25 Novambra, 2008 12:45
Moramora DADA...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny , mpianakavy ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
- Moramora Dada a...
- Nankaiza i Dada teo...
- Mba jereo aloha io zavatra io ry Dada...
Tafara-dalana niaraka tamin'ny olona roa (lahy sy vavy) ...nifampiresaka tsara ho azy...ka dia tsy aritro ny mba nandrakitra kely io sombin-dresaka eo ambony io ... ny "présentation" moa adino, fa tonga dia nafana ny resaka, ny lalana lavitra rahateo...
Ilay vehivavy mbola mampite-hizaha, samy tsy misy peratra ny tanany...sombin-dresak'ilay vehivavy, amin'ilay lehilahy sy mikasika ilay lehilahy io voasoratro eo ambony io...
Ela ny ela...tsy teo kely ilay lehilahy..."iza moa no anaranao"hoy aho mantsy ilay vehivavy, "i Solange"hoy izy...
Niverina ary ity lehilahy...nitohy ny tafatafa...tafateny aho hoe "hitan'i Dadan'i Solange, izao sy izao no ..." - tsy tapitra akory ny teniko...dia nanapaka i Solange...:
-"tsy dadako anie io fa vadiko e..."
Tankina aho...sady menatra fa diso...
Taty aoriana ao vao nandinika fa tsy i Solange mivady ihany no mifampiantso Dada sy Mama...fa mpivady be dia be...dia hoy aho tamin'ny vadiko, rehefa izy roa irery koa ve mbola Dada sy Mama ihany:"Moramora Dada..." ---"Ao moa Neny a..."... izany kosa ve tsy "inceste"...
aleo ny antsika mivady "malala" ihany sao dia mieritreritra ny Dadanao eo ianao rehefa tafaraka isika...
bof...
18 Novambra, 2008 21:56
MIVAVAKA... MIVAHAVAHA KA...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ finoana , mpianakavy ][ (15) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Anisan'ny nanombohako nivavaka tsy nikipy angamba ny fisian'ny Saka tao an-trano...Saka matsilo saina ary mahay mangarom-bilia sy vilany...ny mpianakavy variana mikipy iny no mitsoriaka izy maka ny laoka eo ambony latabatra (sikidiman no anarany), efa any ambany farafara any an'efitra izy rehefa vita ny vavaka...
Dia avy eo indray, lasa tsy miseho mivavaka itsony aho alohan'ny sakafo, fa novitaiko amin'ny fomba tsotra dia tsotra...amin'ny hoe "misaotra Andriamanitr'o!"...matetika any an-tsaiko fotsiny io fa tonga dia lasa amin'ny angady sy ny harona (sotro sy vilia mantsy e!)...dia nanontany ny vadiko "fa dia ahoana loatra re?", hoy izy...
"izaho angaha sain-kanina hoa...ka rehefa misakafo ihany vao miseho aminareo hoe misaotra an'Andriamanitra...Andriamanitra irery no mahita ny ao am-poko (ao amin'ny mangingina), sy maheno izay vavaka ataoko mikasika ity sakafo ity...Raha tan'ty moa ka be sira tsy azo hohanina io laoka io, nefa efa nalefa aloha ny vavaka fisaorana, dia sintomina indray ve ilay vavaka?...Ary jesosy koa hoa niandrandra ny lanitra ka nisaotra alohan'ny sakafo... fa tsy nikipy...ny tsara angamba aleo VOKY tsara isika vao miaraka MISAOTRA an 'Andriamanitra..."
Fa ilay vavaka Toriteny no tena tsy laitra, indrindra raha alohan'ny sakafo...pasohana sy dokafana ery Andriamanitra (manaotra noho ny manompo sampy)...dia avy atoro azy izay tokony ataony (tahakan'ireny tsy TSITOHA ireny Izy)...dia avy eo raha misy olona tiana ho tifirina ankolaka dia tifirina ankolaka ao amin'ilay vavaka...ssssh...
Dia miverina amin'ity Ntaolo be vazivazy ity aho: "mivavaha ho'aho ianao"..."mivahavaha ho'aho ianao"...tsy hay itsony izay tiany ho tenenina...,
Dia averiko eto ilay andalana ao anatin'ny vavaka alohan'ny sakafo, fanao matetika:
"Tahio ny sakafonay...", io no fanoratra azy...fa ny fiteny azy dia mety ho hafa mihitsy raha tsy tononina tsara, raha adika "Firinga io no sakafonay" ...tsy misy miteny "h" izany...mananihany an'Andriamanitra
"dia samy ho tahian'Andriamanitra e"...matetika anefa adino ny miteny ny "h" sy "a" amin'ny "hia"...ka lasa nanontany tena hoe "inona an'andriamanitra a?" ...
Kabary tsy valiana io lehiroa...
13 Novambra, 2008 11:16
Mpivarotra tanindrazana izahay...
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny , fampandrosoana , mpianakavy , Ady seza ][ (11) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mpivarotra tanindrazana izahay...tanindrazana azo tamin'ny fitsembohan'ny razanay...tanindrazana tsy foin'ny razanay... (tohiny)




