2009 - Manjakazaka ny miaramila gasy

Published on 01/15,2010

Tena nataon-dry zalahy nifafa mihitsy izay sendra azy tamin’ny 2009…nifafa ny kihony…

ary dia tsy maintsy milavo lefona …amin’ity taona 2010 ity indray manarina… Eny e tsy teo amin’izay nidiran-dry zalahy rehetra aloha e… fa na dia izany aza…tena nanjakazaka be mihitsy ry zalahy…

Raha eo amin’ny lafiny lavalava aloha, ny fisamborany an’ireo nitady hamono tamin’izany tonga dia midaraboka…ary ry zareo no nahafaty betsaka mazava ho azy…

 

Raha teo amin’ilay anankiray indray dia  betsaka mihitsy ny kapoka sy vely …. Ary mandrivorivo…iny moa tsy nisy fifampikasohana mivantana fa eny ampita no mandeha ny tifitra sy ny kapoka…mifafa fotsiny ny andaniny… Miaiky aho ry zalahy fa anareo ny tanana a!

Ilay tsindrona Tab… ve no tena mampahery anareo? Sa zavatra hafa?

Nahita ny nataonareo aho dia niaiky fa mahery ny miaramila gasy...

Na dia Boribory aza ny baolina ... ary lavava tamin'ny anankiray...

Lalao baolina no tiana lazaina : Rugby, volley, ary Basket…tompon-daka 2009 COSFA (Club Omnisport Forces Armées – angamba moa no fanalavana azy)

tamin'ny 2008 moa sa tamin'ny 2007 TIKO no nahazo tamin'ny volley?

Miarahaba anareo naharesy eh…

Dia tratrin'ny taona koa aloha...nanan-danja koa ilay hoe tratran'ny taona satria dia tena saika tsy tratrany...

Tsy mba mpiteny an'io firy aho isaky ny voalohany taona fa ny "Bonne Année" sy ny Miray soa no atsofoko...satria ireo no tena firariantsoa ---- fa ilay tratrin'ny taona toa ohatran'ny hoe efa nandrasana ho faty izany ianao tamin'ny herin-taona ...

Nefa toa tsy mamokatra ilay firarian-tsoa indraindray... na  dia SMS bobaka be aza no azoko tamin'ny voalohany taona indray mandeha izay, tsy ela akory...toa tsy dia namokatra firy...

Ka maninona raha mirary loza indray dia amin'izay ny SOA no ho avy...

Tahian'Andriamanitra kanjo ianao eh...

 


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article