Nandalo tao TANA dia...

Published on 01/11,2009

dia tranoben'Antananarivo, tazana mirongaronga sy mijenitra tsara iry lavitra iry i "5 ETOILES", eny Ivato io izany, ilay tany fotsifotsy eo ambanin'io no toerana misy ny galaxie eny andraharo...teny amin'ny fokontanin'i Ambohimiangara Andohalo aho no nitsangatsangana...ny hazo maintso tazana eo ambany dia ny hazo maintson'ambohijatovo...ny tafon'ny pavillon ireo tafo tanimanga io...

tranoben'antananarivo hoa ka izay vita aloha no manenina, nitodika kely aho dia talanjona toy izao,...nalebiazina kely ny sary ahitana ny trano eo afovoany...building Ramaroson io miloko mavo sy volon-davenona io...midina kely dia misy tafo menamena volontany mena: ny EPP Soarano io...dia mikasaka mianakavanana ny firaisana voalohany sy ny IHS, avy eo ny Lycéé JJ rabearivelo, pharmacie Ratovondriaka taloha...Ilay misy soratra CA no BNI Cl taloha, mikasaka miankavanana ny toerana malalaka misy ny trano fivoahana anaty tany...misy tsangambato ny SIDA eo afovoan'ny eo, pavillons amin'izay...ny fiangonana analakely io mavomavo mijaridina be eo akaikin'ny CA io... nivanaka sy nisanaka, ela aho tsy tety an...

ny sary eto ambany indray, faravohitra no tazana raha nahodiko kely ny lohako...ny antenne-ny radio fahazavana io manangasanga io, ary ny trano fonenan'i Filoha no eo ambaniny...ny sisan'izay tsy azoko hono...ny ala, alan'ambohijatovo...

dia nihodina miankavanana ihany...maintso tazanin-davitra...sary eto ambany izany, ao aorian'io hazo eo afovoany io ny nitifiran'i sasany an'i filoha Ratsimandrava...ary Panorama angamba iry efajoro fotsifotsy ery lavitra ery...ny sisan'izay tsy haiko aloha fa izaho vahiny...

 

dia lasa nitsangatsangana teny antampony hafa indray

ho atsofoko tsimoramora eto ihany ny sary...fa ela fahatongavana ny rian'ny aterin'eto-ko


Hevitra

  1. simp

    mafinaritra kosa ny hazo maintso an
    green green :P


  2. Kdaombaramita

    Hay ve toi tany no tsy nahenoana firy vaovao e ? Nahafinaritra ny fety ? Mirary soa e !


  3. finoanaranoray

    ie nahafinaritra na dia nandreraka kely aza, nifampitohitohy be mantsy ny krismasy sy taom-baovao sy fanambadian'ny zandry vavy ka dia reraka nanao fety...


  4. Kdaombaramita

    Asio kely comment ry toi ilay izy fa tena vaky ny lohako ato mitady hoe aiza moa io izao fa efa ela no tsy nanao tazan-davitra an'Antananrivo a !


  5. finoanaranoray

    ao fa asiako e...


  6. Rajiosy

    nitazatazana ny tranon'i prezidà izany an


  7. nandale

    fa nareo aiza no mipetraka no hoe nandalo tao tana?
    Tsara aloha lay sary. Ary tena favy be ny appareil-nareo a!

    reny tsy lafo be


  8. finoanaranoray

    Tsy mipetraka ao Tana ka fa nipetraka tao taloha ary mbola hipetraka ao...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article