Angatra manangatra
Misy angatra hoa ato antranoko ato fa tsy haiko hoe ahoana no atao?
Ny nanombohan’ny nanangaran'ilay raika lahy taloha, no nampikorontana ny trano tahak'izao (anisany fa tsy iny ihany ry ise a)...gravy...aiza moa izao ny hafatra tamin'iny?...na izaho koa aza mbola tsy naheno azy hatramin'ny farany...
dia hoe "matotoa ao ambadiky ny zana-drazana io e...izao hoe...izao hoe..." ---- nefa aiza akory fa ny angatra samy angatra no mifanohana...
fa ny iray nahazo "micro" – nisy nanome “micro” - (inona moa no dikan'ny "micro" amin'ny teny gasy?)...raha efa nitatatata ela tsy nisy mpihaino - rehefa nampitahotra ela tsy nisy natahorana...dia nahazo micro…vao maika nahazo vahana ny fanangarany
Ny iray moa te hanangatra mafy dia mafy ka zarany aza misy an’ireo roa hanampy azy…
Mangidihidy hoa lohako fa misy angandrano…
Aiza moa aho no tsy OLP
Dia mahakamo ny miresaka amin'ilay akama iray...izao foana ny azy no averimberiny:
- Noho i Joely dia izao mitotongana be i vola
- Noho i Joely dia tsy miasa itsony ry Franche
- Noho i Joely dia nihe ny vidin'ny ronono...
Ny an'ilay namana iray indray dia:
- Noho i Manana dia ariana fotsiny ny ronono any an-dafy
- Noho i Manana dia mba mikarama vary masaka i Franche
ssh leo aho ka aleo hidaboka any