SIDA an'Image Appli...

09/10,2008

ny famelabelaran-kevitra nataon-dry zareo Image Appli:

- 2.500.000Fmg ny totalim-bidin'ny fanasitranana...

- mankany amin'ny ivon-toeran-dry zareo any Tana mandritra ny fotoana ny fitsaboana, 2 volana eo no eo no fitsaboana dia tsy ahitana ilay aretina itsony ny tsaboina...

- ny fanafody dia amin'ny endrika TAMBAVY, ka tsy azo entina mivaoka ny toerana fitsaboana sao dia misy mangalatra ny mombamoba azy, ravin-kazo karazany 10 no mitambatra avadika ho vovoka afangaro amin'ny tantely...voasokajy ao @ "plantes médicinales" ilay fanafody...

- efa maro no sitrana gasy sy vazaha...

...Ho an'ireo izay te ho any...


ohatrinona ny karama mahavelona eto Madagasikara?

08/22,2008

Misy mahalala ve ny hiran'i Lôlô sy ny tariny hoe "kala Katosoa" 

Mba te hahafantatra ny fiainan'ireny olona mikarama 160.000Ar ireny aho...

indrindra moa raha mandoa hofan-trano izy15.000Ar isam-bolana izy...raha mandoa jiro sy rano 10.000Ar isam-bolana...raha manefa saram-pianaran'ny zanany 10.000 isam-bolana mandritra ny 9 volana...raha mividy fanafody raha sendra marary...raha mandeha taxi-be rehefa handeha hiasa 200Ar isaky  ny andro fiasana...raha mba mijery fampisehoana indray isan-telo volana amin'ny fidirana 3 000Ar...raha mampiditra fahana 2.000Ar isam-bolana...raha mividy vary sahabon'ny 3 kapoaka isan'andro, miaraka amin'ny laoka hihinanana azy...raha mividy savony hisasana sy hanasana lamba...menaka...sira...

Tsy dia hita itsony ry zareo amin'ny fivoriam-pianakaviana satria matetika dia "cotisation" sy "hividy ary hivarotra "billet"-na 20.000Ar " ho fidiram-bolan'ny taranak'i ... no resaka matetika ao...Manahirana azy ny mampiditra havana an-trano satria ny seza "salon"-ny dia fandriana...hany ka tsy mety mandray fivoriam-pianakaviana izy...

Raha misy fahoriana dia tsy mihaotran'ny 1.000Ar ny tsipaipaikany...

Raha misy fifaliana toy ny mariazy dia izy ilay mpitady fiaran-kavana mba ho taingenana "sao dia misy place any aminareo", na ilay mihazakazaka haingana mitady taxi-be rehefa avy ao am-piangonana sao dia tara laotra vao tonga any amin'ny toerana hisakafoana...

Fripy ny ankanjony, fripy ny kirarony...

Tsy mba afaka maka vakansy izy...

"Mianara tsara nareo fa izay ihany no lova avelako ho anareo..."hoy ry zareo mantsy  ny zanany...

"Minoa an'i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao..."

Hevitra

  1. tebokaefatra

     

    Ho ahy dia "finoanaranoray" no vaha olana eeee


  2. news2dago

     

    velona ihany izy aloha h@ izao e! hainy ihany ny mandamina an'io isam-bolana


  3. lehilahytsyresy

     

    Aiza kosa e.
    Raha eny Ampasampito ohatra izy no mipetraka ka mamonjy mandeha miasa eny Anosy, dia vita tsara ny mandeha bisikileta eo isan'andro; tsy mila mandany vola @ taxi-be.
    Na fripy aza ny akanjony, dia mampitafy azy tsara izany.
    Na fripy aza ny kirarony, rehefa vitany ny manasa sy miborosy azy tsara, dia madio-kiraro toy ny olona rehetra izy.
    Raha any amin' ny CEG na lycée na université-mpanjakana no mianatra ny zanany, dia tsy mila mandoa écolage izy.
    Raha vakansy indray no lazaina, dia tsy voatery hoe mandeha manao voyage fandaniam-bola foana akory. Azony atao tsara ny mandefa ny zanany hanao asa tselika manao vendeur / vendeuse eny amin' ny grandes surfaces na eny amin' ny MacDo (na hafa koa) izy, ka amin' izay dia tsy mila manome argent de poche an' ireo intsony ny ray aman-dreny.


  4. ikalamenavolo

     

    ouups aiza ho aiza ao dago no misy MacDo kay e!!!


  5. finoanaranoray

     

    ay izy mantsaka fa tsy mandoa volan-drano...na dia mipetraka eto an-tanan-dehibe aza...
    toa ilay ankanjo fripy hono na nampisy hodi-potsy azy...


  6. lehilahytsyresy

     

    finoanaranoiray ==> Hevitra tsara azo atao koa io mantsaka rano io.

    ikalamenavolo ==> io andrefantranon'ikalamenavolo io no misy McDo fa aiza indray e.
    tpt :-) Tena misy McDo eto Tana fa tsy laingako re io a.


  7. Tokinao

     

    Nefa dia betsaka ny malagasy no mikarama an'io, na ambany akory aza.

    lehilahitsiresy, finoanaranoray-> ny saran-dalany dia mihoatra ny 200Ar satria mandroso sy miverina. Ary mety tsy ho iray amin-dry zareo no mila mandeha "bus", fa roa ohatra. Izany hoe : 400Ar x 5andro/herinandro x 4herinandro/volana = 8.000Ar/volana. Momba ilay mitondra bisikileta ao Tanà koa mantsy tena dadany 'ko. Tery ny làlana, ary ny vovoka aoka fotsiny.

    Ilay fijerena fampisehoana in-1 isam-telovolana ataoko fa tsy ho vitany intsony.

    Rehefa faran'ny volana dia vary amin'anana no sakafo.

    Tena tsy hita e.

    Na izany aza anefa dia manana fanantenana ry zareo, tsy kivy fa mikaro-bahaolana hatrany, mitsiky.

    Izany ka fahasoavan'Andriamanitra hoy aho any an-tsaiko. "Allah akhbar" hoy ny silamo. Lehibe Zanahary.

    Aleo mahantra nefa manana fanantenana eo amin'ny fiainana toy izay manan-karena nefa te hamono tena.


  8. Tokinao

     

    Nefa dia betsaka ny malagasy no mikarama an'io, na ambany akory aza.

    lehilahitsiresy, finoanaranoray-> ny saran-dalany dia mihoatra ny 200Ar satria mandroso sy miverina. Ary mety tsy ho iray amin-dry zareo no mila mandeha "bus", fa roa ohatra. Izany hoe : 400Ar x 5andro/herinandro x 4herinandro/volana = 8.000Ar/volana. Momba ilay mitondra bisikileta ao Tanà koa mantsy tena dadany 'ko. Tery ny làlana, ary ny vovoka aoka fotsiny.

    Ilay fijerena fampisehoana in-1 isam-telovolana ataoko fa tsy ho vitany intsony.

    Rehefa faran'ny volana dia vary amin'anana no sakafo.

    Tena tsy hita e.

    Na izany aza anefa dia manana fanantenana ry zareo, tsy kivy fa mikaro-bahaolana hatrany, mitsiky.

    Izany ka fahasoavan'Andriamanitra hoy aho any an-tsaiko. "Allah akhbar" hoy ny silamo. Lehibe Zanahary.

    Aleo mahantra nefa manana fanantenana eo amin'ny fiainana toy izay manan-karena nefa te hamono tena.


  9. DadaRabe

     

    Jereo fa afaka jerenao ato ilay "maria katosoa"

    http://www.lolosynytariny-lacigale.com/lolo%20mozika/mp3/lolo%20mozika.htm


malagasy tsy leo vary...

08/14,2008

Tera-bary…  

dia toa fohifohy daholo ny olona @ firenena manana foto-tsakafo vary … 

dia anisany nanimba ny nifiko ny vary misy vato… 

dia nihinanana vary aho nandritra ny 34 taona, izany hoe 70 gony teo ho eo ny vary laniko hatramin’izao…kely balitika izy izany…

dia hita koa fa be loatra ny asa natao tamin’io vary io vao tonga teo am-biliako:

miasa tany mamadika bainga /   manosy /   manetsa (raha hanao SRI sy SRA) /  mamindra-ketsa avy eo /  miava in-3 fara faharatsiny /  mampiditra sy mandritra rano /   miandry fody / jinjaina / kapohana eo amin’ny banja /   kororoana eo amin’ny rivotra – atao anaty gony /  totoana @ laona /  ahofa @ sahafa /   tsimponina ny vato sy akotry @ sahafa /   sasana dia sivanina tsara / andrahoana dia arahi-maso (ora 1 latsaka…) /    sy ny sisa (…lava-piringa no farany) 

 

dia misy tahalaka ny tanimbarintsika , samy manana ny tompony, hany ka sarotra ny mampiasa ny fitaovana maventy toy ny “tracteur” eny an-tanimbary…

dia lafo sy miakatra hatrany ny vidim-bary hoy ny mpihinana-mpividy… 

dia mora sy varo-boba ny vidim-bary hoy ny mpamokatra antsoina hoe Tantsaha…ary ny manelanelana sy manangom-bokatra (antsoina hoe mpijirika) no tena mahazo tombony… 

dia manafatra vary hatrany isika…mampanify ny kitapom-bola Malagasy… 

dia ny fambolem-bary anaty ala sy an-tanety na tavy sy savoka, no mahatonga ny antsangasy fihenan’ny ala…ary ny vokatr’izany … 

dia mahantrahantra daholo ny ankabeazan’ny firenena manana ny vary ho foto-tsakafony… 

dia vary maina, varin’ampango, vary sosoa na sabeda, vary amin’anana, “riz cantonnais”, vary lasopy, vary mangatsiaka, vary modaka – ireo ihany no mba haiko @ fomba fandrahoana azy…

 

dia tsy mba misy vary mihitsy ao anaty "composé"...

Mahatsiaro anareo nandray anjara rehetra tamin'ny nahatongavan'ity vary ity hoe ento ambony viliako aho, Mahatsiaro ny asa be natao tamin'izany, Ho tahian'Andriamanitra anie ianareo... 

 

Hevitra

  1. simp

     

    tokony ovaina katsaka sy ovy ndray o??
    vao-maina sy ny karazany...

    mifohaza ry Vakina :-P:b:b:b:b


  2. finoanaranoray

     

    tena misy "VARINE" ilay vary...
    ilay mitovitovy amin'ny mifarana @ INE rehetra : CAFEINE, NICOTINE, COCAINE...tsy mety leo mihitsy aho ry zareo a...


  3. Tokinao

     

    Fa tsy misy matsiro ohatran'ny vary aloha e (amiko aloha e :-P).


  4. finoanaranoray

     

    raha tany ivelany tany hono ilay Gasilahy izay, namonjy fiofanana...dia niaraka niditra Hotely tamin'ny tsy gasy, dia nitady vary...
    - "mais pourquoi tu manges des graines? chez nous les graines sont pour les volailles...t es pas une poule par hasard..."
    - "ah bon", hoy, ilay gasilahy...
    fa ny an'ilay tsy gasy kosa hono, "..." no nosafidiany hohanina..., dia hoy ilay gasilahy
    - Mais pourquoi tu manges des "..."?, chez nous... les COCHONS adorent ce truc..."


  5. Nofynofy

     

    Rah ho ahy aloha tsy misy mahasolo ny vary ao an-kiboko. Ny tsakitsaky hafa raha misy ny fahafaha-manao azy atao fa tsy noheveriko ho foton-tsakafo loatra. Raha vao tsy mihinambary aho de tsy mahariva andro mihitsy


Rehafa tsisy Azy

06/23,2008

Indrisy ry ota nifetakaNandoto ny saiko tsy niarina

Nahatonga ny saina ho reraka

Nahatonga nanaiky “tsy marina” 

Indrisy ry saina nisento

Niteraka fitsiriritana

Nahatonga fisainana pepo

Nahatonga ny tena hiridana

Nihosina sy mitsikasina

Tsikoko mifangaro fotaka

Tsy fantatra, inona andrasana?

Nanonja, nihotakotaka

Nahazo tsy nety afa-po

Naniry nitady nangetana

Nakiana nangaina ny loha

Isan’andro nientanentana… 

Indrisy ry fiainana banga…

Tsy ampy tsy nety ho feno

iri-mahory toa sangasanga

antsoina tsy nety ho heno… 

Soa fa teo Ianao mameno

Soa fa teo Ianao mihaino…

Manisy dikany ny fiainako... 

 


tsy hita

06/06,2008

Nahita anao ny saina, tsy mba ny maso...

nahatsapa anao ny fo, tsy mba ny tanana...

Navotanao ny aina, rava ny ankaso...

Nangina ny toloko, rava teo ny vahana...

Mbola tsy hitako ianao, mbola tsy notsapaiko...

Nefa ianao tsy miafina, hita miharihary...

Tsy mbola reko ianao, ny feonao tsy haiko...

Nefa ianao miteny...:"izaho no nahary..."

 

Hevitra

  1. news2dago

     

    tsara izy izany


  2. pissoa

     

    tsara mihitsy.