Blaogin'i finoanaranoray

Rehafa tsisy Azy

Ankapobeny — Nampidirin'i finoanaranoray @ 11:08

Indrisy ry ota nifetakaNandoto ny saiko tsy niarina

Nahatonga ny saina ho reraka

Nahatonga nanaiky “tsy marina” 

Indrisy ry saina nisento

Niteraka fitsiriritana

Nahatonga fisainana pepo

Nahatonga ny tena hiridana

Nihosina sy mitsikasina

Tsikoko mifangaro fotaka

Tsy fantatra, inona andrasana?

Nanonja, nihotakotaka

Nahazo tsy nety afa-po

Naniry nitady nangetana

Nakiana nangaina ny loha

Isan’andro nientanentana… 

Indrisy ry fiainana banga…

Tsy ampy tsy nety ho feno

iri-mahory toa sangasanga

antsoina tsy nety ho heno… 

Soa fa teo Ianao mameno

Soa fa teo Ianao mihaino…

Manisy dikany ny fiainako... 

 

tsy hita

Ankapobeny — Nampidirin'i finoanaranoray @ 12:19

Nahita anao ny saina, tsy mba ny maso...

nahatsapa anao ny fo, tsy mba ny tanana...

Navotanao ny aina, rava ny ankaso...

Nangina ny toloko, rava teo ny vahana...

Mbola tsy hitako ianao, mbola tsy notsapaiko...

Nefa ianao tsy miafina, hita miharihary...

Tsy mbola reko ianao, ny feonao tsy haiko...

Nefa ianao miteny...:"izaho no nahary..."

 

 

 


Powered by LifeType