Piho io jiro io...

Published on 05/08,2011

Rehefa nanomboka nanaikitra tsy ankiato ny jirama, dia na ny jiro tsy vonoina aza mampiady mivady...

tena tsy azoko mihitsy hoe fa maninona koa ary izany...

rehefa tsy hanome vola andoavan faktioran'ny jirama Andriamanitra dia aleo ho tapahan'i jirama any...

Tsy haiko aloha na efa manomboka ho jihady kristianika koa aho, fa dia lasa mitady...

mitady hanilika andraikitra any amin'Andriamanitra...lasa tsy mivakivaky loha izany,

ka manjary fiteny lay hoe "rehefa tsy hikarakara ny Tompo dia aferany 'zany"...

Piho io jiro io rehefa tsy ampiasaina...fa mampiakatra faktiora...izany avy koa ka mitady hampiady mivady...

Tsy haiko hoe nanomboka oviana no ohatrany nahatsapa hahamafin'ny fiainana,...,

fa ny hamafin'ny seza fipetrahako ao an-trano mantsy no nanombohako ny fisainana hoe:

fa maninona no tsy lay seza milay be ireny ary no nomen'Andriamanitra ahy,

hipetrapetrahako hamakiako baiboly...fa raha ny vidiny hitako amin'ny gazety aloha dia parata antapitrisany, nefa seza iray an...tsy zaka izany ankehitriny...

dia raisina ny tsindrona ataon-drapasy: "izay anaka no anjara..."

raha tsy mitandrina amin'ity Kristianisma ity dia FAMPIONONANTENA no betsaka

...FAMPIONONANTENA...

Raha sendra mitelin-drora mahita ny tapaka sy namana mandany iraimbilanja 30 tapitrisa 

hanaovana filantsasatra tapa-bolana dia ritra...

dia mampionon-tena sy mitsetsetra...

dia hoy indray ny tsindron-drapasy: "ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra..."...

ratsy ve ilay manao vacances mandany vola? ...tsy dia tena henoko itsony ny navalin-drapasy,

satria izany koa ve dia ratsy...

mety izaho no tsy nahay nisafidy fianarana ahitana asa mampidi-bola be...?

...na laozako mivavaka fotsiny fa tsy mikarataka mandehandeha...?

Piho io jiro io...

Fa aleo dia tsy atao hoe FAMPIONONANTENA fa FAHATOKIANA ANJAMBANY...

satria dia NY ZAVATRA REHETRA MIARAMIASA HAHASOA...(angambany?)

ny harena ara-panahy hono no zava-dehibe...oK...

izao izany : Manankarena aram-panahy...ary mikasa hanankarena aranofo...TANJONA...

rehefa tafakatra enina hetsy iraimbilanja isam-bolana ny faktiora dia tsy maintsy miteny hoe : PIHO amin'izay io JIRO ary aza adino ny mamono ny télé, dia esory ny prise ny Frigo raha tsy misy zavatra ao...dia aleo mipasoka amin'ny fera saribô, dia ..."bonne nuit chérie"...

Ka rehefa manankarena be isika mivady afaka 100 taona dia ampiretina foan ny jiro...100 taona kosa ela loatra e...aleo atao hoe 100 andro...sa ahoana?

 

 

 


Hevitra

  1. ikalamako

    nataoko dia resaka somary visa A ilay izy, somary hoatran'ny hiran'i Mahaleo hoe "areheto ny jiro" - hihihi


  2. DotMG

    Ara-panahy : Marka 10. 29, 30.

    Ara-nofo : Fa tarif 14 sa tarif 16 ilay jironareo klou? Raha tarif 16 mantsy izany 120.000 Ar izany no vidin'ny 510kWh, raha olona mahalany an'izany isam-bolana dia misy orinasa mihodina ao vao mahalany an'izany, dia tokony mifandray amin'izay koa ny vola miditra. Fa raha tarif 14 kosa dia kely ny lany nefa lafo ny vidiny. Tsy misy vola aloa ny manolo tarif koa raha mahalany mihoatra ny 70 kWh isam-bolana fotsiny dia efa tokony hifindra ilay amin'ilay tarif 16.
    Izay no torohevitra: jereo izay tarif mifanaraka amin'ny fandaniana dia jereo sao misy fitaovana mitroka herin'aratra any ho any, dia raha tsy mbola mampiasa irony takamoa mitsitsy irony dia soloy any avokoa ny takamoa.

    Na izany aza anefa, dia adidy eo amin'ny tontolo iainana sy toe-panahy tokony hananan'ny olona tia mamaky baiboly ny fitsitsiana, indrindra fa ny angovo. Koa na 100Ar isam-bolana aza ny fandaniana, rehefa hita fa jiro tsy tokony hirehitra dia tokony hopihina aloa, satria fantatrao fa olan'ny planeta ny angovo, ary miteraka ny ady sy fikorontanana eran'izao tontolo izao ny resaka solika fotsiny.


  3. finoanaranoray

    Jésus, répondant, dit: En vérité, je vous dis: il n'y a personne qui ait quitté maison, ou frères, ou soeurs, ou père, ou mère, ou femme, ou enfants, ou champs, pour l'amour de moi et pour l'amour de l'évangile,ne reçoive au centuple, présentement dans ce siècle-ci, des maisons, des frères, des soeurs, des mères, des enfants, et des terres, avec des persécutions, et, dans le siècle à venir, la vie éternelle.Mark 10 29 30

    ho hita eo

    ho jerena tokoa izay tarif izay...


  4. kdaombaramita

    fa aiza ho aiza izao ianao amin'ny famakiana Baiboly e ?


  5. finoanaranoray

    Salamo 32 aho androany micoince be...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article