27 Mey, 2009 11:01
Titanic & Madagascar
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Horonan-tsary malaza ary nampitolagaga ny ankabeazan'ny olona ny Titanic sy Madagascar...ny hifandraisany moa dia misy dian-tanan’I Steven Spielberg
Fa dia tamin'ity indray mitoraka ity dia Titanic I Madagasikara...eny tokotrany, "film" efa nandeha io...
tamin'ny Titanic anefa niandry hatramin'ny farany ny "Commandant" - ary nihira mandram-paha ireo mpihira (dj angamba no fiantso azy amin'izao fotoana izao)...mihavaky mihavaky ny sambo...tsy hita ny mpamonjy...mbola raikitra ihany anefa ny ady saritaka...sao dia Titanic i Madagasikara?
Angamba hoy aho, tokony hisy "film" vaovao indray hotontosain'i steven Spielberg mba hampivaha ny olana eto Madagasikara...fa tsy Terminator lava izao... (Terminator Renaissance)
Nanombonomboka farany 2008 mantsy no nivaoka i Madagascar 2, ary nanombonomboka tamin'izay koa ny krizy...?... ary mety hivaoka ato ato indray I Terminator Renaissance…
Madagascar...tafiditra tokoa moa I Alex (avy any amerika)… I Jurassic Park mampivandravandra ireo Dinozoro (politika)...i E.T. moa tsy lazaina itsony, fa dia mipoitra ho azy eny...I Indiana Jones nampiseho ireo harena be misy - hifampandroitana - avy eo tsy misy ho raisina...
Lasa finoanoampoana izy ity?... "il faut sauver le soldat Ryan"...sa "il faut sauver madagascar"... sa "the Rivals ?"...
Tintin...
26 Mey, 2009 11:19
Governemantan'Angatra...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ady seza ][ (0) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nivory hono ireo gasy efa maty tany amin'ny fiainan-tsi-hita...tsy izy rehetra anefa fa izay maty nisy namono noho ny tolona...
Ny antony ny Fivoriana dia ny fananganana Repoblika fantôme...satria dia efa tsy lasa intsony ny korontana ataon'ny velona an-tanindrazana...
Mazava ho azy fa dia Kolonely Ratsimandrava no lany fa atao présida...lanin'ny mpivory rehetra io...satria dia anisan'ny maty novonoina izy...Ny didimpitondrana navaokany voalohany hono dia ny nanome amnistia an'i Zimbo...
Fa dia tsy hita hoe iza no atao praiministra, satria dia toa olona tsy dia be diploma avokoa ireto maty ho an'ny tanindrazana...ireo mba manana diploma moa dia tsy nety nirotsaka satria "leo" hono izy, ny vitany aza nanenenany...Mazava ho azy fa dia nanahirana be torak'izany koa ny hanendry hoe iza no ho Ministra...
Tonga saina avokoa ary ireto mpivory fa dia tena natao fitaovana tokoa fony fahavelony...ka dia tapaka ny hevitra fa dia HANANGATRA ry zareo...ka eny tsimbazaza no atao ny fitokonana...
Tsy nanaiky anefa ny antoko "10 aogaositra" ka nivaoka ny trano tsy nety hifampidinika itsony, aminy mantsy dia tsy maintsy eny iavoloha no atao ny fanangarana...ny any antoko "13 Mai" moa dia vaky 2 avy hatrany, eny analakely ihany ny no toerana tokony hanangarana hoy ny sasany - eny Ambohijatovo hoy ny sasany - eny Ambohitsirohitra hoy ny sasany... ny reservista sy ny nanohitra azy tamin'izany moa dia eran'ni madagasikara mihitsy no tena tiany...
Nifanaritaka Ambondrombe iray manontolo...tabataba izao...
taitra aho...oadray amin'ny firy izao ... amin'ny 2 maraina...Nofy ririnina
02 Mey, 2009 12:00
Ilay Kisoa lahy ‘ty
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hatramin’ny nahavoan’ny gripa an’ilay kisoa lahy ‘ty, dia voatapim-bava (jereo eto ny vehivavy voatapim-bava) ny ankabeazan’ny olona…tsy dia afaka miteny firy itsony noho izany fanapenam-bava izany…satria dia tena matahotra fa sao dia mihatra amin’ny aina…
izany dia noho ilay kisoa lahy ity ihany… Firy sahady izay ny maty noho Ilay Kisoa lahy ‘ty ?
Na ny ONU aza lasa nikoropaka mihitsy noho Ilay Kisoa lahy ‘ty…
Biby miverina amin’ny naloany…biby mpihinana maloto…biby tia mihosim-potaka…biby be tenda tsy mifidy izay arapaka…biby manimba ny fofon’ny tontolo manodidina…nefa MATSIRO (samy manana ny matsiro aminy io - sa ahoana?)
Mibitaka indray izao ny apokalipsy tsy mihinan-kisoa, ny adventiste tsy mahalala ny tsiron’ny kotileta, ny anjoany tsy nanandrana tsaramaso sy henakisoa…
Sakano ny kisoa sy ny sombim-patin-kisoa azo hohanina tsy hotafiditra ny sisin-tany fa sao handroban-draha…
Inona no laoka ao androany?
Henakisoa sy voanjobory…
Toa ny Teo Ihany no Miverina, tsy vao haingana ve isika nanao izany laoka izany? Tena Gaga sy Variana mihitsy aho…dia tena tsy mahita laoka atao mihitsy ve nareo e! Arosoy MAFANA ary e…inona moa no azo atao?... Ary inona no “dessert” – tsindrin-tsakafo mantsy e? Laoranjy Marikivy makadilo nify…




