andriamanitra amin’izay resak’ PaolyTika any…tena andraso eo tokoa I Paoly raha dia vavaka tsy mifanaraka amin’ny sitrapony no atao eo…andraso eo hoa Paoly tsy Paoly apostoly fa i Paoly ilay tsy mety tonga mihitsy aty Madagasikara…Satria tonga dia “TSIA” avy hatrany no valim-bavaka… “TSIA, tsy hamaly aho” hoy andriamanitra ka noho izany Andriamanitra tsy be tain-tsofina, fa ny olona no be tain-tsofina tsy mihaino valim-bavaka hoe "TSIA"...

Satria fa nahoana?... 

Izy ve dia handiso ny teniny hoe  

Ary handre ady sy filazana ady ianareo … Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa…. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana ...Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy…amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira… koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 

Mety hoy ilay maître be mahay ny teolojia hoe : “eh ...tsy azo atao ny mitsimpontsimpona tenin’ny soratra masina...”

...fa dia hoy aho hoe “izay voasoratra dia voasoratra..., efa andro farany izao...ka tsy maintsy hitranga ireo na dia hivavaka be sahala amin’inona aza aho mba hisian’ny fandriampahalemana” 

Fa LOZAN’izay hiavian’ny fahantafintohana...tahaka ny hoe “ny tompo tsy maintsy ho hombohana teo amin’ny hazo fijaliana fa lozan’izay manaiky ho jodasy eo”... 

Dia eo koa ilay hevitra hoe : “Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao...” 

an’iza tokoa moa izany izao rehetra izao...? 

"Aza atsofoka amin'ny tsy tokony hitsofohana hoa andriamanitra fa manjary tafatsoka irery any amin'ny kizo ianao... izy tavela aty ivelany"hoy izaho mananatra ny tenako

19/02/2009


Miarahaba anareo afaka amin'ny fanjanahana...

02/21,2010

Efa niasa tamin'ny zone ve nareo?

Raha TSIA dia tsy ianareo no arahabaina - fa raha efa niasa tamin'ny ZONE ianao ka anisan'ilay voaroaka noho ny Krizy dia miarahaba anareo aho afaka amin'ny FANJANAHANA...

Efa nandalo tao tokoa aho - ary nahita - na dia toeran'olona ambonimbony ihany aza no nisy ahy dia nahita - nahita ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao - nahita ny karama vary masaka nozarazaraina - nahita ny masokarena madinika dia madinika mafamaly amin'ny tombom-barotra maventy dia maventy...nahita ny fanalikana atao amin'ireo gasy kely asaina mitrongy fa tsy asaina homana...

Tsy hitantara zavatra betsaka aho satria mety ho tsara kokoa ny mihinan-kely toy izay mandry fotsy - nefa ny mihinan-kely dia mihinan-kely mandrakizay fa ny mandry fotsy no mampiasa saina hihinam-be...

Arahabaina hoy aho afaka amin'ny Fanjanahana - ary Tonga soa amin'ny Fahoriana vaovao dia ny fitadiavana na famoronana asa?

Raha mba fantatry ny olona aty an-dafy mantsy fa endrimpanajanahana be ny fomba nanamboarana ireny akanjo avy any Madagasikara ireny  - dia mbola hividy ve ry Zareo?  

 Eritreritra nandalo tao aorian'ny fanafoanana ny AGOA nahatsiarovana ilay 100 000Fmg/mois?


Governemanta vaovao

02/20,2010

Ity no heveriko fa tena soso-kevitra hahomby ary hampandroso an'i Madagasikara, tokony ho soniavina an'i Djibouti izy ity - dia antsina hoe "Djibouti I"

ny Filoha : Andriamatoa Joaquim izay mpanelanelana teo aloha - hipetraka sy hiasa amin'ny lapa-panjakana any amin'ny renivohitr'i Madagasikara vaovao dia i Maputo - Maputo ihany Maputo hatrany.

Ny praiminisitra dia Andriamatoa Jean - ny toerana hiasany dia ao amin'ny Carlton.

ny Ministry ny raharaham-bahiny : valovotaka any Congo izay mpanapa-kevitra ny olona tokony hiteny sy tsy hiteny rehefa any ivelany ary ny sazy tokony arotsaka...Andriamatoa Bazily.

ny Minisitra miandraikitra ny fampiroboroboana ny toe-karena : Andriamatoa Ambasadera malagasy taloha tany Madagasikara - nisahana ny fifandraisana tamin'ny Amerikana - mifandray mivantana amin'ny AGOA.

Ny Minisitra lefitra ny raharaham-bahiny sady solontena maharitra ao amin'ny SADEC sy ao amin'ny Union Africaine, hiandraikitra manokana ny fifandraisan'i Madagasikara sy Afrika dia Andriamatoa Marka.

Ny Minisitra lefitra ny raharahambahiny sady solontena maharitra ao amin'ny vondrona Eropeana, hiandraikitra manokana ny fifandraisan'ny Madagasikara sy Frantsa dia Andriamatoa Nirina.

Ny Parlementaire  hisolo vonjimaika ny congresy sy hanapaka ny ho avin'ny Madagasikara dia an-dry zareo Eropeana...

Ny hisahana ny Fiarovana dia ny Miaramilan'i SADEC...

Marihana moa fa Niangaviana manokana ny Miaramilan'i SADEC mba tsy hampiasa ny BASY BE izay ananany fa sao dia hampijaly ny zaza amam-behivavy gasy ... raha voatery tsy maintsy hampiasa izy dia niangaviana hanao satroka...