27 Jiona, 2009 21:08
Tsy azo hiraina intsony INY LALANA INY?
Nampidirin'i finoanaranoray, Sokajy [ Ady seza ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
toa hoe tsy azo hihiraina any am-piangonana FJKM itsony "iny lalana iny"...
Satria ve tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoana FJKM?
Koa naninona raha alohany ny nampidirana azy tao amin'ny fihirana raha dia efa notsinjovina izany?
Sa noho izy nohirain'ny andaniny teny an-dalambe?
Tafiditra hatrany ve rangahy ny resaka politika...
AVOHAY POLITIKA
...AVOHAY ANY AM-PIANGONANA
Raha misy hoa ny tsy demokraty indrindra dia ny Fiangonana...





28/06/2009, 08:17
Tsy ao anatyfihirana FFPM mihitsy ny iny lalana iny ka! hiram-pifohazana izy fa tsy hiram-piangonana, asa raha ho azonao izany lazaiko izany na tsia
28/06/2009, 10:03
Ahoana kosa moa no hanantenanao demokrasia any am-piangonana ?
Araka ny voambolana fampiasa hatrizay dia "asa fanompoana" anie ny any am-piangonana, fa tsy hoe fandravonana ny hevitry ny be sy ny maro akory.
29/06/2009, 10:19
Jentilisa: fa fihirana fanampin'ny fanampiny ve no misy azy?...(angamba ilay fihirana tiana tenenina tsy dia ilay boky loatra fa ilay hira fihira)
Fa ilay izy tsy azo hiraina anie no mampihomehy mampalahelo e...satria nisy fotoana nohiraina izy iny...
Ndrina:lasa mpanao politika ny fiangonana raha marina fa noho izy nohiraina ny hafa teny an-dalambé no antony?
ENGA ANIE MBA TSY HO IZANY NO ANTONY