Tadidiko ny nanaovako azy voalohany…

08/02,2012

18 taona aho tamin’izay…(te-hamerina an'ity expériences ity aho fa indrisy tsy mety ry zareo fa amin'ny herintaona hono...)

Nisy tahotra hafahafa ihany tato anatiko, satria sambany mba hanao an’ity zavatra ity…hendrandrendratra be zany...

Nefa dia nanao ihany aho, satria normaly amin’ny ny olona maoty rehetra – ny olo-maventy – ny manao izany…

Efa mba nisy nanoro ihany hoe aiza ny fanaovana azy …

Satria dia na ny télé na ny radio na ny gazety dia manoro ny fika fanaovana azy daholo…

Roso ny dia tamin’izay…nanao metimety…

Nangingina ihany ilay toerana tsy maintsy hitrangan’ny fandehan-javatra…

Tsy maintsy nampiseho karatra aho hoe efa ampy taona, satria dia tsy natokana ho an’ny tsy ampy taona ilay toerana sy ilay zavatra ho atao…(visa A...?)

Indreo nilahatra maromaro ireo ho safidiana…misy mitsikitsiky (sady nisatroka tsihy) …misy matotra be…misy tsy mampiseho ny tarehany…Tsy maintsy amin’ireto aho no misafidy…Ahoana koa ary fa dia misy tsy mahay mivaro-tena mihitsy an…

Eny ary …

Nosafoiko tsirairay aloha izay nilahatra teo…nisy malamalama..nisy marokoroko tahakan’ireny emballage ireny…nisy tonga dia azoko an-tsaina hoe itony izao tsy misy mpitia mihitsy nefa sahy mirantiranty aty…

Nandeha tao amin’ny efitra mitokana amin’izay…somary maizimazina ihany… Tsy nisy nahita intsony

Ato amin’ity efitra ity izany no anatsofohana azy…ok…ohatran’ny fanao’ny olona rehetra…

… nisalasala kely aho nanokatra ilay hanatsofohana azy…”Ho atsofoko ve?...”

Tsy maintsy manapa-kevitra anefa…satria mbola hisy olon-kafa koa hampiasa ity efitra mitokana ity…Natsofoko ihany ny farany ilay anankiray…Nisento tokana aho teo ampamitana ny adidy…tsy hay itsony na sentompifaliana na tsia...dia nivaoka…

Izany fahafinaretako nahatontosa ny fanaon’ny olon-dehibe rehetra…

Na dia dimy minitra monja aza …

 

...

Nahatontosa fifidianana aho tsy lany ilay nofidiko tamin'izay, raha tsy diso ny fitadidiko dia vato Mena sy Mainty izay ilay natsofoko tao..vato tsy mety lany efa ho 40 taona izao...ilay nampianatra ny gasy hi-grevy voalohany tamin'ny 72...

Tamin'izany no nisy nilaza fa "tsy lahatra akory ny fahantrana"..."Fanantenana vaovao"..."satroka penjy tsotra izao"..."Manga be"...ary ilay mpanao propagandy eo amin'ny salon na eo ambany akondro amin'ny télé...

25 novembre 1992 tamin'izay : Albert Zafy 45.16% - Didier Ratsiraka 29.22% - Manandafy Rakotonirina 10.21% - Marson Evariste 4.60% - Ruffine Tsiranana 3.51% - Jacques Rabemananjara 2.87% - Nirina Andriamanalina 2.25% - Tovonanahary Rabetsitonta 2.19%.