29 Jiona, 2009 11:09
Mpaka sary daholo...ba 2 sa ba 3...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ady seza ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mba ataon-jareo aiza ary ireny sary ireny?
Natao soratra ikalakely zandrim-bady...ilay milalao ny vadin-joky io...Nahafinaritra ny fihaonana amin'ny fianakaviana efa ela tsy hita, mazava ho azy fa dia somary saika menamenatra ihany ny tena satria tsy nanao palitao sy kravaty, fa lobaka fohy tanana, - ny lehilahy rehetra manao - fa dia nanamafy saina hoe :"izay rangahy ny Kolontsaiko ah"...lamba landy fotsy kely izay no mba nasampiko niaraka taminy...
Nanomboka ary ny Sinema (sary mihetsika?) - dia nikabary ilay mpikabary...ohatran'ny hoe mitady tsy omen'ny andaniny ery...fa izay ilay hoe Sinema eh - efa fantatra fa efa azony io ka mbola angatahany indray - plivava re izao - blabla re izao - Ohabolana re izao - fa dia teo aho no niezaka nijery fa kanto be ilay teny gasy mihaingo hainteny...ary tapa-kevitra ny hividy boky fampianarana mikabary mihitsy any aoriana...
Dia lasany hono Ikala, natakalon'ny VODY ondry - ary nolain'ny fa FOZA...tsy FOZAORANA fa fozavavy...
Teo koa no nahitana ARIARY DIMY, efa ela aho tsy nahita an'io an...ny karazam-bola rehetra mantsy no nanaovan-dry zareo tapi-maso...
Tonga dia Firaisana avy hatrany no nitodihan'izy roa kely, hisoratra...
Fa ny tiana ho raiketina dia izao:
Mpaka sary izany maka sary izany...samy maka amin'ny numérique-ny daholo ny olona...angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny fangatahana lasa mpaka sary daholo - angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny soratra mpaka sary daholo - toy izany koa ny tany amin'ny fety...
Fa dia lasa nifampavongovongo eo aloha eo maka sary...ohatran'ireny tena star na mpanao politika ireny hoa izy roa kely...
Enim-bolana lasa izay, nifankahita indray izay...
Aiza daholo hoa ilay sary nalain'olona ireny no toa ireto fotsiny sisa, mantsy azy, EFA NOVONOIN-DRY ZAREO HONO FA TSY NANDALO TANY ISIKA NAKA AZY hoy izy...
Hay moa ka vonoin-dry zareo ilay izy rehefa lasa ny volana "faute d'espace"....
Dia maninona raha tsy naka fa nanelingelina teo aloha teo fotsiny...
izay ilay hoe "GASY FIANAKAMS MPAKA SARY...TSY DIA NY SARY LAOTRA FA FITIAVANA HITSANGANA ENY ALOHA"
fa ilay bà hoa 2 sa 3 eh...manaoainina be ilay mbola manolotra takolaka fahatelo nefa ilay olona efa dify (voarakitra amin'ny horonan-tsary) - avy eo indray ianao mijanona eo amin'ny 2 izy mbola mihodina ametraka fahatelo tena saika teo amin'ny molotra...hummm
27 Jiona, 2009 21:08
Tsy azo hiraina intsony INY LALANA INY?
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ady seza ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
toa hoe tsy azo hihiraina any am-piangonana FJKM itsony "iny lalana iny"...
Satria ve tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoana FJKM?
Koa naninona raha alohany ny nampidirana azy tao amin'ny fihirana raha dia efa notsinjovina izany?
Sa noho izy nohirain'ny andaniny teny an-dalambe?
Tafiditra hatrany ve rangahy ny resaka politika...
AVOHAY POLITIKA
...AVOHAY ANY AM-PIANGONANA
Raha misy hoa ny tsy demokraty indrindra dia ny Fiangonana...
24 Jiona, 2009 22:02
Fa inona no dikan'io Saina io...Saina Malagasy
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mazava ho azy fa hanangan-tsaina aho...Miala tsiny amin'ndry zalahy tompon-kevitra amin'ny amin'ny fanafen-tsaina mandra-paha aho...
Fa inona hoa ny dikan'ny saina gasy eh?
Ilay Mena misy milaza hoe fiandrianana : Jaky...( sa tamin'izany dia efa nisy naminany hoe AREMA?) - sa Ra Mandriaka? - sa doro-tanety (mena = afo eo ambonin'ny maitso = tanety sy ala)
Ary ilay Maitso? : Tontolo iainana ve? ny ala antsinana? - sa inona?
Ary Maninona ny Maitso ao ambanin'ny Mena - tsindrian'ny Mena ? Sa ny Maitsovolo (tanora maitso volo) dia Miaina ambaniny ny Mena foana...?
Ny Mena sy Maitso mba mitsivalana ihany (mandry hilika) - fa ilay fotsy amin'ny sisiny no mitsangana, fa maninona?
Sa hoe Manangana saina fotsy fa resy lava? dia mody asiana mena sy maitso fotsiny...
tena tsy azoko mihitsy hoa ny dikan'ilay Saina?
dia maninona koa no "maitso-fotsy -mena" no fiantso azy fa tsy fotsy mena maitso - sa miady rima amin'ilay hoe ssainam-pirenena
Na dia tsy azoko aza ny dikany dia hanangan-tsaina aho...
20 Jiona, 2009 18:21
Vitsy no ho vonoina ho faty alohan'ny 26 jona...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny , fampandrosoana , Ady seza ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Na hisy Merssa na tsy hisy Merssa...Na ny manam-pahefana na ny Legalista...Na ny misy saina na ny tsisy saina...
Na ny TIMihinana na ny Hazo Amoron-Tevana...
10 Jiona, 2009 02:43
izao va rangahy...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Basy poleta 1, 2, 3
Basy Lava 2
Sabatra 2 miampy 1 efa tapaka
Antsy, grenady
Miaramila 15 samy manambana basy ny sasany tafondro fanao an-tsoroka
Tsipika 2 miampy zana-tsipika
Basy hafahafa (laser angamba)
Fiara haingam-pandeha vitsivitsy...
Biby masiaka maroamaro (liona - dinozoro - dragon - ...)
Aiza moa no tsy hilalao basy rehefa any aoriana any, aiza koa moa no tsy hanao "pointe"...
plastika daholo ireo - ary ilay fiara dia fiara kely kilalao
Tena sahirana mihitsy aho satria dia ireo no kilalaon'ny zanako 3 lahy, ny ankabeazany moa dia azony tamin'ny didim-paotra - ny sasany nitomaniany dia novidiana tsy fidiny...izao ve rangahy...mbola kely ohatr'izao ve dia milalao izany sahady...
Nefa ny dahalo moa ve nilalao basy koa tamin'ny mbola kely?...toa tsy mitombona indray ny eritreritro...aleo rangahy kely ohatran'izao dia manao kilalao miaramila sy ankitifitifitra dia rehefa lehibe mba efa leo ...Mbola mandinika foana aho hoe "mba mitombona koa ve izany"...
Inona no kilalao vidiana ho an'ialahy amin'ny fetin'ialahy? - Raoplanina na Basy...
Miteraha mba hahita hoy Neny izay rehefa mba be moraly izahay fony mbola mpitovo, ka nidradradradra hoa "ny zanako tsy ividianako kilalao mahery setra izany" - hay tsy nahajery voamason-jaza akory rehefa niteraka...
Ary raha hividiana saribakolivavy izy 3 lahy? mety hitondra voka-tsoa sa voka-dratsy?




