Eh tsy resaka viva ity...."Misy apostoly folo roa ao anaty baiboly..."

Tena izay aho vao tena nandinika ny Fomba fanisana malagasy nohatsaraina jereo eto aho 


ireto ny sombintsombiny:

372 : Telonjato fitopolo roa

28 518 906 : Roapolo valo tapitrisa  dimanjato folo valo arivo  sivinjato enina

 ...

Ny fomba fanisana natolotra eto, antsoina hoe « Fomba fanisana malagasy nohatsaraina » dia mahafeno ny fepetra rehetra takiana amin'ny fomba fanisana siantifika moderna : noho izany, ity « Fomba fanisana malagasy vaovao » ity dia fomba fanisana siantifika tanteraka :

Tsy misy kilema / Zero default / Zéro défaut.

Mahomby tanteraka io fomba fanisana vaovao io.

  Novolavolaina sy narindran'i
Andriamihaja Solonavalona.
Akademiam-Pirenena Malagasy.


 ... tsy haiko aloha hoe efa tena io tokoa ve no ampiharina, sa mbola soso-kevitra izy io...

tamin'ny taona 2002 mantsy no nanoratan'ny mpanoratra azy...nefa mbola misoratra amin'ny vola gasy ny IRAY ALINA izay nivaoka taty aorian'ny taona 2002, ka izay no nampisalasala ahy...

Ireto no zava-dehibe misongadina:

- tokony tsisy alina itsony fa ny folo arivo no fihinina...

- tokony tsisy Hetsy itsony fa ny Tapitrisa no manaraka ny arivo...(tsy haiko itsony hoe firy moa ny iray hetsy :1 000 000 sa 100 000)

- tokony tsisy aotra itsony fa zero no tazomina...

- ary tokony tsisy AMBY sy SY itsony koa...

Ka raha nanoratra aho tery ambony hoe :misy apostoly folo roa ao anaty baiboly dia 12 no tiana lazaina fa tsy 10  anankiroa...

Hay efa nitombo telo izany izao ny fomba fanononana isa teto Madagasikara fa izaho no tsy naharaka - ny 12 = roa ambin'ny folo - folo roa amby - folo roa...

ISa ny amontana - roa ny aviavy - telo fangady...

Fa dia mitory teny any an'efitra ireto Akademia ireto...

tondroy izay valiny marina (ny dikan’ny asa… eto dia valinteny mitovitovy @ hoe tsy fantatro)MIANATRA MANISA SY MANAO KAJY:
  • ampitomboy 1 io paoma 1 io, dia lasa firy izany ny paoma

                        2  - 1 - asa… 

  • ampio 1 io paoma 1 io,dia lasa firy izany ny paoma… 

               2 - 1 - asa...(fa 1 ampitomboana 1, firy e? ary 1 ampiana 1, firy? mandehana miverina any amin’ny garabola…ampianarina manao kajy(tohiny)

tsy nanatrika ilay famelabelaran-kevitra nataon’i Di… aho, fa nahita famintinana ambangovangony tamin’ny gazety tribune, nilaza fa “afaka 50 taona dia mety ho foana ny teny gasy…”, ary toy izany koa ny an’i Côte d’Ivoire…amin’ny teny frantsay ilay vaovao

samia velon’aina afaka 50 taona, dia ho hita eo ny fahamarinany…sa ahoana ry Di…? mba firy taona tokoa moa ianao afaka 50 taona ry Di…?

Fa kosa…firy taona teto no nisy fanjanahan-tany, nampiasana ny teny baiko, nahafaty ny teny gasy ve izany?… (tohiny)