tsy miteny intsony ny madinika

Published on 11/24,2009

Jirama - Farmasia - banky...any angamba sisa no sehatra mba hitenenan'ny madinika...Siligaoma, pecto, bômbô, ireo matetika no tsy maintsy lasa anjaran'ny madinika...

Indrisy mantsy ry madinika, tsy fidiny ho azy anie ny ho tonga amin'io toerana io - tsy nangataka izy hoe ity aho ampijalio - ...nihen-danja hono hoa ny vola malagasy ka ariary dimy aza lasa tokan'e...ary ny iray alina lasa tokan'e...

Milalao baoritra daholo sisa ny olona gasy - ary raha misy trano na tany amidy taty amin'ny toerana nandalovako(faritra eto Gasikara io), ka miparitaka eny amin'ny affichage eny  dia tsy maintsy misy izao soratra izao : en Euros. [tsy misy madinika hahavidy an'ireny trano antoniny ireny koa]

Style fotssiny sisa ny XX50Ariary na XX25Ariary fa tsy maintsy mivadika boribory 100Ariary io rehefa mividy zavatra... 

"pecto sa bômbô hafa no omena na-dramose fa tsy misy madinika?"...

Tsy miteny intsony ny madinika fa efa manjaka ny vaventy...

Mobla misy mitsipona ve raha misy ariary folo latsaka ao anaty taxi-be?


Hevitra

  1. LeRastah

    Tsimponina foana raha misy latsaka any anaty taxi-be na dia ariary folo aza kouh. Sitrany ahay angonina.


  2. jentilisa

    Ny mandray vola hatramin'ny ohatrinona moa no atao hoe madinika? voambolana tsy tiako mihitsy manko io hoe madinika io.


  3. finoanaranoray

    vola Madinika = pièce de monnaie ariary, iraimbilanja,ariary 10, 20ariary, 50ariary, ariary2, ariary5,ariary4

    Madinika = kely

    http://www.freelang.com/enligne/malgache.php?lg=fr

    matetika lasa MAJINIKA...no fiantso azy

    ary nareo izany anie ra jentilisa efa ela tsy nahita ariary efatra e...efa maventy...


  4. finoanaranoray

    RAy mitsimpona ve Rastah raha ariary dimy? na iraimbilanja?



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article