Ohatrinona Ny Karama Mahavelona Eto Madagasikara?
Misy mahalala ve ny hiran'i Lôlô sy ny tariny hoe "kala Katosoa"
Mba te hahafantatra ny fiainan'ireny olona mikarama 160.000Ar ireny aho...
indrindra moa raha mandoa hofan-trano izy15.000Ar isam-bolana izy...raha mandoa jiro sy rano 10.000Ar isam-bolana...raha manefa saram-pianaran'ny zanany 10.000 isam-bolana mandritra ny 9 volana...raha mividy fanafody raha sendra marary...raha mandeha taxi-be rehefa handeha hiasa 200Ar isaky ny andro fiasana...raha mba mijery fampisehoana indray isan-telo volana amin'ny fidirana 3 000Ar...raha mampiditra fahana 2.000Ar isam-bolana...raha mividy vary sahabon'ny 3 kapoaka isan'andro, miaraka amin'ny laoka hihinanana azy...raha mividy savony hisasana sy hanasana lamba...menaka...sira...
Tsy dia hita itsony ry zareo amin'ny fivoriam-pianakaviana satria matetika dia "cotisation" sy "hividy ary hivarotra "billet"-na 20.000Ar " ho fidiram-bolan'ny taranak'i ... no resaka matetika ao...Manahirana azy ny mampiditra havana an-trano satria ny seza "salon"-ny dia fandriana...hany ka tsy mety mandray fivoriam-pianakaviana izy...
Raha misy fahoriana dia tsy mihaotran'ny 1.000Ar ny tsipaipaikany...
Raha misy fifaliana toy ny mariazy dia izy ilay mpitady fiaran-kavana mba ho taingenana "sao dia misy place any aminareo", na ilay mihazakazaka haingana mitady taxi-be rehefa avy ao am-piangonana sao dia tara laotra vao tonga any amin'ny toerana hisakafoana...
Fripy ny ankanjony, fripy ny kirarony...
Tsy mba afaka maka vakansy izy...
"Mianara tsara nareo fa izay ihany no lova avelako ho anareo..."hoy ry zareo mantsy ny zanany...
"Minoa an'i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao..."