Tsy Hita

finoanaranoray 06 Jiona, 2008 12:19 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nahita anao ny saina, tsy mba ny maso...

nahatsapa anao ny fo, tsy mba ny tanana...

Navotanao ny aina, rava ny ankaso...

Nangina ny toloko, rava teo ny vahana...

Mbola tsy hitako ianao, mbola tsy notsapaiko...

Nefa ianao tsy miafina, hita miharihary...

Tsy mbola reko ianao, ny feonao tsy haiko...

Nefa ianao miteny...:"izaho no nahary..."

 

 

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)