ilay Sabotsy (tsy 07 febroary 2009) sy Ramose

Published on 02/28,2010

Velona ny lakolosy, Manomboka ny lakilasy - Pejy voalohany ao amin'i "Lala sy Noro"...Rafitra namoaka boky Ireo mpianatra isan-dabilio - Endrey ny fibadabadany Mianatra ny abidy

Fa i Lesabotsy irery kosa - No toa osaosa, Raha namoaka ity boky efa tonta, Nolovainy Tamin'ny zokiny lehibe indrindra
Aoka izany e Raha ny henatra, Nanongo tena - Ka nanitrika tsimoramora Ilay boky : Soa fa tsy nisy nahita

Nanomboka tamin'izay Dia
tsy tafatombina mihitsy - Nierikerika tetsy teroa ô
Nanao fampitahana Tsikariny tamin'izay
Ireo namany vokolokolo - Tsaratsara sy ampy fitaovana Ka lasa tian-dRamose

Vaka dia vaka teo ny sainy, Fa i Ramose Izay nataony ho sakaiza tsara "Nanadino" : tsy nahalala ny anarany akory ---
Kivikivy Lesabotsy fa toy ny very...Hany hery dia nifindra lasy, Ka namonjy ny faran'ny dabilio

Re siosio tato aoriana: Ilesabotsy kely Dia malaza mpanao tsidi-pahitra ny sekoly
Tsy nahatamana hono mantsy Ka naleony nivangabao Nilalao sy mirenireny ô
Afaka madiodio

Ry ray aman-dreny ô
Na tsy hihinana aza ianareo - Na hiakanjo voron-kitsay sy ny sisa - Aza atao tsirambina re ny kilonga
Sanatria tsy haitraitra na savi-tsaranga - Fa ny zaza dia zaza eny ihany
Mandefera raha te-hanana ny tsara

Ifanihy

21/02/2009 no nadika tato - mitombona foana


Hevitra

  1. ikalamako

    ôiô ndeha hianatra izahay
    Ny andronay tanora
    No andro mahamora
    Ny fianaranay
    Ndeha hianatra izahay
    ôiô ndeha hianatra izahay


  2. Tokinao

    llllllllllloooooooooooooollllllllllll
    tena mbola tsy diso fanantenana ohatra izao aho hatr@'izay namakiako ny blaogin'i finoana :))). hay tena tsisy resaka pôlitika ilay lahatsoratra :).

    Rah zah finoanaranoray dia nasiako toy izao mihitsy tery ambony :
    --------
    "tantara nindramiko izy ity, ary tsy tompon'andraikitra amin'ny mety fifandrifian-javatra amin'ny zavara tena misy eto amin'ny firenena ny tenako :)"
    --------

    llloooolll
    Amin'izao manko mba diso fanantenana kokoa hatrany izahay hihihihi

    Misaotra e!

    Tena mbola tsy nikakakaka toy ny teo koa aloha aho e :).

    Misaotra finoanaranoray a :).

    Fa entre temps, aiza ihany aza ny mpanangom-baovaontsika e (veto sy torapo hihihi).

    [finoanaranoray a! mba vonoy ange azafady io hafatro etsy ambony io azafady e :). lasa any tsy tokony ho toerany ny mail-ko hihihihi. diso toran'ny hehy loatra angamba :)].


  3. agoago

    ao antsaiko tsara io hira averinao io satria lay zazalahy nanao lesabotsy iny fantatro ny reniny dia tadidiko lay hira.


  4. finoanaranoray

    hay ve fantatrao tsara ny reniny e? nanao ahoana le sabotsy any? ...

    Ho an'izay tsy mahalala dia "Hira" malaza izy io... Ifanihy no mpihira..."le sabotsy" no lohateny (raha tsy diso aho)

    tsy haiko raha misy horonan-tsarin'io aty amin'ny tranokala...


  5. ndrema

    Iza ary izao no Lesabotsy? ary iza i Ramose? dia iza ny ray aman-dreny?

    amin'izao fotoan izao


  6. Tokinao

    >>>>ndrema : hihihi.
    Ny antoko lehibe misy izao dia : ra8, andry, ary ny vahoaka :) (raha tsy diso aho).

    Ka mba nieritreritra ihany aho amin'ny mety hifanindrifiany fa toa eeeee. tsisy :).

    Aleo tokoa mba misintaka resaka pôlitika mihitsy aloha e :). Ny mihirahira sy mivazovazo tokoa 'zao no mety :).
    Ho an'izay manana "tosaka ambony" dia afaka mankafy ny klipin'Ilesabotsyato


  7. mangamaso

    Tokinao,
    Misaotra amin'ilay klipin'Ilesabotsy, mdrr :-).


  8. kdaombaramita

    Ny ahy kosa "si j'étais président ...."


  9. finoanaranoray

    Milay e...


  10. mangamaso

    Kdaomb, J'aime bien aussi, :-).

  11. mangamaso

    Kdaomb, J'aime bien aussi, :-).

  12. Tokinao

    mangamaso : i dailimotion no isaory :).


  13. Kdaombaramita

    MAngamaso, mandehana jereo anie fa tena nihomehy aho nahita ny tonony e !


  14. finoanaranoray

    fa tena ao ilay izy ry Kdaomb a



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article