ho laniko sy ho fiazako 'ty 2011 'ty

Published on 01/21,2011

raha 'ty aloha Tsy lany raha vao tsy misy fangarony 

 

izao 'zany no plan handaniako azy, 2011 io:

  • ezahana vakina mandritra ny 04-bolana ny baiboly...ary ho haverina vakiana in-3, manomboka amin'ny gen ka hatramin'ny Apo...mba tsy hivanaka rehefa miresaka amin'ireo miseho mahay baiboly...HO HITAKO EO ARY...

 

  • mody aloha any an-trano rehefa alina fa tsy any ivelan'ny trano foana...sssh tsy maintsy mianatra mitaiza izany...TSY OLANA, Handramana...

 

  • handalina ny fikafika tsy hay amin'ty solos'aina 'ty, fa mandreraka be ilay mi-formaté isan'andro vaky izao...TSY MAINTSY HAPOAKAKO 'ty...ary bye bye virus...

 

  • mandeha mifidy amin'ny fifidianana rehetra...dia izay tsy de be mpanohana no fidiana...satria matetika ny be sy ny maro mifidy an'i Barabasy...(aleo ihany aloha handinika ihany hoe iza no fidiana...)

 

  • dia tsy mandany andro firy amin'ny f a c e b o o k...( manao j'aime fotsiny kosa eh...'lay miditra mihitsy no olana ela vao tafavoaka...)

 

  • dia mba manao vakiraoka (brouillon) amin'izay rehefa manoratra ato amin'ny Blaogy.com fa tsy tonga dia mitapy clavier...(toa nofinofy 'ty koa - tsisy fotoana hanaovana vakiraoka izany...TSY OLANA)


Hevitra

  1. simp

    tohanako 100% ilay mamaky baiboly

    bonne chance mec
    on te soutient moralement
    ;-)


  2. finoanaranoray

    misaotra tompoko


  3. Kdaombaramita

    ... tena ho tolona be ity taona ity izany klé !!!!
    fa za ry nao mamaky BAiboly fa tena mila azo tsara ilay filahatry ny tantara fa raha tsy izany very za. MBola ao @ Exode aho izao efa elaela ihany. Fa hahalalàna zavatra betsaka ilay izy indd rehefa ilay eo amin'ny zanak'Israleky te-handao an'i Egypte, tena nitanàka mihitsy zà.


  4. DotMG

    Genesisy sy Eksodosy zany mbola tantara milay izany, fa rehefa any amin'ny epistily no tena mandreraka be. Le fanoratry le apostoly sasany tena tsisy point tsisy virgule, mamaky fe mamaky fotsiny ianao fa sarotra ny mahazo ny hevitry ny phrase 1.

    Fa ny ahy aloha an, Mpitoriteny no tena tiako indrindra ny mamaky azy, dia avy eo ny Bokin'ny Mpanjaka, Tantara ary Samoela. Ireto 6 farany ireto tena ohatry ny mijery film milay be reny mihitsy.


  5. simp

    waaaaaaaaaaa
    fa nga mpi-naotra i kdom sy finoana?
    hummmmmmm
    tsy fantako
    2011, feno surpizy
    wooooooooo hooooooooo


  6. ary tsisy miresaka ilay tsaky ery ambony ery io an... kanefa io no notsiriritiko voalou vao namaky an'ity ah ^:^

  7. Kdaombaramita

    simp < tsy mpinaotra ka !! fiteny malagasy fontsiny io.

    samy miresaka izay manaitra azy tato anie, azonao atao tsara ny mametraka ny hevitrao momba ilay tsaky, atombohy ny resaka kaly ary e !


  8. pissoa

    Za nanoratra teto dia tsy mitranga :( Tsy tian'ny blaogy.com mihitsy aho izany fa tato ho ato lasa spam foana hi hi hi


  9. Kdaombaramita

    ny nosoratako nefa nitranga indroa, hi hi hi !


  10. finoanaranoray

    Genesis toko faha12 amin'izao ora itenenana izao...moyenne toko 2 isan'andro...tokony ampitomboina ny rythme fa mety tsy hotratra ny 90 andro raha izao... divay fotsy no ampiarahana amin'io ary tsy maintsy nasiana fangarony...vary sy pitpoa sy tongolo...dia lasary mena voatabia... (nofafako ny faharoan'ireo hevitra niverina indroa...)

  11. Mirindra

    Modia aloha refa ariva fa mandrava tokatrano io!!! :-p


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article