Basy poleta 1, 2, 3

Basy Lava 2

Sabatra 2 miampy 1 efa tapaka

Antsy, grenady

Miaramila 15 samy manambana basy ny sasany tafondro fanao an-tsoroka

Tsipika 2 miampy zana-tsipika

Basy hafahafa (laser angamba)

Fiara haingam-pandeha vitsivitsy...

Biby masiaka maroamaro (liona - dinozoro - dragon - ...)

Aiza moa no tsy hilalao basy rehefa any aoriana any, aiza koa moa no tsy hanao "pointe"...

plastika daholo ireo - ary ilay fiara dia fiara kely kilalao

Tena sahirana mihitsy aho satria dia ireo no kilalaon'ny zanako 3 lahy, ny ankabeazany moa dia azony tamin'ny didim-paotra - ny sasany nitomaniany dia novidiana tsy fidiny...izao ve rangahy...mbola kely ohatr'izao ve dia milalao izany sahady...

Nefa ny dahalo moa ve nilalao basy koa tamin'ny mbola kely?...toa tsy mitombona indray ny eritreritro...aleo rangahy kely ohatran'izao dia manao kilalao miaramila sy ankitifitifitra dia rehefa lehibe mba efa leo ...Mbola mandinika foana aho hoe "mba mitombona koa ve izany"...

Inona no kilalao vidiana ho an'ialahy amin'ny fetin'ialahy? - Raoplanina na Basy...

Miteraha mba hahita hoy Neny izay rehefa mba be moraly izahay fony mbola mpitovo, ka nidradradradra hoa "ny zanako tsy ividianako kilalao mahery setra izany" - hay tsy nahajery voamason-jaza akory rehefa niteraka...

Ary raha hividiana saribakolivavy izy 3 lahy? mety hitondra voka-tsoa sa voka-dratsy?