Resaka alika: mahafatifaty ve ny alika?

Published on 01/26,2010

Leo resaka politika aho dia manao resak’alika…

Ny alika hono mivovo rehefa matahotra…na mitomany valala…

ary ny alika jamban’ny taolana… 

Amin’ny alina iny rehefa misy olona hafa misaodisaody, dia izy no lakolosy maneno voalohany…na dia tsy hanao ratsy aza ilay olona dia mivovo foana ny alika… 

Asa aloha hoe raha omen’ilay olona misaodisaody taolana na hena kely ilay alika, dia mety hangina ve ka hipirina tsy hivovo… fa na dia izany aza raha toa ka misy poizina iny hena kely omena azy iny dia tsy fantany ary tsy ho azon’ny an-tsaina fa hoe misy poizina…fa “kay kay kay” sisa noa ho lazainy eo am-pialana aina… 

Ny alika rehefa miady dia miady taolana izy izay…na miady alika vavy…(?)…ary ny alika be toy ny Berger allemand tsy ho resin’i chien de salon mihitsy… 

Fa ny mahagaga ahy amin’ireto alika ireto dia ry zareo miara-mirona … manara-bavy…ary dia tia mamofopofona izay tsy izy amin’iny fotoana iny…izay matanjaka ihany eo no mahavoa… ary rehefa mahavoa dia miraikitra…ohatran’ny miteny hoe “tsy hiala aho hoa”… 

Mifori-drambo…dia alika ihany io e…tsy misy azo atao itsony izy izay dia arovany mafy ny fitombenany, tena tsy azoko mihitsy hoe fa maninona?... 

Fa ny tena maharikoriko dia ny alika mihinanana ny loany…sy mihinana ny malotony…asa na voajanahary izany na dia ny sainy mihitsy no efa voa…mety hoe tsy mahita hohanina…fa dia efa naloa izao ve dia mbola hohanina indray…fa dia efa maloto izao ve dia hotsakoana indray…(ny dikan’ny maloto eto dia ilay ariana iny rehefa te-hivaoka)… 

Ary mba andramo alaina anie ny zavatra eny am-bavan’alika na eny an-tanany fa dia hahita ianao…hahita kaikitr'alika…

Ary ny alika romotra tsy maintsy vonoana fa manahirana...manjary mampitsindrona isan'andro mandritra ny 1 volana...

Aza mba ataon’ny olona hoe alikalahy ihany hoa…na hoe manao fisainana alika… 

Rarana mafy ny mandika vilana…

26/01/09


Hevitra

  1. Kdaombaramita

    Nanao filière ALIKOLOGIE i toi izany ;)


  2. Kdaombaramita

    Nanao filière ALIKOLOGIE i toi izany ;)


  3. finoanaranoray

    Ny fandinihako politika be laotra no nahitako an'io....dia nanapahako hevitra fa izaho tsy haka tahaka alika

  4. iNaivo

    Thèse de Doctorat de troisième cycle: ALIKOLOGIE appliquée à la politique.
    hihihi...


  5. Tokinao

    Misaotra indrindra ry finoanaranoray a!

    Tohizo hatrany ry finoanaranoray ny "fanadihadintsika" a :). Na ALIKOLOGIE io na SAUVAGEOLOGIE : tianay foana rehefa mampihomehy sy mba manentana anay tsy ho toy ny alika na koa biby "sauvage" hafa :).


  6. Faniary

    fa zay manao resaka alika anie de ifindran'ny alikany e.


  7. Mbola ho ela, mbola ho ela

    Vorivorin'ALIKA hono ka tsy misy afa-tsy horokoro-body!


  8. Nannie

    ... fa izaho tia alika an ! Aza manalika fotsiny fa izaho tsy alika ! lol



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article