nahitana elefanta tao Tana...

Published on 09/08,2009

Nahitana Elefanta tao Tana...Nisy Elefanta hita hono dia nanapa-kevitra ny fokonolona fa handefa solon-tena hijery sy hamakafaka...

Ny nampalahelo anefa dia ireo jamba efa-dahy no voatendry fa hisolo tena ny fokonolona...

Jamba jamba ihany ka dia ny fofona sy ny tsapa-tanana no miasa fa tsy ny maso...

Niverina avy any ry zalahy efa-dahy:

hoy ny iray masiso be izany elefanta izany - ka tsy mila an'izany isika, sady boribory be anankiroa misy lavalava (satria ny vodiny fotsiny no notsapainy dia nody izy)

hoy ny faharoa hazo be izany elefanta izany sady tsy misy raviny mihitsy ka tsy mila mamboly an'izany isika (satria ny tongony fotsiny no voatsapany dia niala izy)

hoy ny fahatelo misy lava be mihetsiketsika izany elefanta izany sady manenoneno ka ilaintsika hampatoriana zaza (satria ny orony fotsiny no notsapainy dia lasa niverina izy)

hoy ny fahaefatra mikopakopaka be izany elefanta izany (ny azy sofiny fotsiny dia izay)...

Dia nanao tatitra tamin'ny fokonolona...dia nizarazara ho vahoaka ny fokonolona...

Nahitana Elefanta hono tany Madagasikara...


Hevitra

  1. fahamarinana

    hihihi ! tapaka ny tsinaiko na dia tokony tsy hivanitika aza ! Ilay fomba fitondranao azy no tena hihihi....:-)


  2. Kdaombaramita

    Ary tsy nifanena tamin'ireo rameva 5 angaha ianao ? Toa nanjavona izy ireo h@ nikorontanan'ny fokonolona !


  3. Ibemôraly

    Mitovy @ lay hoe "tenez, voilà une pèce d'or pour vous trois" ity e! nefa tsy nisy nandray akory izay pièce d'or fa samy jamba moa izy telo. Nefa niray feo fa handeha hihinana sy hisotro ao @ hotely lehibe sy lafo vidy fa efa nahazo pièce d'or. Ka rehefa tonga ny fandoavana ny addition vao hoe aloavy ny volan'olona fa any @ là ilay izy, dia nifanilaka teo, ka hay moa tsisy ty pièce d'or!!!! Morale



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article