Lesona voalohany: Ampianarin'ny mpanao po-litika ny Gasy :D

Published on 03/30,2009

Nampianarina nanisa aloha ny mpanao gazety:

"10 000 - 20 000 - 40 000. Firy tapitrisa ireo?". izay ilay fanontaniana. nentina teny ambohijatovo sy teny amin'ny 13 mai ary teny Mahamasina mihitsy hanao fampiharana ny lesona. ..."Tena tapitrisa ny 40 000 ka" hoy ny andaniny, "an, an, an...Arivo na aman'alina io ka" hoy ny ankilany...Mifamadibadika io valin-teny io an, omaly ny iray milaza fa "Tapitrisa", rehefa tsy eny itsony izy fa ny andaniny indray no eny dia "Arivo"...toy izany koa no ambetin-tenin'ny andaniny...Fa hatramin'izao mbola tsisy mahay manisa ry zareo e na ny andaniny na ny ankilany. Ny marina anio lasa diso rahampitso, ny diso anio lasa marina rahampitso.

Dia mba roso nianatra koa ny Mpanao politika-mpanohitra ny "10 000 na 20 000 na 1 000 - rehefa ao Ambohijatovo na ao amin'ny 13 Mai dia tapitrisa izy izay" - Dia hoy ny Mpitondra ny "10 000 na 20 000 na 1 000 - rehefa ao Ambohijatovo na ao amin'ny 13 Mai dia tsy tapitrisa izany fa raha eo Mahamasina dia Tapitrisa"...

Hatramin'izao aho manontany tena hoe fa firy marina ny tapitris'e? (izay mandeha mifidy ka tsy manao vato fotsy e sy lany ny vato narotsany na 2 000 izy na 100 000...izay no tapitrisa... fa tsy isaina ny isany fa atao mihaotra ny 50%)  

Nampianarina manisa vola indray ny sokajin'olona samihafa:

60 000 000 de dollars (ny FMI hono no tsy nahay nanisa an’io, dia nanontany hoe Roplanina 01 ve izany sa 35 millions ahantona?)

400 000 000 Fmg (ny miaramila indray hono no nianatra nanisa an’io)

500 000 000 Fmg (ny fiangonana maromaro indray hono nasaina nianatra nanisa an’io tamin'izany, bojy)

800 000 000 Ariary (I Andry hono no nianatra nanisa an’io, naparitaka mihitsy ny photocopie, mba hahafahan’ny vahoaka manisa miaraka aminy)

175 000Fmg -25 000Fmg (teny amin’ny 13 Mai sy tena Mahamasina hono ny fianarana nanisa io)

nampianarina nijery Calendrier:

13 Mai foana no atao pli-vava...tsy maintsy 13 mai na dia efa 29 Mars aza.

(mbola hitoohy...)


Hevitra

  1. TGV & Cie

    Inty misy mahay manisa vola be : jereo eto



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article