Gravy ny hira...

Published on 03/24,2009

Misy marina ve izany hoe "message subliminal"? fa dia tena misy hira ohatran'ny mandrisika hanaraka firehana tsy eken'ny saina...mahagaga fa lasa miverimberina ao an-tsaina tsy mety miala mandritra ny andro ilay hira...

 

Tandremo : Tena "mivantana" manasa ati-doha mihitsy ny Hira maka endrika politika, na sendra maheno tsy nahy sy tsy fidiny aza, … lasa te hihaino bebe kokoa ho azy izany. Fanapahan-kevitra hentitra mihitsy no notapahana hoe "hira tsy alehany izany", "hira tsy mitondra fahasoavana eo amin'ny fianako!".

 

Miala tsiny aminareo mpanakanto mpihirahira fanentanana hitolona aho fa dia VONOIKO tsy hoe ho tifiriko ny Basy akory fa vonoiko ao an-tsaina…ny hira toy izany.

Raha mihaino ny hiram-pitoloman’I Sareraka izao dia lasa Mpanohitra ho azy teo, dia miverimberina ao an-tsaina foana iny hira iny, … ary raha sendra tafahira “ka sahia” dia toa lasa sahisahy hafahafa teo…indrindra moa raha ilay hira hoe “ao anaty boky mena…” dia lasa te-ho eny Ambohijatovo hitady boky Mena, Ambohijatovo tsy Kianjan’I demokrasia io fa Ambohijatovo mpivaro-boky tonta…

Ao indray ireo Hira malaheloelo : hira mivetso fisarahana ohatra...lasa te-hisaraka ho azy teo rehefa mihaino elaela, fa angaha tsy loza...dia mamorona ady mangatsiaka amin'ny andefimandry, te ahita azy mandeha miala...dia avy eo te hiantso azy indray - nefa anie dia tsara ery ny mihaino ilay hira e, ao tsara daholo ny hakantony…

Ary koa tadidy ilay fihetsikin’ny Ray aman-dreninay tamin’izany…Samoela nanao hira mivatambatana, fa dia tsy tian’ny Ray aman-dreny mihitsy fa tonga dia hoe “vonoy any izany”fa manimba saina…nefa rehefa hira vazaha, toy ny “Faisons l’amour avant de nous dire adieu…” mandeha tsara tsy misy blabla…eise e…mahery ilay "message subliminal"

Fa hanao veloma ny sehatra hono I Henri Ratsimbazafy, ka mba ho fahatsiarovako azy, dia mba mametraka ireto fanontaniana ireto amin’ny tenako aho sy aminy:

Inona kay ilay lamba mikopakopaka? Ilay tsara sy ma te-ho tia? Ilay toa miantso hoe avia ? : … ve?

Ary dia misaotra fa dia tena ny ankabeazan’ny fiainako no nohirainao : fitiavan’ankizy, fiara-dalamby, trano falafa, Mahafatifaty, Andriamanitra fitiavana, indro tazako ianao re ry tiana, Fony aho, vola, ny lehilahy, ianao (hizarako ny hasambarako)…Anao no nidramiko

Mipoa-tsarok’e…

Efa ela aho no nivoady - fa hijanona tsy hanambady
'Zaho tsy ho voarebireby - hitebiteby ;

Koa ataoko sanatria - izay ho tia ka tena tia
ary hanao ny hadalana - dia ho voatana,

Kanjo asa foana teo,niseranan-dry zareo,
niova hevitra avy hatrany - babony aho no niafarany,
tsy nahateny fa nalemy !

Ny masony, toa mangarika
'nefa koa malefadefaka fijery
MAHAFATIFATY
ka manintona sy misarika
toa ny misy herimbaratra mahery
MAHAFATIFATY
Tena kanto izany volony
Miondraondra, misarako ao an-damosiny
MAHAFATIFATY
Raha mitsiky izany molony
toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny
MAHAFATIFATY.

Ireo sakaizako fahiny - avy dia manome tsiny,
lazainy aho fa tsy matotra ka dia voafatotra.

Ry zareo manao izay tiany - tsisy ora ny fodiany
izay tiany aleha rehetra - dia tsy voafetra !

Ity anefa no mba lalina : rehefa mody izy amin'ny alina
efa nanao kibo an-tsena, tonga tsy misy mpitsena
fa manirery toa ny very

Ny ahy kosa, vao amin'ny enina,
indro tazako izy ery am-bavahady
MAHAFATIFATY
dia tsaroako, tsisy nenina
mahafinaritra ery ny manambady
MAHAFATIFATY
Indro izy misomebika
an-dakozia mikarakara ny sakafo
MAHAFATIFATY
Amizay aho dia rebika
tsy maharitra fa dia manafosafo
MAHAFATIFATY

Nefa kosa, na izany aza,
ny lafiratsiny mba misy kely ihany
TSY MAHAFATIFATY
Rehefa izy no mivazavaza,
menomenona tsy misy fiafarany
mila tsy ho tanty
rehefa misy adi-hevitra
mirintondrintona amin-java-tsisy fotony
tena mahasoso-(tra ahy)
nefa izaho tsy mety tezitra
vao mahita izato fiangotingotiny
MAHAFATIFATY !!
 

 


Hevitra

  1. Rasoa Malagasy

    Nanao fitadiavana kely ho anao aho ka jereo ato
    etoléiz


  2. finoanaranoray

    Tsy mirohy ilay rohy...?


  3. Rasoa Malagasy

    etoléiz

    MIno aho fa mandehA @ITY indr1 mitoraka ity.


  4. Rasoa Malagasy

    Andrana io fa fafao rehefa itanao, tsy io ilay sujet fa azafady, fafao daholo ireo voasoratro ireo raha tsy mahadiso. Mbola ho tadiaviko indray ilay izy fa tsy tadidiko intsony.


  5. arira tsy mba zafy (Toky)

    Ilay noeritreretinao mihitsy ry finoana ilay "lamba mikopakopaka" a!. Tebokaefatra [.... fa tsy ilay namantsika akory :)] tsinona no nosoratanao etsy ambony. izay midika hoe : "lambahoany" hihihi

    Ny ahy : ny tena tsapako ho misy fiantraikany amiko dia ny sarimihetsika sy tantara :) :

    Rehefa avy mijery an'ireny sarimihetsika mitantara vehivavy mampirafy sy mamadika ireny aho dia lasa tsy te hanambady ho azy eo hihihi. Fa rehefa maka sary an-tsaina an'ilay lamba mikopakopaka indray dia toa voaantso hoe avia :).


  6. finoanaranoray

    O Rasoa, Mandeha ilay rohy norohizanao faharoa, fa miangavy aho mba tsy ho hesoriko izy ireo, satria dia mamaly ny fanontaniako hatramin'izay mikasika ny "FOzaorana" (= mpanani-bohitra)...napetrako tany amin'ny Kdaomb moa izy io...

    Tokinao: "tsy tsara ralehilahy raha irery fa hanaovako voady sahaza azy..."hoy ny voasoratra, ary dia tena atolotra anao mihitsy izany ilay hira hoe "mahafatifaty" io ambony io...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article