25 Martsa, 2009 11:56
Sinoa, Senegaly,Vazaha, Comores
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ fampandrosoana , Sinoa , Afrikana , Ady seza , Vazaha ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Dia tena nihatra tokoa ireto fomba fiteny ireto…
Sinoa very entana (Behoririka - nanjakan’ny fandrobana - feno fitoeram-pivarotana sinoa)
Sonegaly nahazo baiko (na ny be grady indrindra na ny kely grady indrindra )
Vazaha tara sambo : (niezaka nanenjika ilay sambo ihany ilay vazaha, ary nandeha fiaramanidina mihitsy hanenjehana izany sambo izany, ny sambo nontaigenan’ny endrikendrim-bazaha toa azy anefa efa lasa [izahay tsy hiverina hoy ry zareo raha tsy ny vahoaka rehetra no antsoina hoe vahoaka], tara sambo Ingahy, naka vedety ihany ny niafarany…)
Echauffement -ny Comores : (be fihetsiketsehana alohan’ny lalao, avy eo rehefa tena lalao tsy misy atokona…)
Manontany basy amin’ny Anglisy (eny soanierana ny fitoerana basy)
Vazaha lany mofo (Touriste-ny 13 Mai)
Départ Américain (nankany swaziland)
14 Novambra, 2008 12:06
Ny fifankatiavan'ny sinoa sy ny gasy
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ fampandrosoana , Sinoa ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Teo andohan'Analakely...
Mbola ao ve io trano io amin'izao...efa ela koa aho no tsy tany...(sary nalaina jolay 2008)
Ny sary moa be tsy miteny izay ka ampitenenina: - norakofan'ny fifankatiavana amin'ny sinoa ilay Trano gasy aoriana (EPP Soarano) - mpivarotra sinoa mazava ho azy no tao taloha fa noravaina ny tao anatin'io trano io taty aoriana (nohavaozina angamba?) - ireo miankina amin'ny rindrina ireo ny gasy tsy miasa, mivarotra entam-barotra fa tsy hoe avy niantsena akory ka be entana...angamba hihazakazaka hitsaoka ry zareo rehefa kelikely fa ho henjehin'ny Polisin'ny Kaomina - tamin'ny andron'i Profesera ZAFY no nanombohan'ity fifankatiavana ity...
Ankehitriny dia efa 5 ETOILES izany FIFANKATIAVANA izany raha nanomboka tamin'ny Biriky toy izao...





