Mpaka sary daholo...ba 2 sa ba 3...

Published on 06/29,2009

Mba ataon-jareo aiza ary ireny sary ireny?

Natao soratra ikalakely zandrim-bady...ilay milalao ny vadin-joky io...Nahafinaritra ny fihaonana amin'ny fianakaviana efa ela tsy hita, mazava ho azy fa dia somary saika menamenatra ihany ny tena satria tsy nanao palitao sy kravaty, fa lobaka fohy tanana, - ny lehilahy rehetra manao - fa dia nanamafy saina hoe :"izay rangahy ny Kolontsaiko ah"...lamba landy fotsy kely izay no mba nasampiko niaraka taminy...

Nanomboka ary ny Sinema (sary mihetsika?) - dia nikabary ilay mpikabary...ohatran'ny hoe mitady tsy omen'ny andaniny ery...fa izay ilay hoe Sinema eh - efa fantatra fa efa azony io ka mbola angatahany indray - plivava re izao - blabla re izao - Ohabolana re izao - fa dia teo aho no niezaka nijery fa kanto be ilay teny gasy mihaingo hainteny...ary tapa-kevitra ny hividy boky fampianarana mikabary mihitsy any aoriana...

Dia lasany hono Ikala, natakalon'ny VODY ondry - ary nolain'ny fa FOZA...tsy FOZAORANA fa fozavavy...

Teo koa no nahitana ARIARY DIMY, efa ela aho tsy nahita an'io an...ny karazam-bola rehetra mantsy no nanaovan-dry zareo tapi-maso...

Tonga dia Firaisana avy hatrany no nitodihan'izy roa kely, hisoratra...

Fa ny tiana ho raiketina dia izao:

Mpaka sary izany maka sary izany...samy maka amin'ny numérique-ny daholo ny olona...angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny fangatahana lasa mpaka sary daholo - angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny soratra mpaka sary daholo - toy izany koa ny tany amin'ny fety...

Fa dia lasa nifampavongovongo eo aloha eo maka sary...ohatran'ireny tena star na mpanao politika ireny hoa izy roa kely...

Enim-bolana lasa izay, nifankahita indray izay...

Aiza daholo hoa ilay sary nalain'olona ireny no toa ireto fotsiny sisa, mantsy azy, EFA NOVONOIN-DRY ZAREO HONO FA TSY NANDALO TANY ISIKA NAKA AZY hoy izy...

Hay moa ka vonoin-dry zareo ilay izy rehefa lasa ny volana "faute d'espace"....

Dia maninona raha tsy naka fa nanelingelina teo aloha teo fotsiny...

izay ilay hoe "GASY FIANAKAMS MPAKA SARY...TSY DIA NY SARY LAOTRA FA FITIAVANA HITSANGANA ENY ALOHA"

fa ilay bà hoa 2 sa 3 eh...manaoainina be ilay mbola manolotra takolaka fahatelo nefa ilay olona efa dify (voarakitra amin'ny horonan-tsary) - avy eo indray ianao mijanona eo amin'ny 2 izy mbola mihodina ametraka fahatelo tena saika teo amin'ny molotra...hummm

 


Hevitra

  1. Rasoa

    Raha mba mahafinaritra azy ilay manapipiaka sary dia maninona kosa ?

    Raha 2 na 3 ilay bà dia mampaninona kay ?

    Raha misy manao cravate dia misy tsy manao , dia mampaninona e

    Tsy aleo ve samy mi revy ny fiainany araka izay itiavany azy !

    Hajao ny safidiny e


  2. finoanaranoray

    hita hoa...

    fa tokony mba maka sisisny ry zalahy rehefa maka sary fa manakona spectacle - sady ho supprimer-ny ihany iny avy eo...

    dia tokony mampilaza mialoha hoe ba 2 na 3 no atao fa lasa mitifitra rivotra ilay fahatelo...na mahatratratra molotra ilay manenjika 3 nefa ny 1 nieritreritra 2...

    Dia tokony mba tsy mibedy indray Rafotsy hoe DEBRAILLE loatra ...


  3. Hert

    Gravy ilay ohabolana vaovao :-)

    Fa entra pà jereo ihany ao amin'ny ohabolana.org fa misy ohabolana be dia be an.


  4. simp

    refa otran'ireny dia ireo mpaka sary alaina sary... dia avy eo takio tsirairay hoe elah naka sary aiza ny sariko :)


  5. kdaombaramita

    Ampiasao ny kapila mangirana amin'ny manaraka hitahirizana sary fa sady tsy lafo e !

    Aza asiana olana ilay bà fa andro iray toa zato io. Vokatry ny fifaliana loatra ka diso fiantefa ny molotra indraindray.

    Ary tena tsy mirevy kôstara mihitsy anie ise izany e, efa h@ ilay hihaona amin'ny sefo no nisy blème fiakanjoana. Izay mahafapo anao anaovana e.


  6. ikalamako

    "zandrim-bady...ilay milalao ny vadin-joky io.." nataoko dia O ilay A an-drazoky :-P

    nataoko dia efa nesorina tsy anaty kabary ampanambadiana intsony io fa sao lazain'ny olona fa fozalahy atakalo fozaorana :-P

    "Tonga dia Firaisana avy hatrany no nitodihan'izy roa kely," taitra be aho hoe mahasakisaky lahy zareo an-dafy tony !!! hay ve moa ny biraon'ny kaominina ilay izy :-P

    miala tsiny fa tena lé esprit efa tordu foana tsssssss :)))))


  7. Tokinao

    >>ikalamako: lloll. Za koa taitra b t@'le resaka firaisana :D.


  8. Jeremiah

    This is a great blog and I'm always having a good time when I read your posts. Asigurare locuinte


  9. EnlitClaile

    Hello. And Bye.



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article