14 Novambra, 2008 12:06
Ny fifankatiavan'ny sinoa sy ny gasy
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ fampandrosoana , Sinoa ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Teo andohan'Analakely...
Mbola ao ve io trano io amin'izao...efa ela koa aho no tsy tany...(sary nalaina jolay 2008)
Ny sary moa be tsy miteny izay ka ampitenenina: - norakofan'ny fifankatiavana amin'ny sinoa ilay Trano gasy aoriana (EPP Soarano) - mpivarotra sinoa mazava ho azy no tao taloha fa noravaina ny tao anatin'io trano io taty aoriana (nohavaozina angamba?) - ireo miankina amin'ny rindrina ireo ny gasy tsy miasa, mivarotra entam-barotra fa tsy hoe avy niantsena akory ka be entana...angamba hihazakazaka hitsaoka ry zareo rehefa kelikely fa ho henjehin'ny Polisin'ny Kaomina - tamin'ny andron'i Profesera ZAFY no nanombohan'ity fifankatiavana ity...
Ankehitriny dia efa 5 ETOILES izany FIFANKATIAVANA izany raha nanomboka tamin'ny Biriky toy izao...






14/11/2008, 13:17
Eo akaikin'ny toby miaramila RM1 ve no nisy azy ity? Efa endrika hafa mihitsy no eo raha ilay eo ampitan'ny BNI io asehon'i Finoanaranoray io. Mpivarotra kapila mangirana tena izy fa tsy hosoka matanjaka be izay no eo amin'izao fotoana.
14/11/2008, 15:08
Tena diso ANGAMBA ilay andohan'Analakely fa Ambodinanalakely, nifamadika :-), aty akaikin'ny EPP Soarano no izy...
EPP Soarano io trano gasy ao ambadika rakotrin'ny FIFANKATIAVANA io...
14/11/2008, 18:57
tena tsy azoko veroka hoe aiza ho aiza re !!!
Ka ilay FIFANKATIAVANA ve association culturelle sa inona e ?
14/11/2008, 20:46
Finoanaranoray < tandremo raha ampifamadihanao ny v.o.d.y sy ny l.o.h.a izany fa gravy be !!! ha ha ha !
15/11/2008, 08:36
Raha tsy diso ny fitadidiko dia io no mpivarotra "made in china" (sty kalitao CE) anisan'ny voalohany tao Tana, tamin'izy mbola nisokatra...sinoa tsy mahay teny gasy no nivarotra ankanjo, kilalao, kitapo, kiraro tao ...
Fanombohan'ny fiaraha-miasa tamin'ny sinoa ...niarakaraka tamin'ny nanaovana an'i "Palais de sport Mahamasina"...
Io no niafarany...(tamin'ny hitako farany)...
i Andry Rajoelina io nametraka fefy manga takony 2cv io...
Raha tsy hitanao dia mandroso (na mihemotra) kely fotsiny ianao dia tonga eo amin'ny "building Ramaroson"...mihemotra (na mandroso) kely fotsiny dia eo amin'ny firaisana Voalohany...
15/11/2008, 12:11
Kdaomb, miala tsiny fa efa zatra mihinana mofo dipaina dia tsy mahalala itsony hoe aiza moa ny lohamofo dia aiza ny vodimofo...
15/11/2008, 13:58
lol
vao haingana ve io sary io?
otran'ny tsy mba tadidiko nisy otr'zao teny soarano teny kle :)
mais bon, za koa ratsy fitadidy aloha ee...
15/11/2008, 20:19
Mifankatia kosa anie izany ny sinoa sy ny gasy e.
15/11/2008, 20:31
Eo ampitan'ny building Ramaroson io, ilay coin manasaraka ny lalana hiakatra any Vavambiby sy ho any Behoririka na Tsiazotafo raha azoko an-tsaina tsara.
15/11/2008, 20:35
2ème hypothèse koa : mpivarotra cd originals io ankehitriny, eo ampitan'ny Fiangonana Protestanta Analakely sy ny BNI. Ilay làlana miankavia dia mandeha makany ambadiky ny pavillons, ilay miankavanana raha tohizana dia mandeha miakatra mankany amin'ny Place Goëlette ! Ka ahoana, iza no marina ?
15/11/2008, 20:41
ilay voalohany ...mety ho marina...fa eo ampita eo ho'aho ny firaisana voalohany...ao aorian'ilay 2cv...dia raha mitohy any alohan'ny 2cv dia mandalo ny "building Ramaroson" na mankany amin'ny "Cheminot"...
izaho koa ary toa lasa misalasala...
O ry zareo ao tana a, mbola ao ve io trano io?
07/12/2008, 13:09
Ary satria tsy misy miteny ny avy ao Tana dia ataoko vain-dohan-draharaha ny fakana sary indray io toerana io vao tonga ao Tana aho...satria dia manan-tantara be io toerana io...nanambohan'ny fiparitahin'ny entan-tsinoa teto Madagasikara... sy niafaran'ilay fomba fiteny hoe "SINOA VERY ENTANA"