ampianarina miteny gasy…quiz…

Published on 12/01,2008

tondroy izay valiny marina (ny dikan’ny asa… eto dia valinteny mitovitovy @ hoe tsy fantatro)MIANATRA MANISA SY MANAO KAJY:

  • ampitomboy 1 io paoma 1 io, dia lasa firy izany ny paoma

                        2  - 1 - asa… 

  • ampio 1 io paoma 1 io,dia lasa firy izany ny paoma… 

               2 - 1 - asa...(fa 1 ampitomboana 1, firy e? ary 1 ampiana 1, firy? mandehana miverina any amin’ny garabola…ampianarina manao kajy)

  • inona moa no vakin’ny “10 000″? 

        folo arivo - iray alina - asa…

  • inona moa no vakin’ny 10 326
    •  
      • enina amby roapolo sy telonjato sy iray alina
      • enina amby roapolo sy telonjato sy folo arivo
      • iray alina sy telonjato sy roapolo enina amby
      • asa…
  • 50 000 moa firy amin’ny gasy (azoko antoka fa cinquante mille no namakianao io)
    •  
      • iray alina
      • dimy alina
      • asa…
MIANATRA MAHAZO RESAKA TENY GASY:
  • “tsy misy olona ve ao an-trano ao?” hoy rangahy tamin’ny ramatoa - “an an an” hoy ramatoa
    •  
      • tsisy olona ao an-trano
      • misy olona ao an-trano
      • asa(mandehana miverina any amin’ny garabola, ampianarina ny dikan’ny “an an an” sy “ie” (oui, non, si)
  • raha “tsara be” = “tena tsara”, inona no dikan’ny “kely be”
    •  
      • tena kely
      • kely lehibe
      • asa…
  • iza no lavitra raha ho any Tamatavy ka miainga any Taolagnaro tsy mandalo any Antsiranana, sa ny manakany Toamasina ka miainga any Fort Dauphin tsy mandalo any Diego?
    •  
      • Tamatavy
      • Toamasina
      • asa…
  • rehefa miteny hoe "tsisy fisaorana" dia inona no tiana tenenina
    •  
      • tsy mba misaotra mihitsy koa nareo nefa…
      • misaotra amin’ny fisaorana e
      • tsy tokony hisaotra ianao…
      • asa…
  • ny tena fanononan’ny gasy ny firariantsoa hoe “tahian’Atra” ve misy “h” sa tsy misy “h”
    •  
      • toa misy…andraso hoe averiko…
      • toa tsisy tokotrany…(inona an’Atra a?)
      •  
  • Nody ve sa mbola nijanona ny “hendry mody voky”? efa voky ve izy? (ilay adala moa manesika ihany)
    •  
      • mbola nijanona izy ary mbola tsy voky
      • lasa nody izy rehefa voky
      • hoy izy hoe voky aho nefa izy mbola noana, sady tsy nody
      • asa…
  • inona no anjara tandrifin’ny “vody sobika” raha ny eritreritry ny ntaolo (vodin tsobika aza manan tandrify, hoy ny ohabolana)
    •  
      • asiana fako
      • ariana (tsy manana anjara itsony)
      • asa…andraso aloha jerena any ambanivohitra…
  • inona no dikan’ny “TSIKALANA” amin’ny teny gasy
    •  
      • tsy manambola
      • hazo kely fanao tohana
      • asa…
  • “ny very tsikalakalam-bola” izany dia midika hoe
    •  
      • very vola kely
      • very vola be
      • asa…
  • « taloha ny tain’omby mivadika aza tsy misy mangalatra », midika hoe: 
      • ny taloha tsy mangalatra
      • ny taloha tsy mangalatra tain’omby
      • ny taloha tsy mangalatra tain’omby tsisy dikany fa ny misy lanjany ihany no angalariny
  • “Tandremo sao Ela nitoratorahana ka mahavoa mason’angatra”, inona no tiany ho lazaina
    •  
      • ny olona mijangajanga no mpitoratoraka, satria resaka angatra, nampianatra MST izy, mba hisorohana ny angatra
      •  nipotsaka ny mason’ilay matoatoa dia tsy nahita itsony izy
      • tezitra be ilay matoatoa dia nanangatra
MIANATRA MANDIKA TENY VAZAHA @ TENY GASY
  • inona no dikan’ny “appel téléphonique”
    •  
      • antso an-tariby (ary raha tsisy tari by fa finday?)
      • antso am-pinday (ary raha misy tariby na fixe)
      • antso antelefona na appel
  • iza no Anaran’i “Jésus pasteur” amin’ny gasy:
    •  
      • jesoa pasitera
      • jesosy pasitôra
      • zezo pasitera
  • aiza no apetraka ny solomaso (eo @ maso) ary ny solo nify (eo amin’ny nify) ary ny solo saina?
    •  
      • eo amin’ny saina
      • eo anoloan’ny maso
      • mifanandrify amin’ny nify.........inona izany no tokony ho dikantenin'ny Ordinatera

 hitako no tsy hitako…

lundi 4 août 2008, 12:51:51 | finoanaranoray.blaogy.org nasiam-panitsiana


Hevitra

  1. news2dago

    Lasa lavitra be izany resaka izany saika tsy arako intsony


  2. finoanaranoray

    LAva dia lava tokoa ...

    rediredy angamba...


  3. DotMG

    Somary rediredy ve ny anao fa valiako amin'ny fomba matotra kosa.

    Ny famakiana ny 10326 dia hoe folo arivo telonjato roapolo enina araka ny fomba fanisàna vaovao tetehin'ny akademiam-pirenena hampiharina. Ny mahazatra antsika kosa dia ilay avy any ankavia : enina amby roapolo sy telonjato sy iray alina.


  4. finoanaranoray

    Izaho manao hoe rediredy, satria tsy misy mivaky loha amin'ireo fomba fiteny mifampidipiditra ireo...na ny mamaky azy aza maha-monamonaina...nefa dia maha fanina ny gasy rehetra andavan'andro...

    Ny fiheveran’ny maro ny famaky araka ny fomba fanisana vaovao dia : "iray alina sy telonjato sy roapolo enina amby"

    Nefa dia nofoanana ny "SY" sy ny “AMBY”...

    Ary ny tena vitsy mpahalala dia tokony tsy misy itsony ny “ALINA”

    Efa tamin’ny 2002 izany no vinavina natolotra…. jereo ato


  5. finoanaranoray

    angamba

    mitory teny any an'efitra ny Akademia...


  6. roots

    >>50 000 moa firy amin’ny gasy (azoko antoka fa cinquante mille no namakianao io)

    Marina !


  7. ndrema

    na iray alina...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article