Gravy ny hira...
Misy marina ve izany hoe "message subliminal"? fa dia tena misy hira ohatran'ny mandrisika hanaraka firehana tsy eken'ny saina...mahagaga fa lasa miverimberina ao an-tsaina tsy mety miala mandritra ny andro ilay hira...
Miala tsiny aminareo mpanakanto mpihirahira fanentanana hitolona aho fa dia VONOIKO tsy hoe ho tifiriko ny Basy akory fa vonoiko ao an-tsaina…ny hira toy izany.
Ao indray ireo Hira malaheloelo : hira mivetso fisarahana ohatra...lasa te-hisaraka ho azy teo rehefa mihaino elaela, fa angaha tsy loza...dia mamorona ady mangatsiaka amin'ny andefimandry, te ahita azy mandeha miala...dia avy eo te hiantso azy indray - nefa anie dia tsara ery ny mihaino ilay hira e, ao tsara daholo ny hakantony…
Ary koa tadidy ilay fihetsikin’ny Ray aman-dreninay tamin’izany…Samoela nanao hira mivatambatana, fa dia tsy tian’ny Ray aman-dreny mihitsy fa tonga dia hoe “vonoy any izany”fa manimba saina…nefa rehefa hira vazaha, toy ny “Faisons l’amour avant de nous dire adieu…” mandeha tsara tsy misy blabla…eise e…mahery ilay "message subliminal"
Fa hanao veloma ny sehatra hono I Henri Ratsimbazafy, ka mba ho fahatsiarovako azy, dia mba mametraka ireto fanontaniana ireto amin’ny tenako aho sy aminy:
Inona kay ilay lamba mikopakopaka? Ilay tsara sy ma te-ho tia? Ilay toa miantso hoe avia ? : … ve?
Ary dia misaotra fa dia tena ny ankabeazan’ny fiainako no nohirainao : fitiavan’ankizy, fiara-dalamby, trano falafa, Mahafatifaty, Andriamanitra fitiavana, indro tazako ianao re ry tiana, Fony aho, vola, ny lehilahy, ianao (hizarako ny hasambarako)…Anao no nidramiko
Mipoa-tsarok’e…
Efa ela aho no nivoady - fa hijanona tsy hanambady
'Zaho tsy ho voarebireby - hitebiteby ;
Koa ataoko sanatria - izay ho tia ka tena tia
ary hanao ny hadalana - dia ho voatana,
Kanjo asa foana teo,niseranan-dry zareo,
niova hevitra avy hatrany - babony aho no niafarany,
tsy nahateny fa nalemy !
Ny masony, toa mangarika
'nefa koa malefadefaka fijery
MAHAFATIFATY
ka manintona sy misarika
toa ny misy herimbaratra mahery
MAHAFATIFATY
Tena kanto izany volony
Miondraondra, misarako ao an-damosiny
MAHAFATIFATY
Raha mitsiky izany molony
toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny
MAHAFATIFATY.
Ireo sakaizako fahiny - avy dia manome tsiny,
lazainy aho fa tsy matotra ka dia voafatotra.
Ry zareo manao izay tiany - tsisy ora ny fodiany
izay tiany aleha rehetra - dia tsy voafetra !
Ity anefa no mba lalina : rehefa mody izy amin'ny alina
efa nanao kibo an-tsena, tonga tsy misy mpitsena
fa manirery toa ny very
Ny ahy kosa, vao amin'ny enina,
indro tazako izy ery am-bavahady
MAHAFATIFATY
dia tsaroako, tsisy nenina
mahafinaritra ery ny manambady
MAHAFATIFATY
Indro izy misomebika
an-dakozia mikarakara ny sakafo
MAHAFATIFATY
Amizay aho dia rebika
tsy maharitra fa dia manafosafo
MAHAFATIFATY
Nefa kosa, na izany aza,
ny lafiratsiny mba misy kely ihany
TSY MAHAFATIFATY
Rehefa izy no mivazavaza,
menomenona tsy misy fiafarany
mila tsy ho tanty
rehefa misy adi-hevitra
mirintondrintona amin-java-tsisy fotony
tena mahasoso-(tra ahy)
nefa izaho tsy mety tezitra
vao mahita izato fiangotingotiny
MAHAFATIFATY !!