Jesoa ihany hoa no Zezo...

Published on 12/01,2008

Iza amin'ireo sary be dia be ireo no tena izy e?...indraindray toa Mpihira Rock indraindray toa "années 70"...

Nahasahy nandrovitra ny sary mikasika an'io aho...dia ohatran'ny nampihoron-koditra ny sasany ny nahita ny nanaovako izany...

dia hoy aho hoe tsy misy izy ireo sary ireo...ka izay tonga eo rovitiko...fa ny ahy mbola tsy hitako ny tarehiny, any an-danitra aho mahalala azy...

Raha miainga amin'ny sary dia i Jesoa tsy Zezo... i Zezo somary bogosy kokoa raha sary (ilay sary vongana mihantona any amin'ny hazofijalian'ny fiangonana katolika no nalaiko ohatra)...ary i Jesoa tsy hita hoe aiza izay sariny...(tany amin'ny protestanta aho no nitady fa hazofijaliana-tsisy olona voafantsika -izay fotsiny no ao am-piangonan-dry zareo)...

Ilay endrik'i Jesosy amin'ny hiran'i Tsiliva koa tsy ratsy a...version malagasy...

RAha ataoko hoe Andriamanitra izy dia tsy hanao sarin-javatra voasikotra hanehoana azy aho (sary voasikotra amin'ny pinceau...)

eh hevitro io an...vakio ny lalam-panorenana...tazomy mafy ny hevitrao...

eoa Basy...


Hevitra

  1. Rajiosy

    ka i Jesoa anie sady olombelona no andriamanitra e
    io no tena olana ! satria nanana endrika olombelona izy dia azo alaina sary KANEFA andriamanitra koa izy dia tsy azo atao sary. aporie tanteraka !

    tonga niara-nandrora paraky tamintsika izy


  2. tebokaefatra

    Ka tsy voatery hahita kosa anie vao mino ry Finoanaranoray eeee


  3. finoanaranoray

    NY dikany ilay hoe "tsy misy izy ireo" dia "tsy misy tena sariny ireo"...

    fa izaho tena mino be ka...tena mino be mihitsy...fa ilay sariny no laviko TANTERAKA


  4. simp

    mety hoe afaka miovaova tarehy koa izy ka...
    tsy A/tra tampoka izy raha tsy mahavita an'zany lol


  5. Rajiosy

    ieeeekany tena nisy an'ilay tary mpianatra roa lahy nanao ray-ban dia tsy nahatsikaritra hoe Izy ilay izy fa efa nesorina ilay ray-ban-kira-trondro vao hoe tena Izy tokoa !!! niova tarehy ilery


  6. finoanaranoray

    Tomasy ary fanina ...sambatra izay mino nefa tsy nahita...sambatra be aho...


  7. maintikely

    mitovy hevitra @finoanaranoray
    dommage tsy mbola nisy fakan-tsary t@zany raha tsy izany...Nefa soa ihany fa tsy nisy ny fakan-tsary fa manjary tsy misy ity ady hevitra ity :D


  8. ikalamako

    hoy i simp : "mety hoe afaka miovaova tarehy koa izy ka...
    tsy A/tra tampoka izy raha tsy mahavita an'zany lol"
    marina fa izay no maha-Andriamanitra azy SAINGY mbola tsy nisy nahita ny endriny ka ahoana no hahazoana milaza fa ireo endrika ireo no endrik'Andriamanitra ???


  9. Rajiosy

    ikalamako : i jesosy anie ka andriamanitra isan'ilay anakitelo nefa tokana e
    ny mpiara-maiana t@ i zezo izany nahita ny tarehin'andriamanitra ! izay no anaovako hoe niara-nandrora paraky t@ andriamanitra isika : ny rora-parakiny aza izany masina ?

    tsy tokony hohalalinina be loatra kalongany fa tena mampharary an-doha be



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article