24 Jiona, 2009 22:02
Fa inona no dikan'io Saina io...Saina Malagasy
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ankapobeny ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mazava ho azy fa hanangan-tsaina aho...Miala tsiny amin'ndry zalahy tompon-kevitra amin'ny amin'ny fanafen-tsaina mandra-paha aho...
Fa inona hoa ny dikan'ny saina gasy eh?
Ilay Mena misy milaza hoe fiandrianana : Jaky...( sa tamin'izany dia efa nisy naminany hoe AREMA?) - sa Ra Mandriaka? - sa doro-tanety (mena = afo eo ambonin'ny maitso = tanety sy ala)
Ary ilay Maitso? : Tontolo iainana ve? ny ala antsinana? - sa inona?
Ary Maninona ny Maitso ao ambanin'ny Mena - tsindrian'ny Mena ? Sa ny Maitsovolo (tanora maitso volo) dia Miaina ambaniny ny Mena foana...?
Ny Mena sy Maitso mba mitsivalana ihany (mandry hilika) - fa ilay fotsy amin'ny sisiny no mitsangana, fa maninona?
Sa hoe Manangana saina fotsy fa resy lava? dia mody asiana mena sy maitso fotsiny...
tena tsy azoko mihitsy hoa ny dikan'ilay Saina?
dia maninona koa no "maitso-fotsy -mena" no fiantso azy fa tsy fotsy mena maitso - sa miady rima amin'ilay hoe ssainam-pirenena
Na dia tsy azoko aza ny dikany dia hanangan-tsaina aho...





24/06/2009, 23:10
MIsaotra anao Finoanaranoray namaly ny hafatro
25/06/2009, 02:22
fa na diso aza ny fandaharana ilay loko - raha tena fotsy-mena-maitso no tena izy - tsy tokony atao ao andamosin'ny frantsay daholo ny rihitra e ! Aiza ka h@ tsy fahaizana mandahatra lokon-tsaina avy ve dia ho vokatry ny fanjanahatany frantsay - lollll
Dia ho tratry ny asaramanitra rainy a !
25/06/2009, 09:31
Izaho koa mba gaga ry Ikalamako...
Ohatran'ny dia tena hoe tsy mandroso mihitsy i La Réunion sy ny Nosy rehetra ohatra azy eo ambany fiahian'ny Frantsay...
Tsy midika akory izany hoe ndao hiverina CFA fa hoe tsy tokony hahilika amin'ny Frantsay mihitsy ny rihitra rehetra...
Fa mba misy anjaran'ny Amerikana koa ohatra...
27/06/2009, 10:53
...La couleur du drapeau actuel, le blanc, rouge et vert symbolise la pureté, la souveraineté et l’espérance. Sa forme et ses trois couleurs ont été prises après un sondage effectué avant l’indépendance...
Annick Sedson
Les Nouvelles 25/06/09
http://www.les-nouvelles.com/
hay ve eh...