ankanjonaa no ianao
Eo moa ny filazan’izay mpandinika 01 izay, mikasika ny ankanjon’ny gasy…
Rehefa Sabotsy sy Alahady hoy izy , na @ andro tsy fiasana dia izao no ahafantarana ny sokajin-karenan’ny olona (tsy dia mitombona 100% izy ity), ny manankarena manao ankanjo « jogging » miaraka @ kiraro « tennis » na di tsy hanao fanatanjaha-tena aza izy, ny antononontonony kosa dia mitovitovy @ izay ihany fa tsy dia tena ilay « marque » malaza… fa rehefa alahady hoy izy dia eo no manararaotra manao ankanjo mihaja ny madinika … noho ny maha madinika azy anefa dia matetika mampihomehy ny ankanjo mihajany…tsy mifanaraka ny loko… malalaka be ilay ankanjo…mihantona be ny pataloha…(ary mitondra baiboly sy fihirana)… dia mandeha tongotra… na taxi be…ary mifanjohy maromaro…
Dia mitohy ihany …matetika ny manankarena, hoy izy, dia na loko matroka ny ankanjo mihajany na mazava be (palitao mainty, fotsy fa tsy misy volombatolalaka na mena…) ary raha lehilahy izy dia “cravate” loko ranoray…
Inona koa no mariky ny fandrosoana ara-toe-karena hoy izy, ny kiraro, rehefa tsy any am-piangonana dia mipirina ny kiraro mihaja (ankaotran’ny fotoana mihaja), ny kiraro hoy izy no tsy zakan’ny olona voalohany indrindra, atsipiny io rehefa mafy ny fiainany, soloiny « skoubidou » ary ny hanasa ny tongony no asa sarotra indrindra mifanaraka @ izany – mankaneasa eny antsena dia isao ny olona mikapa – ny mikiraro – ary ny maloto faladia mikapa, fa izay ny PIB…
Miankanjo mihaja tsara rehefa, mankany ampiangonana… tsy ny fiangonana rehetra no resahako etoana…mampiseho fa tahian’ Atra ny tena ? manaja an’Atra ? mba firy ny fiangonana misy mpiangona mikapa ? – impiry mba ho jejojejo koa moa ny saranga tsy ambony – fa na dia izany aza mijaikojaiko mody raha vao manomboka ny vokatra…
Mba iza loatra re no nampiditra an’io Kolontsaina miankanjo mihaja tsara rehefa mankany am-piangonana io e ?
05 Novembre 07 blaogy.org