111 miaraka @ ny Sinoa...

Published on 09/18,2008

111 Distrika anamboarana toerana ho an'ny spaoro...ny sinoa no hanampy amin'ny fanantontosana...tenin'ny minisitra tamin'izy avy namonjy lalao olympika io ary mpifaninana 50 fara fahakeliny no tanjona ho alefa hifaninana amin'ny lalao olympika 2012...

Mafy rehefa te-ho hita...hitan'izao tontolo izao...

i Bresil hono ny mampalaza azy eran-tany dia ny baolina...Maradona sy Tevez dia efa izay matetika no ahafantarana an'i Argentine...Zidane ireharehan'ny Algérie...Eto idedahan'ny Cameroun...Drogba manakona ny ady ao Côte d'ivoire...

111 toerana ho an'ny spaoro...maninona moa raha ny spaoron'olon-tokana na tsy maro no tena karakaraina?

ny Ethiopie ny hazakazaka, ary tsy mety mivadika "nationalité" mihitsy ry zalahy sy ry zavavy...dia nipoitra koa Jamaique...Nadal nampiseho indray an'i espagne...

tompondaka eran-tany  amin'ny tsipi-kanety be - tompondaka eran-tany amin'ny hai ady - tompondaka eran-tany amin'ny ...

iza no mba manana ny lisitry ny gasy efa tompondaka eran-tany?, mba omeo aho ho tanataraiko amin'ny zanako...

 


Hevitra

  1. tebokaefatra

    Tsara aloha ny fananana kianja isaky ny distrika e na dia tsy ho azontsika mihitsy aza ny tompondaka afrikana sy izao tontolo izao e. Satria tsy ny fananana kianja ihany no antoka hahazoana izany fa miankina @ zavatra maro. Baolina kitra aloha no mbola spaoro be mpitia indrindra dia izay no hikarakarana azy.
    Marina koa anefa ny hevitrao fa izay manavanana ka hahazoana anaram-boninahitra erantany no fohizina mafy. Ohatra ny lalao kanety be.
    Tsetsatsetsa tsy aritra: tsy programan'ny Ben'ny tànana Andry TGV ve io raha ny teto Andrenivohitra ?


  2. Rasoa

    Dia efa miala any indray izany ny metisy sinoa kely bdb ! :)


  3. finoanaranoray

    Tsy voatery...raha nanangana ny hotely be etsy Ivato izao ny sinoa...dia toe hoe HONO gadra avy any amin'ny no nataony ankabeazan'ny mpiasa...izany hoe voageja ny fitsipi-pitondrana kokoa ry zareo dia tsy afaka miboriaka any amin'ny fametrahana metisy sinoa kely...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article