05 Jiona, 2009 18:36
proudly malagasy
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny ][ (14) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
BROETY MALAGASY... (araho ny rohy) Namapalaza ny gasy io Hatsikana io ...
Ny Gasy hoa hafa ihany, sady misy sinoa endrika no misy vazaha endrika no misy senegaly endrika, no misy karana endrika sns fa dia gasy ... kompoze (composé sy la soupe no tiana tenenina)...antsiben'Andriamanitra (arc en ciel no tiana tenenina)...Tiako i Malagasy... (tsy misy miresaka TIM na TGV eo...sssh....mandreraka izany...)
Samy manana ny fiteniny...nefa toa teny iray ihany...Mbola tsara...Manao ahoana...Mbarakaly...Akory li...Tsara va tompoko...Salama...sns dia bonjour daholo no dikan'ireo...Tsara hoa ilay samihafa miara-mitoetra...gasy izay...Tiako i Malagasy...
...
Dia ilay manindraindra ny Razana hoa TSY Tiako , Taranak'Andriana e ... Andevo e... Borisatroka e... Foko izao e... Ataovy amin'ilay fombandrazana ... ilay tsy hita izay maharatsy azy e...
Miampy an'ilay Manindraindra havana manana seza : HAVANAY anie Rafitomanana ! (eny havana tsy dia akaiky aloha e)...TSY tiako rehefa tsy nisy nanontany an'izany dia izany no abosesika...
Gasy hono ka hoe...




