Hitolona foana aho...

Published on 10/12,2009

Na inona inona hitranga dia hitolona foana aho...

Mety tsy dia mitovy amin'ny valala be mandry angamba ny fomba fitolomako...na koa tena samy hafa tanteraka amin'ny fitoloman'ny valala tsy mandady harona sy ny sarambabembahoaka...izay mety hanaiky ho tangosana ohatran'ny valala voatango...asa mba hitsinjovany ny ho avin'ny taranany ve?...

na mety tsy hifanaraka amin'ny ady sy tolon'ny vato nasondrotry ny tany sy ny hazo avo halan-drivotra...na mety hifanipaka tanteraka amin'ny vinavinan'ny lehilahy nosoran-dreniny menaka izay mety hitady voninahitra sy seza (sanatriavina?)...

Mety tsy ho hitanao eny an-Kianja mihitsy aho...ka hitabataba hanoso-potaka olona...na hanara-drenirano toy ny very ketsa...na hiozongozon-doha hiteny hoe ny mitabe tsy lanin'ny mamba ary ny akanga maro tsy vakin'amboa, nefa dia ho lanin'ny mamba sy ho vakin'amboa ihany...ka mety hitondra mody ra mandriaka...

ary mety tsy hiakatra ny lapa mihitsy...hanindrahindra ny fahaiza-mandihin'ny zana-drazana...na hisolelaka faladia mihosom-potaka...

Fa Hitolona am-bavaka...izay ny ahy  ny tolona...

Manasa anao aho hiaraka hitolona amiko, ny toerana dia eny rehetra eny...ny fotoana dia isan'andro isan'ora...Tsy tolona mandreraka akory izy ity fa FINOANA sy FAHATOKIANA...Fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra...ary fahatokiana fa voavela heloka sy manana ny fiainana mandrakizay...

09/02/09


Hevitra

  1. Ni

    Hevitra tena mety tokoa ary ilaina @ zao vanim-potoana iainan-tsika izao.


  2. Lita

    Misaotra finoana ranoray a


  3. news2dago

    Ny Andrimanaitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany! mahereza fa tena manjaka ny devoly mamitaka etsy sy eroa


  4. DontoMG

    Diso ve aho raha mba hanao tolona hafa noho ny an'ny mpitolona, ary mbola hafa noho ny an'i finoanaranoray?

    Ny ahy izao dia ny hitolona amin'ilay vady malalako no tena hoezahiko hatao, isan'andro vaky izao. Iny mba tolona iray tonga amin'ny tenin'ny Filoham-pirenena hoe "tsy misy resy sy maharesy eto". Sady mba mifandray ratsam-batana hatrany ny mpifaninana.


  5. finoanaranoray

    Dontomg >> samy mitolona ny azy angamba amin'iny fa tsy misy fiaraha-mientana...

    Dia hampiako hoe HITOLOTOLONA amin'ny zanako...hisangisangy sy hiara-milalao...


  6. Kdaombaramita

    Mety ny anao ry Mose Finrnr ! Efa begska no ao e, koasamia mandray ny anjara birikiny. Tsy nampoiziko indray ho tao ianao, vaovao lehibe mahafaly.

    Dogm < tolona angaha moa no iantsoana izany tianao atao izany ? fa tsy fitiavana ?


  7. Kdaombaramita

    Azafady fa diso aho : DontoMg kay fa tsy Dogm ilay niteny tetsy ambony. Ho azy io hafatro io izany.


  8. ikalamako

    lasa ny saiko fa ny finoako moa tsy ranoiray izay. Nisy nitaraina tary andrefan-trano tary hoe tsy maheno angaha Andriamanitra no tsy mamaly vavaka. Dia hozy aho sy ny finoako kely anakampoko hoe sao dia sahirana ary Izy satria samy mahay mivavaka daholo na ny andaniny na ny ankilany dia tsy hainy hoe ny an'iza no tanterahana dia hozy ny farany hoe ao aloha nareo mifamonoa ho faty ao kah ! :-))))
    Dia mbola vazivazy koa no nitondrako izay hevitro izay fa aza raisina serieux an ! (mangataka fifonana sahady raha misy olona tohina fa mba taolana ny nify dia atsiky na mafy aza ny manjo).


  9. simp

    lol
    ary toa raozy letia ny avatar-an'la? :)


  10. finoanaranoray

    tsy hita simp fa miraoziraozy sisa a...:)


  11. ikalamako

    ndao mba hiara-hiraozy ry finoanaranoray fa zany zao no tena ilaina :-P
    Ry simp koa dia ny zavatra tsy hitan'ny olona foana no hitany. Fa nankaiza le sarin'ilay bandy bôgôsy teo tokoa re ?! (sa moa tsy an'i finoanaranoray iny ? lololl)


  12. ralita

    iza no ho tolominao eo ?


  13. mangamaso

    Ireo voninkazo anie ka miteny e!
    Le dire avec des fleurs.


  14. finoanaranoray

    ahoana hoy ny voninkazo?...somary marenindrenina ihany mantsy aho...


  15. Kdaombaramita

    Any amiko feno e ! samia maka ao rehefa tsy misy mikaozy !


  16. Kdaombaramita

    Any amiko feno e ! samia maka ao rehefa tsy misy mikaozy !


  17. Tokinao

    tena hiara-hitolona aminao aho ry finoana fa dia herezo izany diantsika!

    na ny lahatsoratra hosoratana ao @ blaogiko aza tsy hitako intsony fa dia aleo hitolona am-bavaka.


  18. ikalamako

    hihihi, hay am-bavaka ! saika taitra marina ry tokinao :-P
    saika ho inviter-ko ianao hanao vakansy kely aty raha sanatria, fa koditra aho hoe hiara-hitolona @ finoanaranoray ianao - mdr


  19. Kdaombaramita

    Fa ianao nireska ny hoe famadihana tary aloha tary. Sao dia hivavaka amin'ny razana no ... ?


  20. finoanaranoray

    Ra tokinao ve izany?


  21. mangamaso

    Hitako tany ho any, angamba "raozy" no miteny!
    *
    Aoka isika hifankatia,
    Fa tsy hatao fitaovana politika.


  22. finoanaranoray

    Tena marina izany ...


  23. Tokinao

    >>>>kdaomba : zah ve sa i finoana no niresak famadihana :).

    Ny hevitro momba ny famadihana dia izao (ataoko fa tsy ho tezitra i finoanaranoray fa hanao ôrsizé za sy kdaomba):
    - ny fivavahana @ maty no tsy mety, ary koa ny mampisara-bazana ny velona (ny adiady). Izay mifanohitra @ baiboly koa dia tsy tokony hatao
    - fa raha mamadika aho nefa tsy manao ireo rehetra voalazako ireo, dia tsy fahotana amiko.

    Ohatra : ny famerenana ny faty iray ho ao ampasan-drazana. Ngah moa voatery hanompo sampy amin'izany, ngah moa voatery hivavaka amin'ny razana??

    Ohatra iray [ataoko mivantambantana a:)]: raha sanatria ka maty ianao, na izaho aty an-tanin'olona aty. Tsy manambola anefa ny olona hitondrana antsika ho any Madagasikara, noho izany dia alevina aty.

    Any aoriana any anefa, dia maniry ny ankizy mba hamoriana ny razana rehetra ho ao anatin'ny fasana iray, ary kasaina halefa any Mkara koa tsika hihihi. Dia manompo sampy ve 'zany izy? Manaraka izany : ho vory eo daholo ny zanaka rehetra. Koa tsy rariny ve raha mba asiana fetifety satria faly mifanatri-tava ny mpianakavy?

    Raha fintinina dia tsy voatery ho fanompoana sampy foana ny famadihana. Ndao mba hatsaraina ilay fomba e :).

    Fomba fijeriko io fa azonareo disoina!
    Ary raha nitantara amin'ny antsipiriany ny fanaovana famadihana aho dia satria nanontaniny "daholo" ireo fomba rehetra sy antsipiriany mety hatao amin'ny famadihana. (na ny mety amin'ny saiko, na ny tsy mety amin'ny saiko).

    Vazivazy farany : njy koa ngah mazoto hitolona hiaraka aminay :P. Ao fa ho avy e! :)


  24. Kdaombaramita

    Finonaranoray < jereo fa misy sujet-nao any aloha any manontany hoe ahoana no atao raha hamadika ? Tokinao < hafa ny resakao amin'ny famadihana, fampodiana razana ireo voalazanao ireo, tsy misy olana mihitsy. Fa ny tsy ankasitrahako dia ilay manontany mpanandro, mandeha mandihindihy miaraka amin'ny faty sy miteny hoe mitahy izy ireo, miresaka aminy ny veille hoe miomàna ianareo fa ho avy izahay rahampitso, ny ny fomba jereo antsipiriny fa toi koa mody mitapi-maso mitapi-maso. Akoatra ireo afak miteny koa ny olona hoe hivavaka amin'ny razana, ny reska misy doany, ... betsaka ! Fa nahoana no tsy mivavaka amin'ilay nahary izao tontolo izao ? Izy no ambony indd, izy no maka, iziy no manome, ... Veloma ianareo rehefa lasa razana fa tsy hitahy ahy mandrakizay akory e ! RAha izay no tolonareo dia mahereza fa dia hitotongana ny fiainanareo.

  25. Kdaombaramita

    Finonaranoray < jereo fa misy sujet-nao any aloha any manontany hoe ahoana no atao raha hamadika ? Tokinao < hafa ny resakao amin'ny famadihana, fampodiana razana ireo voalazanao ireo, tsy misy olana mihitsy. Fa ny tsy ankasitrahako dia ilay manontany mpanandro, mandeha mandihindihy miaraka amin'ny faty sy miteny hoe mitahy izy ireo, miresaka aminy ny veille hoe miomàna ianareo fa ho avy izahay rahampitso, ny ny fomba jereo antsipiriny fa toi koa mody mitapi-maso mitapi-maso. Akoatra ireo afak miteny koa ny olona hoe hivavaka amin'ny razana, ny reska misy doany, ... betsaka ! Fa nahoana no tsy mivavaka amin'ilay nahary izao tontolo izao ? Izy no ambony indd, izy no maka, iziy no manome, ... Veloma ianareo rehefa lasa razana fa tsy hitahy ahy mandrakizay akory e ! RAha izay no tolonareo dia mahereza fa dia hitotongana ny fiainanareo.

  26. finoanaranoray

    Sao dia i dadafara no niresaka an'izany http://dadafara.blaogy.com/post/279/1682

  27. finoanaranoray

    kdaomb sy tokinao : Tsy maninona ka tohizo raha mety sa hanokafana sehatra vaovao...?


  28. Tokinao

    Ampio aho re razana fa toa ho sarotra be ilay miady hevitra amin'i kdaomba :P hihihi

    Aleo tokoa àry aho hivavaka amin'ny razana raha izay ny fandraisanao izany resao tany ho any izany e! Dia aleo koa hitotongana 'zany ny fianako :).

    Toa karazan'ny olona fanatika ara-pinoana mantsy ianao ka sarotra be :). Diso daholo aminao izay tsy mitovy amin'ny anao, ary ianao ihany no manana ny finoana marina :). Sa tsy izany?


  29. Kdaombaramita

    Miteny aho hoe 'tsy ankasitrahako', ary miresaka an'Atra nahary izao tontolo izao ! IZay mino an'Atra nahary izao tontolo izao no manana ny fahamarinana, ahoana hoy ny ao anaty baiboly izay andehanana any ampiangonana isan'andro : 'izaho no làlana, fiainana, fahamarinana, tsy misy afaka mankany amin'ny raiko raha tsy amin'ny alalako', baiboly kristiaina no misy io. Nefa ianao toa miteny ihany koa anefa any ambadika fa 'mivavaha re hoy ny ananty baibobly, rien n'est impossible à Dieu', izay nalaina tao anaty baiboly koa ! K'asa izay fandraisanao izay lazaiko fa dinoho tsara ! Fanatika a ? Miezaka ny mandala ny ao anaty baiboly fontsiny aho izay, izay arahinao araka ny teninao.

  30. Kdaombaramita

    Miteny aho hoe 'tsy ankasitrahako', ary miresaka an'Atra nahary izao tontolo izao ! IZay mino an'Atra nahary izao tontolo izao no manana ny fahamarinana, ahoana hoy ny ao anaty baiboly izay andehanana any ampiangonana isan'andro : 'izaho no làlana, fiainana, fahamarinana, tsy misy afaka mankany amin'ny raiko raha tsy amin'ny alalako', baiboly kristiaina no misy io. Nefa ianao toa miteny ihany koa anefa any ambadika fa 'mivavaha re hoy ny ananty baibobly, rien n'est impossible à Dieu', izay nalaina tao anaty baiboly koa ! K'asa izay fandraisanao izay lazaiko fa dinoho tsara ! Fanatika a ? Miezaka ny mandala ny ao anaty baiboly fontsiny aho izay, izay arahinao araka ny teninao.

  31. Tokinao

    Ao fa handinin-tena tokoa raToky satria manafangaro ny fivavahana @ razana sy baiboly 'zany e! fa i Kdaomba dia tsy mila mandini-tena tsony satria efa tena lafatra :). Ra azoko tsara dia izay ilay tianao tenenina :).

    Misaotra àry e!


  32. Tokinao

    Hoy Kdaomba :
    --------------------
    Fa ny tsy ankasitrahako dia ilay manontany mpanandro, mandeha mandihindihy miaraka amin'ny faty sy miteny hoe mitahy izy ireo, miresaka aminy ny veille hoe miomàna ianareo fa ho avy izahay rahampitso, ny ny fomba jereo antsipiriny fa toi koa mody mitapi-maso mitapi-maso. Akoatra ireo afak miteny koa ny olona hoe hivavaka amin'ny razana, ny reska misy doany, ... betsaka ! Fa nahoana no tsy mivavaka amin'ilay nahary izao tontolo izao ? Izy no ambony indd, izy no maka, iziy no manome, (...) RAha izay no tolonareo dia mahereza fa dia hitotongana ny fiainanareo.
    ------------------
    >>>>Kdaomba : hitanao ho nanao an'ireo angah aho? Marina fa natombokao t@ hoe "tsy ankasitrahako" ilay izy. Fa na dia izany aza dia toa natao mba hitsarana na koa hanendrikendrehana ahy ankolaka ny fandraisako azy.

    Raha izaho manokana aloha dia heveriko fa tsy anjarako ny hitsaratsara olona amin'ny hoe "hitotongana na tsia ny fiaina'itsy olona itsy, na koa iry e! :).

    Asa raha mba tantinao koa raha miteny koa aho hoe :
    "ô ry kdaomba! tsy ankasitrahako ny resaka fampirafesam-bady efa ho folo, halatralatra, sy fitenenan-dratsy, sns nefa mba mankany am-piangonana isan'andro io, ka mba mandiniha tena fa ny afo be no hiandry anao. Ny baiboly dia milaza an'izao sy izao."

    Avelako ho anao ny faran-teny eto :), fa ny hany hafatro angah dia ny hoe : "ekeko fa tsara ny "droiture" toy ny toetranao, ary tsara ilay manambara izay rehetra tonga ao an-tsaina. Fa hoy kosa aho hoe : tsara kokoa ny mieritreritra aloha vao miteny :) mba tsy hitenitenenam-poana :P".

    Misaotra an'i finoanaranoray indrindra :).


  33. Kdaombaramita

    Pourquoi tu as pris pour toi tout ce que j'ai écrit, nefa dia namaly ny fanontanian'ny itompon'ny lahatsoratra aho ? tsy haiko aloha izay mahazo anao any fa dia raha voatifitra ianao dia tena tao izany ianao e :)) tsy izaho irery no tsara mieritrritra vao miteny fa isika rehetra. tsy izaho irery no eto fa isika rehetra, ary an'ny tompon'ny blaogy no nametrahako ny fanontaniana fa ianao nitsaingotsaingoka koa dia tatazo fa namaly anao ho azy ny resako izany, hi hi hi !


  34. finoanaranoray

    Mbola tsy tsaroako niresaka famadihan-drazana aho...fa mety mifangaro amin'ny olon-kafa angamba...mieritreritra ny hilaza ny hevitra eritreretiko ho marina aho amin'ny lahatsoratra manokana hafa manaraka...


  35. famadihana

    http://alaina.blaogy.com/post/923/5415#comments


  36. Kdaombaramita

    TOKINAO : "Asa raha mba tantinao koa raha miteny koa aho hoe :
    "ô ry kdaomba! tsy ankasitrahako ny resaka fampirafesam-bady efa ho folo, halatralatra, sy fitenenan-dratsy, sns nefa mba mankany am-piangonana isan'andro io, ka mba mandiniha tena fa ny afo be no hiandry anao. Ny baiboly dia milaza an'izao sy izao." ----> Tena izay mihitsy ilay izy, ary tena ao amin'ny patsako mihitsy ny voalazanao satria izay no vosoratra ao anaty baiboly !

    "Raha izaho manokana aloha dia heveriko fa tsy anjarako ny hitsaratsara olona amin'ny hoe "hitotongana na tsia ny fiaina'itsy olona itsy, na koa iry e! :)." ------> zavamisy izany ry toi fa tsy fitsarana olona, nozonin'Atra avokoa ny olona mahafantatra azy (fa tsy ny olona tsy évangélisées akory, iny hafa indray) nefa mbola manompo zavatra hafa, io ilay hoe malédiction jusqu'au mille générations ! Tsy mamorona aho akory. Mandehana anie ianao miresaka amin'ny pasteur chrétien iray dia resaho famadihana e, dia ho itanao eo.

    Izay ny amin'iny fa niverenako novakiana ilay valiny napetrakao tetsy farany dia valiako tsirairay. Tsy mitifitra anao izay inoako fa kristianina aho akory, sady efa nolazaiko tsara ianao raha nandinika ny voalazako hoe " hafa ny resakao amin'ny famadihana, fampodiana razana ireo voalazanao ireo, tsy misy olana mihitsy." samy hafa ireo hoy aho, izay no nahatonga ahy niteny hoe diniho tsara ny voalazako, ny famadihana miaraka amin'ny fombafomba fa ny fampodiana razana fontsiny dia tsy misy olana fa na ao anaty baiboly ary miteny ny fampodiana razana. MAzava aminao ve ? MIakatra foana amin'ny napany ise izany :))! Raha tsy hoe efa nisy tsy tantinao h@ ela ny resako fa goutte d'eau qui a fait déborder ..... ity mahasahirana anao ity.

    FInoanaranoray < ie tena io ilay sujet kay fa tsy tato aminao knou, azafady indd fa diso adiresy aho.



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article