hamorona metisy afrikana?...

Published on 11/24,2008

Ny tena zava-dehibe dia afrikana no nahazoana “ireo Metisy afrikana” malaza...

Raha tsy nisy Afrika dia ho sahiran’izao Tontolo izao…hitady sy hamorona Afrikana sy metisy afrikana

SATRIA:

  • "Reservista" be ny Afrikana sy ny taranany - tamin'ireny ady lehibe ireny dia afrikana fotsiny no mameno ny ankabeazan'ny tafika vazaha...afrikana no nalefa andevo tany amerika hanampy amin'ny fampiroboroboana tamin'izany...afrikana no mameno ny ekipa amin'ny firenenan'ny fotsy sasany na hazakazaka io na baolina na hira...

  •  "mateza jerena ny vavy afrikana" (PHOTOGENIQUE) ary "mateza roitina ny lehilahy afrikana"-tsy izy rehetra aloha e -manary vady mihitsy ny vazaha lahy (sy vavy) raha sendra ny afrikana mahay azy...asa mba azonao an-tsaina hoe inona no antony...ary amin'ny toerana izay misy ahy ankehitriny - dago avaratra - dia manary lamba mihitsy ny vehivavy -ny ankabeazany - raha vao kaontin'ny vazaha fa mitsaotsaoka raha izahay Afrikana lahy...asa mba azonao an-tsaina hoe inona no antony...)

nefa hatramin’izao aloha dia izy no mbola tsy nahazo “coupe du monde foot” (sokajy normaly) ary mbola tsy mety hatao “pape”…

Dia ny Honohon’ny Afrika:

Ny afrikana hono no tena tsy mpamaky boky feno soratra … fa mpijery sary kosa … mijery FLORA...

nihitatra amin’ny “internet” izany, ka ny tena ilainy ny internet dia fitadiavana vady vazaha, raha vehivavy izy…raha lehilahy kosa izy dia ny “téléchargement gratuit”…tsy dia voalaza mazava hoe inona ilay tena tiany “télécharger”-na…Ny “Maimaipoana” no teny tena tiany … hany ka raha misy “cocktail” dia aza gaga raha manisa 5 dia manjavona daholo ny tsakitsaky eo…

“tonton”…”tantine”…"papa"..."mama" ary "mon FRERE" no hiantsoin’ny afrikana anao rehefa te-hikaoka kely anao izy…ary “sefo” no iantsoin’ny anao rehefa tsy te ho kaofinao izy…(tena eran’ny Afrika io an…)

Hiadivana izy izao ary hatramin’izay, hiadian’ny Sinoa sy Amerikana ary ny Eropeana…Nahatonga ny Amerikana hametraka ny taranak’I Afrika ho mpitondra azy io ady io…mba hahazoana tsena bebe kokoa ao Afrika, hanapotehana ny tsena sinoa…

 Ny mampalahelo ahy dia ohatrany adinon'i Afrika i Madagasikara...

Sa ahoana TONTON 

(Mangamaso ihany no mi tagitagy ahy eo…)


Hevitra

  1. ikalamako

    ah mon frère, tena mahay mikabary ianao ity kah !!!!
    efa mendy be mihitsy aho hijery izay nivoaka kanjo tena tapôlaka be - mdr beuh.
    (Sikidiman ve Afrikana ???)


  2. finoanaranoray

    tapôlaka be ?...

    Sikidman dia mpanao toetran'ny afrikana sasatsany "mpangalam-phinana"


  3. Kdaombaramita

    Ka iza ary no mety manatsara taranaka e : vazaha sa afirkana ? Hainao ny valin'ny fanontaniano izao !!!!! ha ha ha ! jereo ny hafatra napetrako ho anao ao amin'ny mangamaso anie, he he he !


  4. mangamaso

    Fa angaha mbola tsy misy metisy afrikana-malagasy ?
    Na avy aiza na avy aiza ny vady ry namana itony dia ny fo foana no miteny, izay tsy maka vady amin'ny fitia marina dia tsy mandeha lavitra ny mariazy...Sa :-)


  5. finoanaranoray

    izany mihitsy e...

    Ny fitiavana tsy misy valam-parihy izany...

    Anontanio anie Andrianampoinimerina e...anontanio izy hoe hatraiza ny anao ny valamparihin'ny fitiavana?

    dia mety hamaly izy hoe:" ny Ranomaso no valamparihako"


  6. manantena

    afrikana ihany ny metisy afrikana-malagasy...

    fa ilay metisy sinoa gasy matetika no tena sinoa be...fa tsy afrikana itsony...

    fetsy be ny sinoa...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article