Didy vaovao no omeko anareo...
Published on 09/28,2009
Didy vaovao no omeko anareo Didy vaovao no omeko anareo dia ny…efa fantatra ny tohiny ho an’izay mpamaky baiboly sy mpihaino toriteny…nefa tsy izay ô… Didy nivaoka izy ity noho ny fandalovana tao amin’ny Tanana, ka nahitana ny tsy fivoaran’ny tanana
Didy vaovao no omeko anareo:
- Rarana ny hirotsahan’ny ben’ny tananan’Antananarivo amin’ny fifidianana hiady toerana ho Filoham-pirenena raha mbola tsy tapitra ny fotoam-piasany, ohatra mivaingana amin’izany ny tamin’ny 2002 – betsaka tamin’ny propagandin’I Ramose Lemaire no mbola tokony ataony nefa dia naleony nirotsaka ary dia tantara be…
- Rarana ny hirotsahan’ny ben’ny tananan’Antananarivo andalambe hiady toerana ho Filoham-pirenena raha mbola tsy tapitra ny fotoam-piasany ohatra mivaingana amin’izany ny tamin’ny 2008 – betsaka tamin’ny propagandin’I Ramose Lemaire no mbola tokony ataony nefa dia naleony nirotsaka an dalambe ary dia tantara be…
- Rarana ny hanendrena ny ben’ny tananan’Antananarivo ho minisitra raha mbola tsy tapitra ny fotoam-piasany ohatra mivaingana amin’izany ny nahalasa minisitra an’I Ramose Lemaire vao lany vetivety tamin’izany betsaka tamin’ny propagandin’I Ramose Lemaire no mbola tokony ataony nefa dia voatendry izy moa ka atao ahoana...
- Didiana izay ben’ny tananan’Antananarivo mba hanatsara ny tanana foana raha mbola tsy tapitra ny fotoam-piasany fa tsy rehefa misy Lalaon’ny Nosy na Fihaonambe goavana iraisam-pirenena (oh: frankofonia) ihany vao mody manamboatra “jet d’eau”.
- Didiana izay ben’ny tananan’Antananarivo mba tsy hidongy raha mbola tsy tapitra ny fotoam-piasany raha toa ka atao amin’ny kaomina hafa ny Fihaonambe goavana iraisam-pirenena
- Rarana ny fanelingelenana amin’ny tsy antony ataon’ny Fanjakana foibe amin’ny Ben’ny Tanana raha mbola tsy tapitra ny fotoam-piasany fa didiana kosa ny fifanomezan-tanana.
- Didiana ny ampifanakaikezina ny daty fotoam-pifidianana Filoha sy Ben’ny Tanana mba hiarakaraka ho tapitra ny mandat-ny.
- Afindra eny akaikin'ny lakan-dranon'Andrantany ny Biraon'i Ramose Lemaire mba hahitany ny eny ambany Tanana manditra ny fotoam-piasany...
Eh kivazivazy iray an-dalana…fa ataovy izay hitanareo fa mety...