Paiso ran-kena

Published on 08/05,2011

Ity tena misy tononkira tsy azoko mihitsy...Tsy azoko mihitsy ny hevitr'i Bekoto...Paiso ran-kena eh...misy saina mandalo ihany ato an-tsaiko fa tsy haiko hoe marina ilay izy...

Vokatra ireo paiso ràn-kena
Mirehitra ireo azo mivoara-mena
Ao avaratrin’ny abatoara
Mihintsina ireo masaka

Alakamisy hariva andro tsy fianarana
Mifampitantana izahay roa lahy 
Ho any avaratrin’ny abatoara
Hangalatra ireo paiso ràn-kena

Ref : Mena mena asa raha tadidin’ialahy
            Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana

hatreo aloha mazava be...fa manomboka eto hafa mihitsy an...

Rehefa tonga eny ambony paiso 
Hidiko ny varavarana 
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra sy ny tany

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roa lahy amin’izany
Boba-drà amin’ny paiso ràn-kena

varavaran'inona koa ny eny ambony paiso...manasaraka ny ambony sy ambany? ambany saoka sy ambany faotra ve izany? lanitra azo tsapain-tanana? TSY AZOKO...

Sa misy ifandraisany amin'ity Hiran'i DAma ity, Hafatr'i Mbola, samy misy resaka Paiso mantsy, ry zalahy be Paiso...

Manao takariva ry zalahy
Manao takariva ry zalahy
Ry zalahy samy manana
Sy ry zalahy be paiso
Tandremo sao dia mipika ny any am-pataka
Tandremo sao dia mipika ny any am-pataka
Kakafotra eny ivohitra ialahy
Mangidy ny fanala !

Tsara anaoavana lahatsoratra fanadihadiana any amin'ny Malagasy any amin'ny BAcc angamba ity, fa dia samy hirevirevy eo daholo,...

Dia mbola mirary soa an'i MAHALEO indray amin'iry taon-jobily iry eh...nisy nisolo ve RAOUL amin'ny fampisehona manaraka? iza no hihira an'ny ASIO SIRAMAMY? 

 

 


Hevitra

  1. www

    miaraka amin'ny daina io


  2. raprôsy

    Raha ny fahitako azy kosa, dia fitiavana "gay" (fitiavana homosexuel, lehilahy samy lehilahy) angamba no tantarain'ilay tonon-kira. "Nifampitantana izahay roalahy", "menamena, ... menamena ny lokon'ilay fitiavana" (boba ra), "nosokafana ilay varavarana manasaraka ny ambany sy ny ambony" (ny zavatra misy varavarana ambany sy ambony dia ny lalan-kanina, ka ny varavarana ambony dia ny vava, ary ny varavarana ambany kosa...)... Ireo rehetra ireo (sy ireo andininy hafa manaraka) dia toa manambara fitiavana "gay" (homosexuel) daholo angamba...


  3. finoanaranoray

    sao dia fitiavana mitomban-dahy marina ary
    izy ity?

    Tsy mbola nahita ny fanazavan'i Bekoto aho
    fa tena te-hahafantatra...

    fa ny feona mozika sy ny rindra aloha dia tiako

    ...


  4. finoanaranoray

    ary lay Daina izany mampisy haingam-panahy
    sy aingam-panahy an...

    Raha marina fa DAina marina no tompon-kevitra?



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article