Inona ary no ataokoa aty?

Published on 01/25,2010

...ny connexion miadana be - mba te hamaky blaogy na vaovao amin'ny internet miandry adin'ny zato vao misokatra...indray mandeha izay ary tena saika mba hijery ny email dia teo adiny firy teo foana farany tapaka ilay connexion...

mazava ho azy fa mandalo miserana maharitraritra amin'ny sisitsisin'i Gasikara aho...

tara vaovao be... gazety efa lany andro no vakiana - gazety omaly tonga androany - nefa ny vaovao afak'omaly no lazain'ilay gazety...Radio RNM - fahitalavitra TVM vaovao tsy ampiampy...Radio Don Bosco sisa...nefa oa dia voafintina be...

Sary izany nalaiko izany...fa dia rehefa mba hampiditra azy amin'ny blaogy aho dia mihisatra be nedala...ary farany "connexion perdue"...

aleo mirôdy fa tssssh... tsy ho mateti-piavy intsony aho raha internet... raha mitohitohy izao...

Manokatra an'i Jentilisa aho - ela be - manokatra an'i Kdaomb - ela be - Simp - Hery - sns milona be...nefa manaikitra ihany ny hofany aloha- ary mikaonty minitra mihitsy...

Madagasikara...Tapenan-tsofina sy maso sa ny manao zavatra tsy mora - ka tsy vita izany tao anatin'ny 50taonan'ny fahaleovan-tena...bof...tsy any tena ny lelo ka mora ny miteny hoe ahisino...

Niakatra ny voankazo...letchi...Manga...Mananasy...manasa o! - matsiro...

ny sary ela vao tafatsofoka ka adaboko...

sssh...ndeha hihinana brochette aho fa tsssh...miaraka amin'ny lasary manga ary asiako obs...ampiako katakata ...Dia mitaingina soavaly tsy iray fa telo...

Amin'ny sabotsy aho handeha hilomano raha tsara ny andro...any amin'ny plage...

Fela mahogo miaro vonio no ataoko kabaka amarai - ampiarahana amin'ny antsary...

milay ihany ny aty amin'ny tany nihaviana ka...ça va...

Efa izy e...samy tsara tsika jiaby...


Hevitra

  1. Kdaombaramita

    ô ry Finrnr e, mitsiriritra ny hitanao sy ny haninao aho ! Milay ilay revy fa adinoy aloha itony teknolojia itony, ataovy be ny sary vao tafakatra eo ! manantena izahay fa tsy ho diso anjara. Itondray maskita sy voankazo bdb izaho fa mamiko ireny. Inona moa ilay kabaka fa tena tsy haiko intsony ? mangahazo ve ? IZay vao fantatro hoe maninona ianao no tsy hitahita tato ho ato.


  2. maeva74

    Vokatra aty aminay koa ireo e!! aty atsimotsimo aty e!!! hatraty io connection mihisatra io avy be ny orana sady kotro-baratra be dia aleo mitoetra ato an-trano manala azy @ internet na dia ela aza vao misokatra e!!
    Korazy daholo!


  3. zafintaolo

    Mampilendalenda zany kaly zany. Zah zao efa ho firy taona tsy nihinana fela-mahôgo sy voanio, laoka vezetarianina be saingy matsiro aok'izany. Ary ny lôky (trondro) maina sy anamalaho tsy asiana menaka... milay ery atao be rony. Aoka ry finoanarano1 e, mba andefaso sary hiononana e, dia mazotoa mamely maskita sy antsary, fa tandremo le soavaly kambana telo mdrrr.


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article