Angatra manangatra

Published on 09/25,2009

Misy angatra hoa ato antranoko ato fa tsy haiko hoe ahoana no atao?

Ny nanombohan’ny nanangaran'ilay raika lahy taloha, no nampikorontana ny trano tahak'izao (anisany fa tsy iny ihany ry ise a)...gravy...aiza moa izao ny hafatra tamin'iny?...na izaho koa aza mbola tsy naheno azy hatramin'ny farany...

dia hoe "matotoa ao ambadiky ny zana-drazana io e...izao hoe...izao hoe..." ---- nefa aiza akory fa ny angatra samy angatra no mifanohana... 

fa ny iray nahazo "micro" – nisy nanome “micro” - (inona moa no dikan'ny "micro" amin'ny teny gasy?)...raha efa nitatatata ela tsy nisy mpihaino - rehefa nampitahotra ela tsy nisy natahorana...dia nahazo micro…vao maika nahazo vahana ny fanangarany

Ny iray moa te hanangatra mafy dia mafy ka zarany aza misy an’ireo roa hanampy azy… 

Mangidihidy hoa lohako fa misy angandrano…

Aiza moa aho no tsy OLP

Dia mahakamo ny miresaka amin'ilay akama iray...izao foana ny azy no averimberiny:

  • Noho i Joely dia izao mitotongana be i vola
  • Noho i Joely dia tsy miasa itsony ry  Franche
  • Noho i Joely dia nihe ny vidin'ny ronono...

Ny an'ilay namana iray indray dia:

  • Noho i Manana dia ariana fotsiny ny ronono any an-dafy
  • Noho i Manana dia mba mikarama vary masaka i Franche

ssh leo aho ka aleo hidaboka any


Hevitra

  1. Casper

    Tsy i joely no nampitotongana an'i vola fa ry Lehman Brothers Inc.


  2. bleuf

    Ry Lehman Newman


  3. Casper

    bleuf ==> ah ah ah ! izany mihitsy.



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article