faritra analamanga ampahany
Ny rova iry managasanga ery amin'ny sisiny ankavia iry...ranon'ambohibao ny aty amin' ny sisiny ankavanana , Tendrombohitra Ambohimanarina ve (?) io afovoany io, ny eo ambaniny mikisaka kely miankavanana dia ny Ambatobe Lycée Français (miloko briky) , trano villa naorin'ny sinoa (raha tsy diso aho) ilay midorehitra mitafo mena ery ankavia ambanin'ny rova 
......


eny moa ilay hoe ambohimailala ???
ny marais masay ilay rano tazana @ sary afovoany !
tena tsy haiko rangahy ny anaran'ilay tanana nalehako a...ao aorianako ao izao ry Ilafy...eny antampony be ilay izy...tanana villa kely be dia be vao naorina tsy ela, ary agence immobilière vazaha no tompony sa manao bail (?) ireo toerana...
Ary aiza nareo no maka sary. Aiza io tamboho biriky tanimanga io?
ambohitrolomahitsy ? miditra avy eo @ lycée français eo ambatobe dia mianika miatsinana na... miditra eo ankavian'ny tambohon'ny advantista eo Mahazo moa ? dia manohy ny làlana mianika an'ilay tendrombohitra io
ie tena izay ilay lalana nalehanay rajiosy...nanontaniako ry zareo any Tana, dia tena Ambohimailala tokoa no anaran'ilay tanana e...