Konakonaime

Published on 09/30,2009

Manahirana an-Drafotsy mihitsy rehefa misolifatra ilay teny hoe kona konaime, asa aloha na miteraka faka mangidy any amin’ny fony na tsia … 

Jeneraly iray izay no nahenoiko io teny voalohany indrindra, ary dia fiteny tao antsaiko rehefa tsindraindray…taty aoriana anefa votsitra teo imason-drafotsy ilay izy…dia fantatra ihany moa ny talentan’ny taranak’I Eva raha hanao fanadihadiana fa dia resiny ny C I S sy C I A…ny teknikan-dRavalo manana ireny tsy misy valera aminy (Colonel Ravalo manana Rich ard io Fa tsy ilay Ravalo manana iray)…Miala fondro manonona anarana Tompoko… 

Rehefa tratran’ny hadihady misesy moa dia tsy maintsy manaboraka…satria mety misy sanction ny farany raha be loha eo (embargo ohatra)…ho aiza koa moa ny tena efa lahy tsy dia tanora firy ity… 

Konakonaime… sa KonaimeKona

Mivaoka mantsy io andian-teny mpanakorontana io raha vao andalovan-dry vatombantony na iseranan-dr’ilay iraika taloha nametra-pialana…rehefa mitady hitsiriritra e… 

Ny an’ny tena aloha tsy dia hoe tanteraka tanteraka, fa misy tsy ananany ihany ny ananan’ny hafa ka dia konakonaime fotsiny… 

Tsy maintsy maty ankazotokana ihany ny hiafarany… sady matahotra an'andriamanitra bekoa

Konakonaime mitovitovy amin’ilay hoe revena manja…ka piho amin’izay io jiro io fa hitako be ianao…    

A DEFAUT DE LA FEMME QU ON AIME ON SE CONTENTE DE LA FEMME QU ON A 

Bisous be Malala…  


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article