hisy fokontany ho ravana...?

Published on 10/11,2008

Antananarivo miofo... 

raha nihaino ny tenin'ny Ministra aho dia nanontany tena hoe hisy fokontany ho ravana izany?

...noho ny fanitarana ny lalana mba hampihena ny "embouteillage"?

 

 

 

 

 

 

 

...noho ny fametrahana drafitra  sy foto-drafitr'asa maharitra mikasika ny fanarian-drano maloto?

... dia Atao aiza tokoa moa ireo olona be dia be mipetraka eny amin'ny fokontany tsizarizary ireo?...hanorenana trano miendrika "cité" misy rihana maromaro?...[ny Kaomina tamin'izany dia nahavita ao Soavinandriana (akaikin'ny Hopitaly Soavinandriana - Betongolo)...ireo kaompaniam-piantohana nanao torak'izany (Aro,...)...ny CNaPS toa nanao fa asa na vitany hatramin'ny farany...Ny fanjakana taloha nanao ny  "35 000 logements", ny teny akaikin'i Iavoloha moa dia io hita io ny niafarany... ]...

...Raha atao "vente location" izany hevitra izany dia mety hoe tsy mahaloa ny vidiny ireo ho rava trano?

...dia tsy maintsy mihafy izany mba hanatsarana ny tanana?

 dia hivaotra ny fomba fijerin'ity vazaha ity (nisy ny sary sasatsasany): http://antananarivo.canalblog.com/

sy ity olona ity http://www.voyages.liberation.fr/jeunesse-dun-tour-du-monde/madagascar-les-sens-dessus-dessous

ary ity http://www.frehel-cap-amitie-partage.com/article-12452165.html

 


Hevitra

  1. maintikely

    izay ilay hoe mila mesure d'accompagnement ny fanapahan_kevitra toy izao.
    Nefa adinonao fa matetika ireny trano ireny dia fanamboarana tsy manara-penitra (construction illicite) ary tsy tompon'ny tany akory ny any @ 90%n'ireny olona ireny.

    Ny tokony atao anga dia manorina toerana hipetrahan-dry zareo. Tantara be koa anefa izany


  2. Tokinao

    Tena marina daholo tokoa ny fanamarihana voalazan'ireo rohy 3 nomenao ireo. Tsy mandainga mihitsy izy.


  3. HERY

    Dia mba hojereko ireo rohy napetrakao ireo !
    misaotra !

    Mahereza !


  4. Rasoa

    Tonga koa ny fotoana mba hanaparitahana ny olona eto Antananrivo fa tena miangona eto daholo, nefa ny tany midadasika ! Exode rurale excessif. Fa mila reloger-na koa ireo olona very tany na izany ary ! Fivoarana daholo izany ka tsy atao mahakivy. raha mandalo eny besarety matetika ianao rehefa avy orambe na mipetraka eny dia hahatsapa izany hoe mila hatsaraina ny canalisations eto Antananrivo.


  5. Rasoa

    Tena nalahelo aho nahita ilay reportage kely @ ilay lien faharoa io dia mba nametraka commentaires fa tsy mety mivoaka ilay izy ! C'est trop.



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article