Miarahaba anareo afaka amin'ny fanjanahana...

Published on 02/21,2010

Efa niasa tamin'ny zone ve nareo?

Raha TSIA dia tsy ianareo no arahabaina - fa raha efa niasa tamin'ny ZONE ianao ka anisan'ilay voaroaka noho ny Krizy dia miarahaba anareo aho afaka amin'ny FANJANAHANA...

Efa nandalo tao tokoa aho - ary nahita - na dia toeran'olona ambonimbony ihany aza no nisy ahy dia nahita - nahita ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao - nahita ny karama vary masaka nozarazaraina - nahita ny masokarena madinika dia madinika mafamaly amin'ny tombom-barotra maventy dia maventy...nahita ny fanalikana atao amin'ireo gasy kely asaina mitrongy fa tsy asaina homana...

Tsy hitantara zavatra betsaka aho satria mety ho tsara kokoa ny mihinan-kely toy izay mandry fotsy - nefa ny mihinan-kely dia mihinan-kely mandrakizay fa ny mandry fotsy no mampiasa saina hihinam-be...

Arahabaina hoy aho afaka amin'ny Fanjanahana - ary Tonga soa amin'ny Fahoriana vaovao dia ny fitadiavana na famoronana asa?

Raha mba fantatry ny olona aty an-dafy mantsy fa endrimpanajanahana be ny fomba nanamboarana ireny akanjo avy any Madagasikara ireny  - dia mbola hividy ve ry Zareo?  

 Eritreritra nandalo tao aorian'ny fanafoanana ny AGOA nahatsiarovana ilay 100 000Fmg/mois?


Hevitra

  1. kdaombaramita

    Tonga amin'ilay hoe "mikarama vovontsira" izany fa tsy "mikarama varimasaka" intsony !!! Lasa ny mamba izany dia misosoka ny voay !! Indrisy, inona no vahaolana ?


  2. news2dago

    zara aty nahita 100.000/mois izao tena sans mille/mois

    za rakoto mahita fa raha tsy nisy ny zone de angamba nitaingi-tamboho dhl ny jiolamboto teto @ manodidina anay teto taloha. teo ry zala mba efa mahalala ilay atao oe zoma manifika


  3. finoanaranoray

    tena marina mihitsy izany ra News2dago...

    sarotra be ilay mamorona asa...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article