NANKAIZA HIANAO RY LASA

Published on 07/28,2012

Nankaiza hianao ry lasa, nankaiza no antsoina
Nefa ako iray malemy no sisa mba mamaly
sy manoina? .....
Manoina sy mitondra ny hiranay omaly
Efa zary sentosento, mifangaro ranomaso.
Ranomaso tsy mivoaka, mamonto ny aty fo !
O ry lasa, ô ry lasa mba andraso:

Henoy ny manjo !

O ! Ny hiranay fahiny, sambo feno voninkazo,
Nampamerovero saina, nanamanitra ny dia ...
Dia halazo ?
Hery feno namakiana ny onjan-drano izay naria,
Toky sady niankinana ary koa mba nantenaina
Fa hampita hatraminao, ry helo-dranom-pifaliana,
Ry anton'aina,
Izay tsy iza fa hianao, ry malala sady tiana
.

Izao anefa ka ho rendrika, eny re ! arendrikao ...
Ny hiranay, ny hiranay, mbola injao miraondraona
ao am-poko ao !
Miraondraona ka ho reko toy ny hira iray misaona
Sy miventy faharesena, ô ry vintana tsy hita
Izay mandavo dia manindry ny malemy noho hianao,
Tsy tafita
Fa miankohoka sy rendrika ao anaty lalina ao !

Tsy mba misy izay mosara mba manatitra, tsy misy
Sentosento iray akory mba arahinao tomany
Ka indrisy !
Miherikeri-tsamy irery eto ambavan-tsesitany !
Miherikerika mihaino izany fiditry ny rano

Ato anaty lakan-doaka voatendry mba hanafoana
Ny mba hany tokim-po azo tamim-belirano
Tsy tsaroana !

O ! dia foinao, ry lasa ! ô ry lasa, izay antsoina
Nefa mianjona mandeha, mihomehy sy tsy mamaly,
Tsy manoina ....
O ry lasa, rehareha sady tokin'ny omaly,
Nefa tonga sentosento sady tonga ranomaso !
Miantso anao ny indray nihira, miantso anao amim-po.
Mitalaho sy mitaraina ! Miantso anao ka mba andraso :
Ka toneo ny manjo !

 

J. J. RABEARIVELO (Lova)

 


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article