Malagasy Tsy Leo Vary...

finoanaranoray 14 Aogositra, 2008 10:58 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tera-bary…  

dia toa fohifohy daholo ny olona @ firenena manana foto-tsakafo vary … 

dia anisany nanimba ny nifiko ny vary misy vato… 

dia nihinanana vary aho nandritra ny 34 taona, izany hoe 70 gony teo ho eo ny vary laniko hatramin’izao…kely balitika izy izany…

dia hita koa fa be loatra ny asa natao tamin’io vary io vao tonga teo am-biliako:

miasa tany mamadika bainga /   manosy /   manetsa (raha hanao SRI sy SRA) /  mamindra-ketsa avy eo /  miava in-3 fara faharatsiny /  mampiditra sy mandritra rano /   miandry fody / jinjaina / kapohana eo amin’ny banja /   kororoana eo amin’ny rivotra – atao anaty gony /  totoana @ laona /  ahofa @ sahafa /   tsimponina ny vato sy akotry @ sahafa /   sasana dia sivanina tsara / andrahoana dia arahi-maso (ora 1 latsaka…) /    sy ny sisa (…lava-piringa no farany) 

dia misy tahalaka ny tanimbarintsika , samy manana ny tompony, hany ka sarotra ny mampiasa ny fitaovana maventy toy ny “tracteur” eny an-tanimbary…

dia lafo sy miakatra hatrany ny vidim-bary hoy ny mpihinana-mpividy… 

dia mora sy varo-boba ny vidim-bary hoy ny mpamokatra antsoina hoe Tantsaha…ary ny manelanelana sy manangom-bokatra (antsoina hoe mpijirika) no tena mahazo tombony… 

dia manafatra vary hatrany isika…mampanify ny kitapom-bola Malagasy… 

dia ny fambolem-bary anaty ala sy an-tanety na tavy sy savoka, no mahatonga ny antsangasy fihenan’ny ala…ary ny vokatr’izany … 

dia mahantrahantra daholo ny ankabeazan’ny firenena manana ny vary ho foto-tsakafony… 

dia vary maina, varin’ampango, vary sosoa na sabeda, vary amin’anana, “riz cantonnais”, vary lasopy, vary mangatsiaka, vary modaka – ireo ihany no mba haiko @ fomba fandrahoana azy…

dia tsy mba misy vary mihitsy ao anaty "composé"...

Mahatsiaro anareo nandray anjara rehetra tamin'ny nahatongavan'ity vary ity hoe ento ambony viliako aho, Mahatsiaro ny asa be natao tamin'izany, Ho tahian'Andriamanitra anie ianareo... 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)