MIVAVAKA... MIVAHAVAHA KA...

Published on 11/18,2008

Anisan'ny nanombohako nivavaka tsy nikipy angamba ny fisian'ny Saka tao an-trano...Saka matsilo saina ary mahay mangarom-bilia sy vilany...ny mpianakavy variana mikipy iny no mitsoriaka izy maka ny laoka eo ambony latabatra (sikidiman no anarany), efa any ambany farafara any an'efitra izy rehefa vita ny vavaka...

Dia avy eo indray, lasa tsy miseho mivavaka itsony aho alohan'ny sakafo, fa novitaiko amin'ny fomba tsotra dia tsotra...amin'ny hoe "misaotra Andriamanitr'o!"...matetika any an-tsaiko fotsiny io fa tonga dia lasa amin'ny angady sy ny harona (sotro sy vilia mantsy e!)...dia nanontany ny vadiko "fa dia ahoana loatra re?", hoy izy...

"izaho angaha sain-kanina hoa...ka rehefa misakafo ihany vao miseho aminareo hoe misaotra an'Andriamanitra...Andriamanitra irery no mahita ny ao am-poko (ao amin'ny mangingina), sy maheno izay vavaka ataoko mikasika ity sakafo ity...Raha tan'ty moa ka be sira tsy azo hohanina io laoka io, nefa efa nalefa aloha ny vavaka fisaorana, dia sintomina indray ve ilay vavaka?...Ary jesosy koa hoa niandrandra ny lanitra ka nisaotra alohan'ny sakafo... fa tsy nikipy...ny tsara angamba aleo VOKY tsara isika vao miaraka MISAOTRA an 'Andriamanitra..."

Fa ilay vavaka Toriteny no tena tsy laitra, indrindra raha alohan'ny sakafo...pasohana sy dokafana ery Andriamanitra (manaotra noho ny manompo sampy)...dia avy atoro azy izay tokony ataony (tahakan'ireny tsy TSITOHA ireny Izy)...dia avy eo raha misy olona tiana ho tifirina ankolaka dia tifirina ankolaka ao amin'ilay vavaka...ssssh...

Dia miverina amin'ity Ntaolo be vazivazy ity aho: "mivavaha ho'aho ianao"..."mivahavaha ho'aho ianao"...tsy hay itsony izay tiany ho tenenina...,

Dia averiko eto ilay andalana ao anatin'ny vavaka alohan'ny sakafo, fanao matetika:

"Tahio ny sakafonay...", io no fanoratra azy...fa ny fiteny azy dia mety ho hafa mihitsy raha tsy tononina tsara, raha adika "Firinga io no sakafonay" ...tsy misy miteny "h" izany...mananihany an'Andriamanitra

"dia samy ho tahian'Andriamanitra e"...matetika anefa adino ny miteny ny "h" sy "a" amin'ny "hia"...ka lasa nanontany tena hoe "inona an'andriamanitra a?" ...

Kabary tsy valiana io lehiroa...

 


Hevitra

  1. ikalamako

    tapaka re ny tsinaiko fa iny indray no tsy hitako : antony tsy mampivavaka alohan'ny sakafo ny saka mangala-pihinana. tena alika ile sikidiman k'ty !!!


  2. ni81

    Iny indray no mba tsy hitako ilay hoe ta"h"i o ny sakafonay hihi


  3. finoanaranoray

    gravy hoy aho ilay teny gasy tsy ambara tsara


  4. Rajiosy

    ny an'ny sasany indray hono rehefa misy lafin-kavana prôpestanta izay mpanao vavaka lavareny ireny dia tsy maharitra ny lafiny katôlika noana fa mangarom-bilany !!! fa ity voalazan'ingahy ity no tena lalina : "Fa ilay vavaka Toriteny no tena tsy laitra, indrindra raha alohan'ny sakafo...pasohana sy dokafana ery Andriamanitra (manaotra noho ny manompo sampy)...dia avy atoro azy izay tokony ataony (tahakan'ireny tsy TSITOHA ireny Izy)...dia avy eo raha misy olona tiana ho tifirina ankolaka dia tifirina ankolaka ao amin'ilay vavaka...ssssh...". tsisy hanampiana, tsisy hanalana.

  5. simp

    lol
    mivavaha hoan'ilay saka letsy a :)


  6. Kdaombaramita

    Ataovy teny frantsay ilay vavaka dia vita e ! Fa Atra marina no mahita ny ao ampo nefa misy marina ny mivoaka @ io vava io matetika, koa dia anao ny safidy na hivavaka ianao na tsia e. Rehefa tsy tia an'Atra koa anefa dia aza miahatsaravelonatsihy fa hainy ny ao ampo hoy aho e.


  7. Ikotokely

    Sao dia tokony hampianarina mivavaka ihany koa ary i Sikidiman dia izy mihitsy no asaina mivavaka rehefa hisakafo dia ny mpianakavy indray no miafina "any ambany farafara any an'efitra"???


  8. ikalamako

    mamelà ny helok'i sikidiman r'ireto fa tsy fantany izay ataony a...


  9. Mirana

    Tapaka koa ny tsinaiko nahita an'ity lahatsoratra ity lolll misaotra e!


  10. sakaizakely

    no comment !

    toejavatra mahatonga anarampetaka

    saka(iza)kely tsy mahandry vavaka


  11. Tokinao

    Toran'ny hehy aho marina lolll

    Resaka hanihany : fahiny tokoa mety tsy zatra miompy saka ny apôstôly ka izay no nampikipy azy ireo a hahahaha (vazivazy e :) )


  12. finoanaranoray

    Mampatsiahy anareo aho fa i Sikidiman dia ANGAMBA mpivavaka be "OMEO, OMEO..." raha adika main'ny fitenin-tsaka dia "MIAO, MIAO..."

    nieritreritra aho hoe inona no tohin'izany tenenin'i Sikidiman izany, dia izao no tonga tao an-tsaiko "OMEO ANAY ANIO NY HANINA SAHAZA HO ANAY..."


  13. ikalamako

    Hataka moa izany fa tsy vavaka ny an'i Mose Sikidiman e. Omeo anay anio hozy lery fa manisa telo aho rehefa tsy omenareo @ zay fa mbola ilaozanareo mikimpy mivavaka dia avy dia alaiko ny anjarako...
    Mba asio sarin'i Sikidiman aloha hojerenay e.
    Hoy ingahy Bilakarenjy ary ambadika ary hoe : "Raha sendra ny saka tsy nahita fianarana aloha dia tena mandreraka be fa mahabe raharaha sy manirikiry .
    Fa raha sendra ny saka nianatra loatra indray dia lasa miasa saina be indray"...
    Misy raha latera kah.


  14. Radotiana

    Ankafiziko ny fomba famoahan-kevitry Finoanaranoray e. Milay.


  15. finoanaranoray

    ho fanomezana fahafahampo ny pijery dia indro natsofoko eo ambony ny sarin'i sikidiman...

    tsy miantoka ny laoka mety ho hanagalariny anefa ny tenako mandritra ny fijerenao azy...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article