SIDA an'Image Appli...

Published on 09/10,2008

ny famelabelaran-kevitra nataon-dry zareo Image Appli:

- 2.500.000Fmg ny totalim-bidin'ny fanasitranana...

- mankany amin'ny ivon-toeran-dry zareo any Tana mandritra ny fotoana ny fitsaboana, 2 volana eo no eo no fitsaboana dia tsy ahitana ilay aretina itsony ny tsaboina...

- ny fanafody dia amin'ny endrika TAMBAVY, ka tsy azo entina mivaoka ny toerana fitsaboana sao dia misy mangalatra ny mombamoba azy, ravin-kazo karazany 10 no mitambatra avadika ho vovoka afangaro amin'ny tantely...voasokajy ao @ "plantes médicinales" ilay fanafody...

- efa maro no sitrana gasy sy vazaha...

...Ho an'ireo izay te ho any...


Hevitra

  1. jentilisa

    Ny tsy mazava loatra anie dia hoe toa mbola tsy mety mitsabo ry zareo satria tsy mety eken'ny mpitondra ilay izy sa manao ahoana?

    Toa hoe miveri-maina fotsiny izay te-ho any. Eto aho mahita zavatra hafa!


  2. finoanaranoray

    Famelabelarana nataony omaly tany Antsiranana...natrehan'izay te-hanatrika...nanambara ampahabemaso ry zareo fa mitady olona ho tsaboina...
    ny aram-panjakana dia toa namela ny safidin'ny marary HONO ry zareo? FA TSY MIANTOKA NY "EFFETS INDESIRABLES"...


  3. Tritriva

    Revy be izany fitsaboana 2 volana dia tsy ahitana aretina intsony ...
    Fa raha kosa misy fampijanonana ireny métastases mba tsy hitombo ny aretina dia efa zava-dehibe .


  4. marary

    fa tena marina ve izy ity ry zareo a?


  5. finoanaranoray

    Afaka manandrana izay te hanandrana - raha ny hevitro manokana...
    Ny mpiara-miasa (mpanao fikarohana) @ Profesera dia nolazainy fa "tsiambarantelo"...
    Nazavainy tao ny fomba fiasan'ilay fanafody,ny dingana voalohany dia ny fanapotehana ny asan'ilay virus...mampijanona ny métastases...ny dingana faharoa dia ny fanafoanana tanteraka...dia tonga ny 2 volana...


  6. Ndzémanal

    Raha azoko tsara izany resaka izany dia te-hanao essais cliniques sur des volontaires ry zareo. Io mantsy no mbola tsy ampy tamion' ny études nataon-dry zareo ka nahatonga azy ho tsy mbola azon'ny fanjakana ekena. Test en double aveugle (double-blind test) na test randomisé no kasainy hatao, ka tsy hampahafantarina ny marary hoe iza no tena nihinana fanafody ary iza no tsy nihinana afa-tsy placebo. Ny mpizara fanafody koa torak'izany.
    Ny tests toy izao moa dia fanao ihany rehefa misy fanafody tiana ho ekena ara-panjakana kanefa mbola tsy voa-testé tamin' ny olombelona na dia efa vita essais tamin' ny biby sy ny cultures cellulaires en labo aza.


  7. Rasoa

    Efa reko ity fitsaboana momba ny sida eto Madagasikara ity hoe efficace, saingy noho izy avy @ io tany io, noho izy tsy ananan'ny be sy ny maro, ary noho ny expériences vita betsaka tsy nahomby any ivelany dia tsy eken'ny any ivelany izy io, izany hoe te-hangalatra ny any ivelany vao mahazo io dia very maina ilay nahita. Fa na izany na tsy izany dia raha izaho no eo @ toeran'ny olona voan'io aretina io, dia mandeha mitsabo tena any aho raha misy ny atoraka satria aleo miala nenina hatrany. Mahavit'azy anie ny gasy e !

  8. simp

    Tsy dia i rafanja loatra no mila manaiky fa ny fiaraha-monina ara-tsiantifika iraisam-pirenena angambany...

    Izany hoe etapy tsy maintsy andalovana ilay manao fanandramana. Sao dia lany tanteraka ny baraka manko ra hoe efa any ivelany haka brevet @ iny no manao fanandramana ny ol, tsisy mande @ ze lahoriny :)

    fa dia mirary soa andrizareo eee. Mety hahazo prix nobel kosa ny gasy ra mety tsara kanou
    on croise les doigts :P


  9. Rasoa

    Efa reko ity fitsaboana momba ny sida eto Madagasikara ity hoe efficace, saingy noho izy avy @ io tany io, noho izy tsy ananan'ny be sy ny maro, ary noho ny expériences vita betsaka tsy nahomby any ivelany dia tsy eken'ny any ivelany izy io, eo koa ny hoe te-hangalatra ny any ivelany vao mahazo io dia ataony izay tsy ahatafavoahana. Fa na izany na tsy izany dia raha izaho no eo @ toeran'ny olona voan'io aretina io, dia mandeha mitsabo tena any aho raha misy ny atoraka satria aleo miala nenina hatrany. Mahavit'azy anie ny gasy e !

  10. Rasoa

    Efa reko ity fitsaboana momba ny sida eto Madagasikara ity hoe efficace, saingy noho izy avy @ io tany io, noho izy tsy ananan'ny be sy ny maro, ary noho ny expériences vita betsaka tsy nahomby any ivelany dia tsy eken'ny any ivelany izy io, eo koa ny hoe te-hangalatra ny any ivelany vao mahazo io dia ataony izay tsy ahatafavoahana. Fa na izany na tsy izany dia raha izaho no eo @ toeran'ny olona voan'io aretina io, dia mandeha mitsabo tena any aho raha misy ny atoraka satria aleo miala nenina hatrany. Mahavit'azy anie ny gasy e !

  11. finoanaranoray

    Nanontaniana nandritran'ny famelabelarana hoe: "inona no misy ifandraisany @ "Zaraniaina"? ve ianareo"

    "tsy misy mihitsy", hoy izy


  12. djchri99

    tsy misy fahamarinana izany rehetra izany fa fanadalana saim-bahoka fotsiny , tsy normal raha misy izany nefa tsy sahy aseho izao tontolo izao , exuse fotsiny daholo no asiana resaka tsy misy farany , tsy mino zahay eh !


  13. finoanaranoray

    tao amin'ny efi-trano fivorian'ny CDD no nanaovana ny famelabelarana... ny CDD moa dia sampana fampandrosoana an'i Katolika (mitovy amin'ny SAF FJKM raha Protestanta)...nahazo nanatrika ny olona rehetra...

    mora angalarina hoy izy ny "formule" a'ilay fanafody raha mbola main'izao endriny ankehitriny izao ka izay no tsy anaparitahiny azy...


  14. Gasy

    Azo inoana tanteraka ny @ity fanafody ity ary tena ho zava-dehibe eo amin'ny tantaran'ny fitrandrahana sy ny fitsaboana,ka tena hino aho ary tsy hisalalako ny milaza fa raha ny omc,nation unies sns dia tsy hanaiky ny hivoahan'izy ity satria, sarotra amin'izy ireo ny hanaky zany hoe avy aty @ tiere monde no hivoaka izany raha ireo firenena man-karena sy milaza azy ho mahay aza tsy nahatafavoaka, sady izao koa resaka voninahitra izy ity ka tsy hamela anao @izao fotsiny izy ireo raha tsy hoe misy ngah ny fifanarahana,dia ny hilazana fa izy ireo no nahita ity fanefitra ity dia izay angamba vao azoko lazaina hoe mety hisy ny fana-paritahana ny vaovao ami'izao tontolo izao.Mampalahelo tokoa nefa inn moa no azo atao rehefa considerer ho tany mahantra, resaka politika daholo io zavatra rehetra io.Raha te hendry ireo malagasy nahita io fanefitra io dia hiriana mba hanaja izany hatramin'ny farany, fa tsy ho ela dia hoavy ry zareo vahiny hividy io formule io dia lazainy fa izy no nahita .(logique)


  15. finoanaranoray

    dia mety ho izay tokoa ve no hiafarany...?...ho amidin'i Image appli tokoa ve izy io?...toa efa nanao fivarotana "formule" ohatran'izay Ratsimamanga fony fahavelony...asa na fanafody diabeta izy izay na "madecassol"...?...

    dia tena ho tanteraka ve ilay hoe "ny vola no maha-ranga..."


  16. Anonyme

    Mety hisy fomba ve ahazahona contact @ image appli voie telefonique na Email mba,ahazahoana information bebe koakoa.misaotra


  17. finoanaranoray

    mba jereo ny www institutimage-a72 . com

    ao misy fomba hifandraisana...


  18. harambato

    Lainga be daholo ze voalaza momba lé fanafody fa olona escrot rzareo ao fa image appli ko ngé to oé université privée manao filière medecine nef tsmbola nisy mpianatra nivoaka nefa tao atr@ zao satria tsy ekeny ministère de l'enseignement supérieur akory rzareo nef efa naka vola be t@ mpianatra ary efa hiakatra fitsarana atoato ny raharaha
    reto avy ireo escrot ao Andriamanalina nirina razafindrakoto sy andriamihamina rarison roberta



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article